Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Al'ahzab   Aya:

Al-ahzab

يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ ٱتَّقِ ٱللَّهَ وَلَا تُطِعِ ٱلۡكَٰفِرِينَ وَٱلۡمُنَٰفِقِينَۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلِيمًا حَكِيمٗا
Ô ry mpaminany ! Matahora an’i Allah ary aza mankatò ireo tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy ianao. Marina fa Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
Tafsiran larabci:
وَٱتَّبِعۡ مَا يُوحَىٰٓ إِلَيۡكَ مِن رَّبِّكَۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرٗا
Ary araho ny fanambarana izay nalefa taminao avy amin’ny Tomponao. Marina fa Allah dia mahafantatra tanteraka izay ataonareo.
Tafsiran larabci:
وَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱللَّهِۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ وَكِيلٗا
Ary mametraha fitokisana amin’i Allah ianao, ary Allah dia ampy ho mpiantoka.
Tafsiran larabci:
مَّا جَعَلَ ٱللَّهُ لِرَجُلٖ مِّن قَلۡبَيۡنِ فِي جَوۡفِهِۦۚ وَمَا جَعَلَ أَزۡوَٰجَكُمُ ٱلَّٰٓـِٔي تُظَٰهِرُونَ مِنۡهُنَّ أُمَّهَٰتِكُمۡۚ وَمَا جَعَلَ أَدۡعِيَآءَكُمۡ أَبۡنَآءَكُمۡۚ ذَٰلِكُمۡ قَوۡلُكُم بِأَفۡوَٰهِكُمۡۖ وَٱللَّهُ يَقُولُ ٱلۡحَقَّ وَهُوَ يَهۡدِي ٱلسَّبِيلَ
Tsy nametraka fo roa ao an-tratran’ny olona Allah. Tsy nampitoviany tamin’ny Reninareo mihitsy ny vadinareo (izay roahinareo amin’ny teny hoe :) “Toy ny lamosin-dReniko ihany ianao (fady ahy)”. Tsy nataony mitovy amin’ny zaza naterakareo ny zaza natsanganareo. Teny naloaky ny vavanareo izany. Fa miteny ny marina Allah, ary Izy no mitarika (ny olona) ho amin’ny làlana tsara.
Tafsiran larabci:
ٱدۡعُوهُمۡ لِأٓبَآئِهِمۡ هُوَ أَقۡسَطُ عِندَ ٱللَّهِۚ فَإِن لَّمۡ تَعۡلَمُوٓاْ ءَابَآءَهُمۡ فَإِخۡوَٰنُكُمۡ فِي ٱلدِّينِ وَمَوَٰلِيكُمۡۚ وَلَيۡسَ عَلَيۡكُمۡ جُنَاحٞ فِيمَآ أَخۡطَأۡتُم بِهِۦ وَلَٰكِن مَّا تَعَمَّدَتۡ قُلُوبُكُمۡۚ وَكَانَ ٱللَّهُ غَفُورٗا رَّحِيمًا
Antsoinareo izy ireo amin’ny anaran’ny rainy, izany no tena marina eo anatrehan’i Allah. Raha tsy fantatrareo ny rain’izy ireo, dia raisonareo ho rahalahinareo ara-pinoana na koa namanareo izy ireo. Ary tsy hanananareo tsiny ny fahadisoana izay nataonareo tamin’izany, fa izay ninian’ny fonareo natao kosa (no hahazoanareo tsiny). Ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
Tafsiran larabci:
ٱلنَّبِيُّ أَوۡلَىٰ بِٱلۡمُؤۡمِنِينَ مِنۡ أَنفُسِهِمۡۖ وَأَزۡوَٰجُهُۥٓ أُمَّهَٰتُهُمۡۗ وَأُوْلُواْ ٱلۡأَرۡحَامِ بَعۡضُهُمۡ أَوۡلَىٰ بِبَعۡضٖ فِي كِتَٰبِ ٱللَّهِ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ وَٱلۡمُهَٰجِرِينَ إِلَّآ أَن تَفۡعَلُوٓاْ إِلَىٰٓ أَوۡلِيَآئِكُم مَّعۡرُوفٗاۚ كَانَ ذَٰلِكَ فِي ٱلۡكِتَٰبِ مَسۡطُورٗا
Ny mpaminany no manana zo ambony kokoa amin’ireo mpino mihoatra amin’ny tenan’izy ireo; ary ireo vadiny dia renin’izy ireo, ireo rohim-pihavanana mamatotra ny andaniny sy ny ankilany dia manana zo kokoa araka ny Bokin’i Allah, nohon'ny rohy mampitambatra ireo mpino (avy ao Madina) sy ireo mpino mpifindra-monina (avy ao Makka), afa-tsy hoe nanao didim-pananana manokana (sadakat) ianareo ho an’ireo rahalahinareo (amin’ny finoana). Izany dia voarakitra ao anaty Boky.
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Al'ahzab
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwad ne suka fassarasu tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Kungiyar hidimtawa abinda Musulunci ya kunsa da yaruka

Rufewa