Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഹ്സാബ്   ആയത്ത്:

Al-ahzab

يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ ٱتَّقِ ٱللَّهَ وَلَا تُطِعِ ٱلۡكَٰفِرِينَ وَٱلۡمُنَٰفِقِينَۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلِيمًا حَكِيمٗا
Ô ry mpaminany ! Matahora an’i Allah ary aza mankatò ireo tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy ianao. Marina fa Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَٱتَّبِعۡ مَا يُوحَىٰٓ إِلَيۡكَ مِن رَّبِّكَۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرٗا
Ary araho ny fanambarana izay nalefa taminao avy amin’ny Tomponao. Marina fa Allah dia mahafantatra tanteraka izay ataonareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱللَّهِۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ وَكِيلٗا
Ary mametraha fitokisana amin’i Allah ianao, ary Allah dia ampy ho mpiantoka.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مَّا جَعَلَ ٱللَّهُ لِرَجُلٖ مِّن قَلۡبَيۡنِ فِي جَوۡفِهِۦۚ وَمَا جَعَلَ أَزۡوَٰجَكُمُ ٱلَّٰٓـِٔي تُظَٰهِرُونَ مِنۡهُنَّ أُمَّهَٰتِكُمۡۚ وَمَا جَعَلَ أَدۡعِيَآءَكُمۡ أَبۡنَآءَكُمۡۚ ذَٰلِكُمۡ قَوۡلُكُم بِأَفۡوَٰهِكُمۡۖ وَٱللَّهُ يَقُولُ ٱلۡحَقَّ وَهُوَ يَهۡدِي ٱلسَّبِيلَ
Tsy nametraka fo roa ao an-tratran’ny olona Allah. Tsy nampitoviany tamin’ny Reninareo mihitsy ny vadinareo (izay roahinareo amin’ny teny hoe :) “Toy ny lamosin-dReniko ihany ianao (fady ahy)”. Tsy nataony mitovy amin’ny zaza naterakareo ny zaza natsanganareo. Teny naloaky ny vavanareo izany. Fa miteny ny marina Allah, ary Izy no mitarika (ny olona) ho amin’ny làlana tsara.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱدۡعُوهُمۡ لِأٓبَآئِهِمۡ هُوَ أَقۡسَطُ عِندَ ٱللَّهِۚ فَإِن لَّمۡ تَعۡلَمُوٓاْ ءَابَآءَهُمۡ فَإِخۡوَٰنُكُمۡ فِي ٱلدِّينِ وَمَوَٰلِيكُمۡۚ وَلَيۡسَ عَلَيۡكُمۡ جُنَاحٞ فِيمَآ أَخۡطَأۡتُم بِهِۦ وَلَٰكِن مَّا تَعَمَّدَتۡ قُلُوبُكُمۡۚ وَكَانَ ٱللَّهُ غَفُورٗا رَّحِيمًا
Antsoinareo izy ireo amin’ny anaran’ny rainy, izany no tena marina eo anatrehan’i Allah. Raha tsy fantatrareo ny rain’izy ireo, dia raisonareo ho rahalahinareo ara-pinoana na koa namanareo izy ireo. Ary tsy hanananareo tsiny ny fahadisoana izay nataonareo tamin’izany, fa izay ninian’ny fonareo natao kosa (no hahazoanareo tsiny). Ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱلنَّبِيُّ أَوۡلَىٰ بِٱلۡمُؤۡمِنِينَ مِنۡ أَنفُسِهِمۡۖ وَأَزۡوَٰجُهُۥٓ أُمَّهَٰتُهُمۡۗ وَأُوْلُواْ ٱلۡأَرۡحَامِ بَعۡضُهُمۡ أَوۡلَىٰ بِبَعۡضٖ فِي كِتَٰبِ ٱللَّهِ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ وَٱلۡمُهَٰجِرِينَ إِلَّآ أَن تَفۡعَلُوٓاْ إِلَىٰٓ أَوۡلِيَآئِكُم مَّعۡرُوفٗاۚ كَانَ ذَٰلِكَ فِي ٱلۡكِتَٰبِ مَسۡطُورٗا
Ny mpaminany no manana zo ambony kokoa amin’ireo mpino mihoatra amin’ny tenan’izy ireo; ary ireo vadiny dia renin’izy ireo, ireo rohim-pihavanana mamatotra ny andaniny sy ny ankilany dia manana zo kokoa araka ny Bokin’i Allah, nohon'ny rohy mampitambatra ireo mpino (avy ao Madina) sy ireo mpino mpifindra-monina (avy ao Makka), afa-tsy hoe nanao didim-pananana manokana (sadakat) ianareo ho an’ireo rahalahinareo (amin’ny finoana). Izany dia voarakitra ao anaty Boky.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഹ്സാബ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക