Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഹ്സാബ്   ആയത്ത്:
لَّا جُنَاحَ عَلَيۡهِنَّ فِيٓ ءَابَآئِهِنَّ وَلَآ أَبۡنَآئِهِنَّ وَلَآ إِخۡوَٰنِهِنَّ وَلَآ أَبۡنَآءِ إِخۡوَٰنِهِنَّ وَلَآ أَبۡنَآءِ أَخَوَٰتِهِنَّ وَلَا نِسَآئِهِنَّ وَلَا مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُنَّۗ وَٱتَّقِينَ ٱللَّهَۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ شَهِيدًا
Tsy misy fanakianana ho azy ireo (ny miseho tsy mirakotra) eo anatrehan’ireo rain’izy ireo, na ireo zanakalahin’izy ireo, na ireo anadahin’izy ireo, na ireo zanakalahin’ny anadahin’izy ireo, na ireo zanakalahin’ny rahavavin’izy ireo, na ireo vehivavin’izy ireo, na ireo andevo izay ananan’izy ireo. Aoka hatahotra an’i Allah ianareo. Tena marina fa Allah dia vavolombelon’ny zava-drehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّ ٱللَّهَ وَمَلَٰٓئِكَتَهُۥ يُصَلُّونَ عَلَى ٱلنَّبِيِّۚ يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ صَلُّواْ عَلَيۡهِ وَسَلِّمُواْ تَسۡلِيمًا
Tena marina fa Allah sy ireo Anjeliny dia mitahy an’ny Mpaminany; ô ianareo izay mino! Mangataha fitahiana ho azy, ary mangataha fiadanana ho azy ianareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يُؤۡذُونَ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ لَعَنَهُمُ ٱللَّهُ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ وَأَعَدَّ لَهُمۡ عَذَابٗا مُّهِينٗا
Tena marina fa ireo izay manafintohina an’ i Allah sy ny Irany, dia manozona azy ireo Allah, ety an-tany sy any an-koatra, ary manomana ho azy ireo ny famaizana manalabaraka.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَٱلَّذِينَ يُؤۡذُونَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتِ بِغَيۡرِ مَا ٱكۡتَسَبُواْ فَقَدِ ٱحۡتَمَلُواْ بُهۡتَٰنٗا وَإِثۡمٗا مُّبِينٗا
Ary ireo izay manafintohina an’ireo mpino lahy sy ireo mpino vavy, tsy amin’ny hadisoana izay mendrika hanenjehana azy ireo, dia efa mizaka lainga be vava sy fahotana miharihary izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ قُل لِّأَزۡوَٰجِكَ وَبَنَاتِكَ وَنِسَآءِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ يُدۡنِينَ عَلَيۡهِنَّ مِن جَلَٰبِيبِهِنَّۚ ذَٰلِكَ أَدۡنَىٰٓ أَن يُعۡرَفۡنَ فَلَا يُؤۡذَيۡنَۗ وَكَانَ ٱللَّهُ غَفُورٗا رَّحِيمٗا
Ô ry Mpaminany ! Teneno amin’ireo vadinao sy ireo zanakao vavy, ary ireo vadin’ireo mpino, mba hampidina ny lamba fisaronan’izy ireo (voalin’izy ireo) amin’ny tenany; izany no haingana kokoa hamantarana azy ireo ka tsy ho voaelingelina, ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
۞ لَّئِن لَّمۡ يَنتَهِ ٱلۡمُنَٰفِقُونَ وَٱلَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٞ وَٱلۡمُرۡجِفُونَ فِي ٱلۡمَدِينَةِ لَنُغۡرِيَنَّكَ بِهِمۡ ثُمَّ لَا يُجَاوِرُونَكَ فِيهَآ إِلَّا قَلِيلٗا
Raha tena tsy mitsahatra ireo mpihatsaravelatsihy, sy ireo izay misy aretina amin’ny fòny, ary koa ireo mpanakorontana ao Madinah, dia tena hamporisika anao Izahay hanohitra azy ireo, ka tsy hipetraka maharitra eo akaikinao izy ireo afa-tsy fotoana fohy ihany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مَّلۡعُونِينَۖ أَيۡنَمَا ثُقِفُوٓاْ أُخِذُواْ وَقُتِّلُواْ تَقۡتِيلٗا
Voahozona izy ireo. Ka na aiza na aiza ny toerana ahitana azy ireo, dia horaisina sy hovonoina tsy misy indrafò izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
سُنَّةَ ٱللَّهِ فِي ٱلَّذِينَ خَلَوۡاْ مِن قَبۡلُۖ وَلَن تَجِدَ لِسُنَّةِ ٱللَّهِ تَبۡدِيلٗا
Toy izany no sori-dàlan’i Allah manoloana ireo izay niaina teo aloha, ary tsy hahita fiovana velively amin’ny sori-dàlan’i Allah ianao.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഹ്സാബ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക