Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഹ്സാബ്   ആയത്ത്:
مِّنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ رِجَالٞ صَدَقُواْ مَا عَٰهَدُواْ ٱللَّهَ عَلَيۡهِۖ فَمِنۡهُم مَّن قَضَىٰ نَحۡبَهُۥ وَمِنۡهُم مَّن يَنتَظِرُۖ وَمَا بَدَّلُواْ تَبۡدِيلٗا
Misy amin’ireo mpino, lehilahy tokoa izay mijoro amin’ny marina tamin’ny fifanekena tamin’i Allah. Misy amin’izy ireo no nahatanteraka ny tanjony (maritiora), ary misy amin’izy ireo kosa no mbola miandry; ka tsy mba niovaova mihitsy izy ireo (tamin’ny fifanekena),
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لِّيَجۡزِيَ ٱللَّهُ ٱلصَّٰدِقِينَ بِصِدۡقِهِمۡ وَيُعَذِّبَ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ إِن شَآءَ أَوۡ يَتُوبَ عَلَيۡهِمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ غَفُورٗا رَّحِيمٗا
Mba hanomezan’i Allah ny valisoa ireo mpanao ny marina nohon'ny fahamarinan’izy ireo sy hanafaizan'ireo mpiatsaravelatsihy, na havelany ny helok'izy ireo. Tena marina fa Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَرَدَّ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِغَيۡظِهِمۡ لَمۡ يَنَالُواْ خَيۡرٗاۚ وَكَفَى ٱللَّهُ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ ٱلۡقِتَالَۚ وَكَانَ ٱللَّهُ قَوِيًّا عَزِيزٗا
Ary naverin’i Allah ireo tsy mpino miaraka amin’ny haromotany, ka tsy mba nahazo ny tsara mihitsy izy ireo, ary nafahan’i Allah tamin’ny ady ireo mpino, fa Allah dia Matanjaka sy Tsitoha.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَنزَلَ ٱلَّذِينَ ظَٰهَرُوهُم مِّنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ مِن صَيَاصِيهِمۡ وَقَذَفَ فِي قُلُوبِهِمُ ٱلرُّعۡبَ فَرِيقٗا تَقۡتُلُونَ وَتَأۡسِرُونَ فَرِيقٗا
Ary dia nampidininy avy eny amin’ny mandany ireo ampahan’ny olon’ny Boky izay nanampy azy ireo, ka natsipiny tao anaty fon’izy ireo ny tahotra; ny andiany tamin’izy ireo dia novonoinareo, ary ny andiany hafa kosa dia nataonareo babo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَوۡرَثَكُمۡ أَرۡضَهُمۡ وَدِيَٰرَهُمۡ وَأَمۡوَٰلَهُمۡ وَأَرۡضٗا لَّمۡ تَطَـُٔوهَاۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٗا
Ary nampandovainy anareo ny tanin’izy ireo, ny fonenan’izy ireo, ny fananan’izy ireo, ary koa ny tany izay mbola tsy nodiavinareo mihitsy. Ary Allah dia Mahefa ny zava-drehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ قُل لِّأَزۡوَٰجِكَ إِن كُنتُنَّ تُرِدۡنَ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا وَزِينَتَهَا فَتَعَالَيۡنَ أُمَتِّعۡكُنَّ وَأُسَرِّحۡكُنَّ سَرَاحٗا جَمِيلٗا
Ô ry mpaminany ! Teneno amin’ireo vadinao hoe : “Raha toa ka ny fiainana eto an-tany, sy ny rendrarendrany no irìnareo, dia tongava ianareo ! Fa omeko izay hafalianareo, ary alefako (amin’ny fisarahana) tsy misy arakaraka.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَإِن كُنتُنَّ تُرِدۡنَ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ وَٱلدَّارَ ٱلۡأٓخِرَةَ فَإِنَّ ٱللَّهَ أَعَدَّ لِلۡمُحۡسِنَٰتِ مِنكُنَّ أَجۡرًا عَظِيمٗا
Fa raha Allah sy ny Irany kosa ary ny Fonenana any an-koatra no tianareo, tena marina fa Allah dia nanomana ho an’ireo mpanao asa tsara ny valisoa lehibe indrindra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَٰنِسَآءَ ٱلنَّبِيِّ مَن يَأۡتِ مِنكُنَّ بِفَٰحِشَةٖ مُّبَيِّنَةٖ يُضَٰعَفۡ لَهَا ٱلۡعَذَابُ ضِعۡفَيۡنِۚ وَكَانَ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٗا
Ô ry vadin’i Mpaminany ! Izay manao asa vetaveta aminareo ka voaporofo izany, dia hampitomboina avo roa heny ny famaizana azy ! Ary mora amin’i Allah izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഹ്സാബ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക