Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Al'nisaa   Aya:
ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۚ لَيَجۡمَعَنَّكُمۡ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ لَا رَيۡبَ فِيهِۗ وَمَنۡ أَصۡدَقُ مِنَ ٱللَّهِ حَدِيثٗا
Allah ! Tsy misy Tompo afa-tsy Izy ! Havoriny tokoa ianareo amin’ny andro fitsanganana. Tsy misy fisalasalana ny amin’izany. Ary iza no marin-teny kokoa mihoatra an'I Allah ?
Tafsiran larabci:
۞ فَمَا لَكُمۡ فِي ٱلۡمُنَٰفِقِينَ فِئَتَيۡنِ وَٱللَّهُ أَرۡكَسَهُم بِمَا كَسَبُوٓاْۚ أَتُرِيدُونَ أَن تَهۡدُواْ مَنۡ أَضَلَّ ٱللَّهُۖ وَمَن يُضۡلِلِ ٱللَّهُ فَلَن تَجِدَ لَهُۥ سَبِيلٗا
Fa inona no nahazo anareo, ka nizara ho andiany roa, momba ireo mpihatsaravelatsihy ? Kanefa I Allah dia namerina azy ireo amin’ny tsy finoana noho izay nataon’izy ireo ihany. Mila hitari-dàlana izay efa noverezin’I Allah ve ianareo ? Ary izay verezin’I Allah dia tsy ahitanao lalana intsony.
Tafsiran larabci:
وَدُّواْ لَوۡ تَكۡفُرُونَ كَمَا كَفَرُواْ فَتَكُونُونَ سَوَآءٗۖ فَلَا تَتَّخِذُواْ مِنۡهُمۡ أَوۡلِيَآءَ حَتَّىٰ يُهَاجِرُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِۚ فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَخُذُوهُمۡ وَٱقۡتُلُوهُمۡ حَيۡثُ وَجَدتُّمُوهُمۡۖ وَلَا تَتَّخِذُواْ مِنۡهُمۡ وَلِيّٗا وَلَا نَصِيرًا
Maniry izy ireo mba tsy hino ianareo, tahaka izy ireo tsy nino, dia ho tonga mitovy ianareo, ka aoka ianareo tsy handray sakaiza avy amin’izy ireo, mandra-pifindram-ponenan’izy ireo amin’ny làlan’I Allah. Koa raha mitodi-damosina amin’izany izy ireo dia raisonareo sy vonoinareo , n’aiza n’aiza ahitanareo azy ireo. Ary aoka ianareo tsy handray sakaiza na mpanavotra avy amin’izy ireo.
Tafsiran larabci:
إِلَّا ٱلَّذِينَ يَصِلُونَ إِلَىٰ قَوۡمِۭ بَيۡنَكُمۡ وَبَيۡنَهُم مِّيثَٰقٌ أَوۡ جَآءُوكُمۡ حَصِرَتۡ صُدُورُهُمۡ أَن يُقَٰتِلُوكُمۡ أَوۡ يُقَٰتِلُواْ قَوۡمَهُمۡۚ وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ لَسَلَّطَهُمۡ عَلَيۡكُمۡ فَلَقَٰتَلُوكُمۡۚ فَإِنِ ٱعۡتَزَلُوكُمۡ فَلَمۡ يُقَٰتِلُوكُمۡ وَأَلۡقَوۡاْ إِلَيۡكُمُ ٱلسَّلَمَ فَمَا جَعَلَ ٱللَّهُ لَكُمۡ عَلَيۡهِمۡ سَبِيلٗا
Afa-tsy ireo izay manatona ny vahoaka izay nanaovanareo fifanarahana (fifanakena), na ireo tonga aminareo (nanatona anareo), nohon'ny fon’izy ireo tsy mankasitraka ny hiady aminareo, na koa hiady amin’ny foko niaviany. Raha sitrak’I Allah dia nomeny fahefana aminareo izy ireo, ka niady taminareo. Fa raha nihataka anareo izy ireo, sy tsy niady taminareo, ary nanolotra fandriam-pahalemana ho anareo, dia tsy nomen’I Allah alàlana hiady amin’izy ireo ianareo.
Tafsiran larabci:
سَتَجِدُونَ ءَاخَرِينَ يُرِيدُونَ أَن يَأۡمَنُوكُمۡ وَيَأۡمَنُواْ قَوۡمَهُمۡ كُلَّ مَا رُدُّوٓاْ إِلَى ٱلۡفِتۡنَةِ أُرۡكِسُواْ فِيهَاۚ فَإِن لَّمۡ يَعۡتَزِلُوكُمۡ وَيُلۡقُوٓاْ إِلَيۡكُمُ ٱلسَّلَمَ وَيَكُفُّوٓاْ أَيۡدِيَهُمۡ فَخُذُوهُمۡ وَٱقۡتُلُوهُمۡ حَيۡثُ ثَقِفۡتُمُوهُمۡۚ وَأُوْلَٰٓئِكُمۡ جَعَلۡنَا لَكُمۡ عَلَيۡهِمۡ سُلۡطَٰنٗا مُّبِينٗا
Ho hitanareo koa fa, misy ny sasany mitady hahazo filaminan-tsaina aminareo sy hahazo filaminan-tsaina amin’ny foko niaviany. Nefa isak'izy ireo averina amin’ny fikorontanana, tonga dia mirotsaka avy hatrany amin’izany izy ireo. Fa raha tsy mihataka aminareo kosa izy ireo, sy tsy manolotra fandriam-pahalemana ho anareo, ary tsy mampijanona ny tanany hikasika anareo, dia raiso ka vonoinareo izy ireo, n’aiza n’aiza hahatraranareo azy ireo. Amin’izy ireny dia efa nomenay fahefana mazava tanteraka ianareo.
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Al'nisaa
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Fassara ta wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwwad tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Ƙungiyar Hidimar Abun ciki na Musulunci a harsuna.

Rufewa