Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Al'nisaa   Aya:
وَٱلَّذِينَ يُنفِقُونَ أَمۡوَٰلَهُمۡ رِئَآءَ ٱلنَّاسِ وَلَا يُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَلَا بِٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۗ وَمَن يَكُنِ ٱلشَّيۡطَٰنُ لَهُۥ قَرِينٗا فَسَآءَ قَرِينٗا
Ary ireo izay mamoaka ny hareny mba ho hitan’ny olona, ary tsy mino an'I Allah sy ny andro farany. Ary n'iza n'iza maka ny satana ho namana akaiky, tena namana ratsy tokoa izany !
Tafsiran larabci:
وَمَاذَا عَلَيۡهِمۡ لَوۡ ءَامَنُواْ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ وَأَنفَقُواْ مِمَّا رَزَقَهُمُ ٱللَّهُۚ وَكَانَ ٱللَّهُ بِهِمۡ عَلِيمًا
Ary inona moa no manjò azy ireo, raha mba nino an’I Allah sy ny andro farany izy ireo, ary namoaka (ho an’I Allah) amin’izay anjara nomeny azy ireo. Ary tena marina fa I Allah dia Mahalala tsara izay ataon’izy ireo.
Tafsiran larabci:
إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَظۡلِمُ مِثۡقَالَ ذَرَّةٖۖ وَإِن تَكُ حَسَنَةٗ يُضَٰعِفۡهَا وَيُؤۡتِ مِن لَّدُنۡهُ أَجۡرًا عَظِيمٗا
Tena marina fa I Allah dia tsy manambaka na dia mitovy amin’ny lanjan’ny atôma aza. Ary na dia asa tsara iray monja aza dia ampitomboiny avo heny izany, ary omeny valisoa lehibe avy Aminy izany.
Tafsiran larabci:
فَكَيۡفَ إِذَا جِئۡنَا مِن كُلِّ أُمَّةِۭ بِشَهِيدٖ وَجِئۡنَا بِكَ عَلَىٰ هَٰٓؤُلَآءِ شَهِيدٗا
Ka manao ahoana raha itondranay vavolombelona avy amin’ny vahoaka tsirairay, Ary ianao no ataonay vavolombelona miatrika azy ireo?
Tafsiran larabci:
يَوۡمَئِذٖ يَوَدُّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَعَصَوُاْ ٱلرَّسُولَ لَوۡ تُسَوَّىٰ بِهِمُ ٱلۡأَرۡضُ وَلَا يَكۡتُمُونَ ٱللَّهَ حَدِيثٗا
Amin’izany andro izany, dia maniry ireo izay tsy nino sy tsy nankatò ny Iraka mba handrakotra azy ireo ny tany, ary tsy afaka hanafina intsony ny resaka amin’I Allah izy ireo.
Tafsiran larabci:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَقۡرَبُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَأَنتُمۡ سُكَٰرَىٰ حَتَّىٰ تَعۡلَمُواْ مَا تَقُولُونَ وَلَا جُنُبًا إِلَّا عَابِرِي سَبِيلٍ حَتَّىٰ تَغۡتَسِلُواْۚ وَإِن كُنتُم مَّرۡضَىٰٓ أَوۡ عَلَىٰ سَفَرٍ أَوۡ جَآءَ أَحَدٞ مِّنكُم مِّنَ ٱلۡغَآئِطِ أَوۡ لَٰمَسۡتُمُ ٱلنِّسَآءَ فَلَمۡ تَجِدُواْ مَآءٗ فَتَيَمَّمُواْ صَعِيدٗا طَيِّبٗا فَٱمۡسَحُواْ بِوُجُوهِكُمۡ وَأَيۡدِيكُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَفُوًّا غَفُورًا
Ô ianareo izay nino ! Aza manatona ny fanompoam-pivavahana ianareo raha mbola mamo, mandra-pahalalanareo izay teneninareo, ary raha mbola ao anatin'ny fahalotoana lehibe, afa-tsy eny am-pandehanana, mandra-panaovanareo ny fidiovana lehibe . Ary raha marary ianareo, na eny am-pandehanana lavitra, na avy nivoaka ny iray taminareo, na avy nikasika vehivavy ianareo ka tsy mahita rano, dia midiova amin’ny tany madio, ka safoinareo amin’izany ny tavanareo sy ireo tananareo. Tena marina fa I Allah dia be Fandeferana sy be Famelan-keloka.
Tafsiran larabci:
أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ أُوتُواْ نَصِيبٗا مِّنَ ٱلۡكِتَٰبِ يَشۡتَرُونَ ٱلضَّلَٰلَةَ وَيُرِيدُونَ أَن تَضِلُّواْ ٱلسَّبِيلَ
Tsy hitanao ve ireo izay nomena anjara tamin’ny Boky, mividy ny fahaverezana ka mila hamery lalana anareo ?
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Al'nisaa
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Fassara ta wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwwad tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Ƙungiyar Hidimar Abun ciki na Musulunci a harsuna.

Rufewa