Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Al'haqah   Aya:
وَجَآءَ فِرۡعَوۡنُ وَمَن قَبۡلَهُۥ وَٱلۡمُؤۡتَفِكَٰتُ بِٱلۡخَاطِئَةِ
Ary tonga i Faraona sy ny teo alohany ary ireo tanàna noravana dia samy nanao fahotana avokoa.
Tafsiran larabci:
فَعَصَوۡاْ رَسُولَ رَبِّهِمۡ فَأَخَذَهُمۡ أَخۡذَةٗ رَّابِيَةً
Tsy nankato ny Iraky ny Tompony izy ireo, ka nosaziany tamin'ny fomba tsy ahafahany manohitra.
Tafsiran larabci:
إِنَّا لَمَّا طَغَا ٱلۡمَآءُ حَمَلۡنَٰكُمۡ فِي ٱلۡجَارِيَةِ
Rehefa tondraka ny rano dia Izahay no nampiditra anareo tao anatin'ny sambofiara.
Tafsiran larabci:
لِنَجۡعَلَهَا لَكُمۡ تَذۡكِرَةٗ وَتَعِيَهَآ أُذُنٞ وَٰعِيَةٞ
Mba hataonay fampahatsiarovana ho anareo, ka ho voatahirin'ny sofina mahare tsara.
Tafsiran larabci:
فَإِذَا نُفِخَ فِي ٱلصُّورِ نَفۡخَةٞ وَٰحِدَةٞ
Ka rehefa ho tsofina amin'ny feo tokana ny anjomara.
Tafsiran larabci:
وَحُمِلَتِ ٱلۡأَرۡضُ وَٱلۡجِبَالُ فَدُكَّتَا دَكَّةٗ وَٰحِدَةٗ
Ary dia voahainga sy hazera indray mandeha ny tany sy ireo tendrombohitra.
Tafsiran larabci:
فَيَوۡمَئِذٖ وَقَعَتِ ٱلۡوَاقِعَةُ
Amin'izay andro izay dia hiseho ilay toe-javatra.
Tafsiran larabci:
وَٱنشَقَّتِ ٱلسَّمَآءُ فَهِيَ يَوۡمَئِذٖ وَاهِيَةٞ
Ary hitriatra ny lanitra, sady ho mora rava izy amin'io andro io.
Tafsiran larabci:
وَٱلۡمَلَكُ عَلَىٰٓ أَرۡجَآئِهَاۚ وَيَحۡمِلُ عَرۡشَ رَبِّكَ فَوۡقَهُمۡ يَوۡمَئِذٖ ثَمَٰنِيَةٞ
Ary eo andanin'izany ireo, anjely ny valo hilanja ny seza fiandrianan'ny Tomponao amin'io andro io.
Tafsiran larabci:
يَوۡمَئِذٖ تُعۡرَضُونَ لَا تَخۡفَىٰ مِنكُمۡ خَافِيَةٞ
Haseho ianareo amin'io andro io ; ary tsy hisy hiafina ny aminareo.
Tafsiran larabci:
فَأَمَّا مَنۡ أُوتِيَ كِتَٰبَهُۥ بِيَمِينِهِۦ فَيَقُولُ هَآؤُمُ ٱقۡرَءُواْ كِتَٰبِيَهۡ
Fa ilay nomena ny bokiny amin'ny tanany ankavanana kosa, dia hiteny hoe : "Jereo ! Vakinareo ny bokiko."
Tafsiran larabci:
إِنِّي ظَنَنتُ أَنِّي مُلَٰقٍ حِسَابِيَهۡ
Azoko antoka fa ho hitako ao ny tatitra momba ahy.
Tafsiran larabci:
فَهُوَ فِي عِيشَةٖ رَّاضِيَةٖ
Dia ho ao anatin'ny fiainam-pahasambarana feno fankasitrahana izy !
Tafsiran larabci:
فِي جَنَّةٍ عَالِيَةٖ
Hiditra ny Paradisa mendrika tokoa.
Tafsiran larabci:
قُطُوفُهَا دَانِيَةٞ
Izay misy voankazo azo takarina amin'ny tanana.
Tafsiran larabci:
كُلُواْ وَٱشۡرَبُواْ هَنِيٓـَٔۢا بِمَآ أَسۡلَفۡتُمۡ فِي ٱلۡأَيَّامِ ٱلۡخَالِيَةِ
Mihinàna sy misotroa amim-pahafinaretana ianareo, noho izay efa nataonareo taloha.
Tafsiran larabci:
وَأَمَّا مَنۡ أُوتِيَ كِتَٰبَهُۥ بِشِمَالِهِۦ فَيَقُولُ يَٰلَيۡتَنِي لَمۡ أُوتَ كِتَٰبِيَهۡ
Fa izay hanolorana ny bokiny amin'ny tanany an-kavia kosa, dia hiteny hoe : "Indrisy mantsy ! Naleoko tsy natolotra ahy ny bokiko".
Tafsiran larabci:
وَلَمۡ أَدۡرِ مَا حِسَابِيَهۡ
Ka tsy nahafantarako ny tatitra momba ahy !
Tafsiran larabci:
يَٰلَيۡتَهَا كَانَتِ ٱلۡقَاضِيَةَ
Indrisy, naleoko ihany nifarana tanteraka tamin'ny fahafatesako voalohany.
Tafsiran larabci:
مَآ أَغۡنَىٰ عَنِّي مَالِيَهۡۜ
Fa tsy nisy nilaivako ny harenako.
Tafsiran larabci:
هَلَكَ عَنِّي سُلۡطَٰنِيَهۡ
"Rava ny fahefako ka nandao ahy !"
Tafsiran larabci:
خُذُوهُ فَغُلُّوهُ
Raisinareo izy ! Ka asio gadra vy.
Tafsiran larabci:
ثُمَّ ٱلۡجَحِيمَ صَلُّوهُ
Avy eo dia doroy any amin’ny afo mamaivay.
Tafsiran larabci:
ثُمَّ فِي سِلۡسِلَةٖ ذَرۡعُهَا سَبۡعُونَ ذِرَاعٗا فَٱسۡلُكُوهُ
Ary dia fatory amin’ny rojo mirefy fitopolo kiho.
Tafsiran larabci:
إِنَّهُۥ كَانَ لَا يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ ٱلۡعَظِيمِ
Satria tsy nino an'I Allah ilay tena Lehibe izy ireo.
Tafsiran larabci:
وَلَا يَحُضُّ عَلَىٰ طَعَامِ ٱلۡمِسۡكِينِ
Ary tsy namporisika hanome sakafo ho an’ny mahantra.
Tafsiran larabci:
فَلَيۡسَ لَهُ ٱلۡيَوۡمَ هَٰهُنَا حَمِيمٞ
Tsy misy namana mihitsy izy eto anio.
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Al'haqah
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwad ne suka fassarasu tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Kungiyar hidimtawa abinda Musulunci ya kunsa da yaruka

Rufewa