Check out the new design

Terjemahan makna Alquran Alkarim - Terjemahan Berbahasa Malagasi - Pusat Terjemah Ruwwād * - Daftar isi terjemahan


Terjemahan makna Surah: An-Naḥl   Ayah:
ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَصَدُّواْ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ زِدۡنَٰهُمۡ عَذَابٗا فَوۡقَ ٱلۡعَذَابِ بِمَا كَانُواْ يُفۡسِدُونَ
Ireo izay tsy nino sy nisakana ny làlan’i Allah, dia ampitomboinay ny famaizana azy ireo ambonin’ny famaizana (mendrika azy ireo), nohon'ny asa fanimbana izay nataony.
Tafsir berbahasa Arab:
وَيَوۡمَ نَبۡعَثُ فِي كُلِّ أُمَّةٖ شَهِيدًا عَلَيۡهِم مِّنۡ أَنفُسِهِمۡۖ وَجِئۡنَا بِكَ شَهِيدًا عَلَىٰ هَٰٓؤُلَآءِۚ وَنَزَّلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ تِبۡيَٰنٗا لِّكُلِّ شَيۡءٖ وَهُدٗى وَرَحۡمَةٗ وَبُشۡرَىٰ لِلۡمُسۡلِمِينَ
Ary amin’ny Andro izay hanangananay vavolombelona avy amin’ny vahoaka tsirairay hanohitra azy ireo, dia hoentinay ho vavolombelona Ianao (Mohamamad) hanohitra azy Ireo. Ary nampidininay Taminao ny Boky ho fanazavana ny zava-drehetra sy tari-dàlana, famindram-po ary vaovao mahafaly ho an’ny mpino mpanetry tena.
Tafsir berbahasa Arab:
۞ إِنَّ ٱللَّهَ يَأۡمُرُ بِٱلۡعَدۡلِ وَٱلۡإِحۡسَٰنِ وَإِيتَآيِٕ ذِي ٱلۡقُرۡبَىٰ وَيَنۡهَىٰ عَنِ ٱلۡفَحۡشَآءِ وَٱلۡمُنكَرِ وَٱلۡبَغۡيِۚ يَعِظُكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تَذَكَّرُونَ
Tena marina fa Allah dia mandidy ny rariny, sy ny fanaovan-tsoa ary ny fanampiana ireo havana akaiky. Fa mandrara kosa ny vetaveta, sy ny asa ratsy ary ny fikomiana. Mananatra Anareo Izy, angamba Ianareo ahatsiaro tena.
Tafsir berbahasa Arab:
وَأَوۡفُواْ بِعَهۡدِ ٱللَّهِ إِذَا عَٰهَدتُّمۡ وَلَا تَنقُضُواْ ٱلۡأَيۡمَٰنَ بَعۡدَ تَوۡكِيدِهَا وَقَدۡ جَعَلۡتُمُ ٱللَّهَ عَلَيۡكُمۡ كَفِيلًاۚ إِنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا تَفۡعَلُونَ
Ary tanterahanareo ny fifanekena amin’i Allah rehefa manao fifanekena Aminy Ianareo. Ary aza mandika ny fianianana nataonareo, rehefa avy nanao izany ankarihary sy nandray Allah ho mpiantoka. Marina fa i Allah dia mahafantatra tokoa izay Ataonareo.
Tafsir berbahasa Arab:
وَلَا تَكُونُواْ كَٱلَّتِي نَقَضَتۡ غَزۡلَهَا مِنۢ بَعۡدِ قُوَّةٍ أَنكَٰثٗا تَتَّخِذُونَ أَيۡمَٰنَكُمۡ دَخَلَۢا بَيۡنَكُمۡ أَن تَكُونَ أُمَّةٌ هِيَ أَرۡبَىٰ مِنۡ أُمَّةٍۚ إِنَّمَا يَبۡلُوكُمُ ٱللَّهُ بِهِۦۚ وَلَيُبَيِّنَنَّ لَكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ مَا كُنتُمۡ فِيهِ تَخۡتَلِفُونَ
Aza manao tahaka ny vehivavy izay nandrava tsirairay ny tadim-panenomany efa nafatotra mafy Ianareo, ka mampiasa ny fianiananareo ho fitaovam-pamitahana aminareo samy Anareo, nohon'ny fahitanareo vahoaka maro an’isa sy matanjaka noho ny hafa. Ho fitsapana anareo ihany no nanaovan’i Allah izany. Ary marina fa hasehony mazava tsara aminareo, amin’ny andro Fitsanganana (amin’ny maty) izay rehetra nampifanditra anareo.
Tafsir berbahasa Arab:
وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ لَجَعَلَكُمۡ أُمَّةٗ وَٰحِدَةٗ وَلَٰكِن يُضِلُّ مَن يَشَآءُ وَيَهۡدِي مَن يَشَآءُۚ وَلَتُسۡـَٔلُنَّ عَمَّا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Raha sitrak’i Allah, dia nataony ho vahoaka iray ihany Ianareo. Kanefa mamery izay sitrany hoverezina Izy, sy mitarika izay sitrany hotarihana. Ary marina fa hanontaniana Ianareo amin’izay nataonareo.
Tafsir berbahasa Arab:
 
Terjemahan makna Surah: An-Naḥl
Daftar surah Nomor Halaman
 
Terjemahan makna Alquran Alkarim - Terjemahan Berbahasa Malagasi - Pusat Terjemah Ruwwād - Daftar isi terjemahan

Terjemahannya oleh Tim Markaz Ruwwād Terjemah bekerjasama dengan Perkumpulan Dakwah di Rabwah dan Perkumpulan Pelayanan Konten Islami dalam Bahasa.

Tutup