Check out the new design

Terjemahan makna Alquran Alkarim - الترجمة المالاغاشية - رواد * - Daftar isi terjemahan


Terjemahan makna Surah: An-Nūr   Ayah:

An-nour

سُورَةٌ أَنزَلۡنَٰهَا وَفَرَضۡنَٰهَا وَأَنزَلۡنَا فِيهَآ ءَايَٰتِۭ بَيِّنَٰتٖ لَّعَلَّكُمۡ تَذَكَّرُونَ
Indro soratra (antoko-tsoratra) iray, izay nampidininay, sy izay nodidianay, ary nampidininay tao anatin’izany ireo famantarana maro miharihary, angamba hahatsiaro tena ianareo.
Tafsir berbahasa Arab:
ٱلزَّانِيَةُ وَٱلزَّانِي فَٱجۡلِدُواْ كُلَّ وَٰحِدٖ مِّنۡهُمَا مِاْئَةَ جَلۡدَةٖۖ وَلَا تَأۡخُذۡكُم بِهِمَا رَأۡفَةٞ فِي دِينِ ٱللَّهِ إِن كُنتُمۡ تُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۖ وَلۡيَشۡهَدۡ عَذَابَهُمَا طَآئِفَةٞ مِّنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ny vehivavy mpijangajanga sy ny lehilahy mpijangajanga dia kapohinareo in-jato tsirairay avy izy roa amin’ny karavasy. Aoka tsy ho resin’ny fangorahana ianareo amin’ny fanatanterahana ny didin’I Allah amin’izy roa, raha mino an'I Allah sy ny Andro farany ianareo, ary aoka hisy hiatrika ny famaizana azy ireo ny andian’ireo mpino.
Tafsir berbahasa Arab:
ٱلزَّانِي لَا يَنكِحُ إِلَّا زَانِيَةً أَوۡ مُشۡرِكَةٗ وَٱلزَّانِيَةُ لَا يَنكِحُهَآ إِلَّا زَانٍ أَوۡ مُشۡرِكٞۚ وَحُرِّمَ ذَٰلِكَ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ny lehilahy mpijangajanga dia tsy hanambady afa-tsy vehivavy mpijangajanga, na vehivavy mpanompo sampy, ary ny vehivavy mpijangajanga dia tsy hanambady afa-tsy lehilahy mpijangajanga, na lehilahy mpanompo sampy, ary izany dia voarara ho an’ireo mpino.
Tafsir berbahasa Arab:
وَٱلَّذِينَ يَرۡمُونَ ٱلۡمُحۡصَنَٰتِ ثُمَّ لَمۡ يَأۡتُواْ بِأَرۡبَعَةِ شُهَدَآءَ فَٱجۡلِدُوهُمۡ ثَمَٰنِينَ جَلۡدَةٗ وَلَا تَقۡبَلُواْ لَهُمۡ شَهَٰدَةً أَبَدٗاۚ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ
Ary ireo izay manendrikendrika ireo vehivavy madio fitondran-tena ka tsy mitondra vavolombelona efatra, dia kapoinareo im-balo-polo izy ireo amin’ny karavasy, ary aza ekena mihitsy ny fijoroan’izy ireo vavolombelona. Ary izy ireny no tena mpanao ratsy.
Tafsir berbahasa Arab:
إِلَّا ٱلَّذِينَ تَابُواْ مِنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ وَأَصۡلَحُواْ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Afa-tsy ireo izay nibebaka taorian’izany sy nanova ny fitodran-tena. Tena marina fa I Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo.
Tafsir berbahasa Arab:
وَٱلَّذِينَ يَرۡمُونَ أَزۡوَٰجَهُمۡ وَلَمۡ يَكُن لَّهُمۡ شُهَدَآءُ إِلَّآ أَنفُسُهُمۡ فَشَهَٰدَةُ أَحَدِهِمۡ أَرۡبَعُ شَهَٰدَٰتِۭ بِٱللَّهِ إِنَّهُۥ لَمِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Ary ireo izay manendrikendrika ny vadiny nefa tsy manana vavolombelona afa-tsy ny tenany ihany, dia ny fijoroan’ny iray amin’izy ireo vavolombelona dia mitovy fijoroana vavolombelona in’efatra eo anatrehan’I Allah. Tena marina fa izy dia anisan’ireo mpilaza ny marina.
Tafsir berbahasa Arab:
وَٱلۡخَٰمِسَةُ أَنَّ لَعۡنَتَ ٱللَّهِ عَلَيۡهِ إِن كَانَ مِنَ ٱلۡكَٰذِبِينَ
Ary ny fahadimy (amin’ny fijoroana vavolombelona) dia mianjera aminy (lehilahy) tokoa ny ozon’I Allah raha anisan’ireo mpandainga izy.
Tafsir berbahasa Arab:
وَيَدۡرَؤُاْ عَنۡهَا ٱلۡعَذَابَ أَن تَشۡهَدَ أَرۡبَعَ شَهَٰدَٰتِۭ بِٱللَّهِ إِنَّهُۥ لَمِنَ ٱلۡكَٰذِبِينَ
Ary tsy hampiharina aminy (vehivavy) ny famaizana raha toa ka mijoro vavolombelona in-efatra eo anatrehan’I Allah izy, fa tena marina izy (vadiny) dia anisan’ireo mpandainga.
Tafsir berbahasa Arab:
وَٱلۡخَٰمِسَةَ أَنَّ غَضَبَ ٱللَّهِ عَلَيۡهَآ إِن كَانَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Ary ny faha-dimy (amin’ny fijoroana vavolombelona) dia mianjera aminy (vehivavy) ny fahatezeran’I Allah, raha anisan’ireo mpilaza ny marina izy (lehilahy vadiny).
Tafsir berbahasa Arab:
وَلَوۡلَا فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ وَرَحۡمَتُهُۥ وَأَنَّ ٱللَّهَ تَوَّابٌ حَكِيمٌ
Ary raha tsy ny fahasoavan’I Allah sy ny indrafony aminareo (dia nofaiziny avy hatrany ianareo), ary marina fa I Allah dia Mpandray fibebahana sy be Fahendrena.
Tafsir berbahasa Arab:
إِنَّ ٱلَّذِينَ جَآءُو بِٱلۡإِفۡكِ عُصۡبَةٞ مِّنكُمۡۚ لَا تَحۡسَبُوهُ شَرّٗا لَّكُمۖ بَلۡ هُوَ خَيۡرٞ لَّكُمۡۚ لِكُلِّ ٱمۡرِيٕٖ مِّنۡهُم مَّا ٱكۡتَسَبَ مِنَ ٱلۡإِثۡمِۚ وَٱلَّذِي تَوَلَّىٰ كِبۡرَهُۥ مِنۡهُمۡ لَهُۥ عَذَابٌ عَظِيمٞ
Marina fa ireo izay tonga niaraka tamin’ny fanendrikendrehana dia andian’olona avy taminareo ihany. Aza mihevitra fa ratsy ho anareo izany, nefa tsara ho anareo kosa. Ny tsirairay amin’izy ireo dia samy tompon’andraikitra amin’ny fahotana vitany. Ary izay nandray anjara lehibe indrindra tamin’izy ireo dia ahazo famaizana goavana indrindra.
Tafsir berbahasa Arab:
لَّوۡلَآ إِذۡ سَمِعۡتُمُوهُ ظَنَّ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتُ بِأَنفُسِهِمۡ خَيۡرٗا وَقَالُواْ هَٰذَآ إِفۡكٞ مُّبِينٞ
Nahoana àry rehefa hainonareo izany (fanendrikendrehana), mba nieritreritra ny mpino lahy sy mpino vavy eritreritra tsara ho an’ny tenan’izy ireo ihany, ary niteny izy ireo hoe : “Izany dia fanendrikendrehana miharihary”.
Tafsir berbahasa Arab:
لَّوۡلَا جَآءُو عَلَيۡهِ بِأَرۡبَعَةِ شُهَدَآءَۚ فَإِذۡ لَمۡ يَأۡتُواْ بِٱلشُّهَدَآءِ فَأُوْلَٰٓئِكَ عِندَ ٱللَّهِ هُمُ ٱلۡكَٰذِبُونَ
Nahoana koa izy ireo no tsy nitondra vavolombelona efatra. Koa raha tsy nitondra ireo vavolombelona izy ireo, dia izy ireny no mpandainga eo anatrehan’I Allah.
Tafsir berbahasa Arab:
وَلَوۡلَا فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ وَرَحۡمَتُهُۥ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ لَمَسَّكُمۡ فِي مَآ أَفَضۡتُمۡ فِيهِ عَذَابٌ عَظِيمٌ
Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah aminareo sy ny famindram-pony eto an-tany sy any ankoatra, dia famaizana goavana no nihatra taminareo noho izany (fanendrikendrehana) naelinareo izany.
Tafsir berbahasa Arab:
إِذۡ تَلَقَّوۡنَهُۥ بِأَلۡسِنَتِكُمۡ وَتَقُولُونَ بِأَفۡوَاهِكُم مَّا لَيۡسَ لَكُم بِهِۦ عِلۡمٞ وَتَحۡسَبُونَهُۥ هَيِّنٗا وَهُوَ عِندَ ٱللَّهِ عَظِيمٞ
Raha nampiely tsaho avy amin’ny lelanareo ianareo, sy niteny tamin’ny vavanareo izay tsy anananareo fahalalana momba Azy. Ary nihevitra ianareo fa maivana izany, nefa goavana tokoa eo anatrehan’I Allah.
Tafsir berbahasa Arab:
وَلَوۡلَآ إِذۡ سَمِعۡتُمُوهُ قُلۡتُم مَّا يَكُونُ لَنَآ أَن نَّتَكَلَّمَ بِهَٰذَا سُبۡحَٰنَكَ هَٰذَا بُهۡتَٰنٌ عَظِيمٞ
Ary nahoana àry rehefa henonareo izany no tsy niteny ianareo hoe : “Tsy mendrika anay ny hilaza izany. Voninahitra ho Anao (Allah), tena fanendrikendrehana goavana izany".
Tafsir berbahasa Arab:
يَعِظُكُمُ ٱللَّهُ أَن تَعُودُواْ لِمِثۡلِهِۦٓ أَبَدًا إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ
Mananatra anareo I Allah mba tsy hiverenanareo amin’ny zavatra toy izany intsony, raha tena mpino tokoa ianareo.
Tafsir berbahasa Arab:
وَيُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمُ ٱلۡأٓيَٰتِۚ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٌ
Ary manazava aminareo ireo fanambaran'I Allah. Ary I Allah dia mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
Tafsir berbahasa Arab:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يُحِبُّونَ أَن تَشِيعَ ٱلۡفَٰحِشَةُ فِي ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِۚ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ وَأَنتُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ
Marina fa ireo izay tia manaparitaka ny fahavetavetana amin’ireo izay nino, ho an’izy ireo ny famaizana mangirifiry eto an-tany sy any ankoatra. I Allah dia mahafantatra fa ianareo kosa dia tsy mahafantatra.
Tafsir berbahasa Arab:
وَلَوۡلَا فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ وَرَحۡمَتُهُۥ وَأَنَّ ٱللَّهَ رَءُوفٞ رَّحِيمٞ
Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah aminareo sy ny famindram-pony. Ary marina fa I Allah dia be Fangoraham-po sy be Indrafo.
Tafsir berbahasa Arab:
۞ يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَتَّبِعُواْ خُطُوَٰتِ ٱلشَّيۡطَٰنِۚ وَمَن يَتَّبِعۡ خُطُوَٰتِ ٱلشَّيۡطَٰنِ فَإِنَّهُۥ يَأۡمُرُ بِٱلۡفَحۡشَآءِ وَٱلۡمُنكَرِۚ وَلَوۡلَا فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ وَرَحۡمَتُهُۥ مَا زَكَىٰ مِنكُم مِّنۡ أَحَدٍ أَبَدٗا وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ يُزَكِّي مَن يَشَآءُۗ وَٱللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٞ
Ô ianareo izay mino ! Aza manaraka ireo dian’ny satana ianareo. Ary n’iza n’iza manaraka ireo dian’ny satana, (fantaro fa) izy tokoa no mibaiko ho amin’ny fahavetavetana sy ny faharatsiana. Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah teo aminareo sy ny famindram-pony, dia tsy nisy nadio na dia iray aza taminareo. Kanefa Allah no manadio izay sitrany. Ary Allah dia tena Maheno sy tena Mahalala.
Tafsir berbahasa Arab:
وَلَا يَأۡتَلِ أُوْلُواْ ٱلۡفَضۡلِ مِنكُمۡ وَٱلسَّعَةِ أَن يُؤۡتُوٓاْ أُوْلِي ٱلۡقُرۡبَىٰ وَٱلۡمَسَٰكِينَ وَٱلۡمُهَٰجِرِينَ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِۖ وَلۡيَعۡفُواْ وَلۡيَصۡفَحُوٓاْۗ أَلَا تُحِبُّونَ أَن يَغۡفِرَ ٱللَّهُ لَكُمۡۚ وَٱللَّهُ غَفُورٞ رَّحِيمٌ
Ary aoka ireo manan-karena sy manan-katao eo aminareo mba tsy hianiana ny tsy hanao fanomezana intsony amin’ny havana akaiky, amin’ireo mahantra, sy amin’ireo mpifindra-monina amin’ny lalan’I Allah. Ary aoka izy ireo hamela heloka sy handefitra ! Moa ve tsy tianareo ny hamelan’I Allah ny helokareo ? Ary Allah no tena Mpamela heloka sy be Famindram-po.
Tafsir berbahasa Arab:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يَرۡمُونَ ٱلۡمُحۡصَنَٰتِ ٱلۡغَٰفِلَٰتِ ٱلۡمُؤۡمِنَٰتِ لُعِنُواْ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ وَلَهُمۡ عَذَابٌ عَظِيمٞ
Tena marina fa, ireo izay manendrikendrika ireo vehivavy tsara fitondran-tena, maotina (tsy manana eritreritra hanao fijangajangana) ary mpino, dia voaozona izy ireo eto an-tany sy any ankoatra. Ary ho azy ireo ny famaizana goavana.
Tafsir berbahasa Arab:
يَوۡمَ تَشۡهَدُ عَلَيۡهِمۡ أَلۡسِنَتُهُمۡ وَأَيۡدِيهِمۡ وَأَرۡجُلُهُم بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Amin’ny andro izay ny lelan’izy ireo sy ny tanan’izy ireo ary ny tongotr’izy ireo no hijoro vavolombelona hiampanga azy ireo amin’izay nataon’izy ireo.
Tafsir berbahasa Arab:
يَوۡمَئِذٖ يُوَفِّيهِمُ ٱللَّهُ دِينَهُمُ ٱلۡحَقَّ وَيَعۡلَمُونَ أَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡحَقُّ ٱلۡمُبِينُ
Amin’izany andro izany, Allah dia hanome azy ireo feno ny valin-kasasarany marina ary ho fantatr’izy ireo fa Allah no Ilay tena Marina miharihary.
Tafsir berbahasa Arab:
ٱلۡخَبِيثَٰتُ لِلۡخَبِيثِينَ وَٱلۡخَبِيثُونَ لِلۡخَبِيثَٰتِۖ وَٱلطَّيِّبَٰتُ لِلطَّيِّبِينَ وَٱلطَّيِّبُونَ لِلطَّيِّبَٰتِۚ أُوْلَٰٓئِكَ مُبَرَّءُونَ مِمَّا يَقُولُونَۖ لَهُم مَّغۡفِرَةٞ وَرِزۡقٞ كَرِيمٞ
Ireo vehivavy ratsy fitondran-tena dia ho an’ireo lehilahy ratsy fitondran-tena, ary ireo lehilahy ratsy fitondran-tena dia ho an’ireo vehivavy ratsy fitondran-tena. Ary ireo vehivavy tsara fitondran-tena dia ho an’ireo lehilahy tsara fitondran-tena, ary ireo lehilahy tsara fitondran-tena dia ho an’ireo vehivavy tsara fitondran-tena. Izy ireny dia tsy manan-tsiny amin’izay tenenin’ny sasany. Ho azy ireo ny famelan-keloka sy ny anjaram-pahasoavana mendrika.
Tafsir berbahasa Arab:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَدۡخُلُواْ بُيُوتًا غَيۡرَ بُيُوتِكُمۡ حَتَّىٰ تَسۡتَأۡنِسُواْ وَتُسَلِّمُواْ عَلَىٰٓ أَهۡلِهَاۚ ذَٰلِكُمۡ خَيۡرٞ لَّكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تَذَكَّرُونَ
Ô ianareo izay mino ! Aza miditra amin’ny trano ankoatr'ireo tranonareo ianareo, raha tsy efa nangataka alàlana, ary miarahaba ireo monina ao. Izany dia tsara ho anareo. Angamba hahatsiaro tena ianareo.
Tafsir berbahasa Arab:
فَإِن لَّمۡ تَجِدُواْ فِيهَآ أَحَدٗا فَلَا تَدۡخُلُوهَا حَتَّىٰ يُؤۡذَنَ لَكُمۡۖ وَإِن قِيلَ لَكُمُ ٱرۡجِعُواْ فَٱرۡجِعُواْۖ هُوَ أَزۡكَىٰ لَكُمۡۚ وَٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ عَلِيمٞ
Fa raha tsy mahita olona ao ianareo, dia aza miditra ao mandra-pahazoanareo alàlana. Ary raha tenenina ianareo hoe : “Miverena" Dia aoka hiverina ianareo, Izany no tena madio ho anareo. Ary Allah dia tena mahalala izay rehetra ataonareo.
Tafsir berbahasa Arab:
لَّيۡسَ عَلَيۡكُمۡ جُنَاحٌ أَن تَدۡخُلُواْ بُيُوتًا غَيۡرَ مَسۡكُونَةٖ فِيهَا مَتَٰعٞ لَّكُمۡۚ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ مَا تُبۡدُونَ وَمَا تَكۡتُمُونَ
Tsy voakiana kosa ianareo raha miditra ao amin’ireo trano tsy misy mipetraka raha misy zava-tsoa ho anareo ao. Ary Allah dia mahalala izay abaribarinareo sy izay afeninareo.
Tafsir berbahasa Arab:
قُل لِّلۡمُؤۡمِنِينَ يَغُضُّواْ مِنۡ أَبۡصَٰرِهِمۡ وَيَحۡفَظُواْ فُرُوجَهُمۡۚ ذَٰلِكَ أَزۡكَىٰ لَهُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ خَبِيرُۢ بِمَا يَصۡنَعُونَ
Ary teneno amin’ireo lehilahy mpino mba hampiondrika ny fijerin'izy ireo sy hitahiry ny fahadiovam-pitondran-tenany, fa izany no madio kokoa ho azy ireo. Marina fa Allah dia mahalàla tanteraka izay rehetra ataon’izy ireo.
Tafsir berbahasa Arab:
وَقُل لِّلۡمُؤۡمِنَٰتِ يَغۡضُضۡنَ مِنۡ أَبۡصَٰرِهِنَّ وَيَحۡفَظۡنَ فُرُوجَهُنَّ وَلَا يُبۡدِينَ زِينَتَهُنَّ إِلَّا مَا ظَهَرَ مِنۡهَاۖ وَلۡيَضۡرِبۡنَ بِخُمُرِهِنَّ عَلَىٰ جُيُوبِهِنَّۖ وَلَا يُبۡدِينَ زِينَتَهُنَّ إِلَّا لِبُعُولَتِهِنَّ أَوۡ ءَابَآئِهِنَّ أَوۡ ءَابَآءِ بُعُولَتِهِنَّ أَوۡ أَبۡنَآئِهِنَّ أَوۡ أَبۡنَآءِ بُعُولَتِهِنَّ أَوۡ إِخۡوَٰنِهِنَّ أَوۡ بَنِيٓ إِخۡوَٰنِهِنَّ أَوۡ بَنِيٓ أَخَوَٰتِهِنَّ أَوۡ نِسَآئِهِنَّ أَوۡ مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُنَّ أَوِ ٱلتَّٰبِعِينَ غَيۡرِ أُوْلِي ٱلۡإِرۡبَةِ مِنَ ٱلرِّجَالِ أَوِ ٱلطِّفۡلِ ٱلَّذِينَ لَمۡ يَظۡهَرُواْ عَلَىٰ عَوۡرَٰتِ ٱلنِّسَآءِۖ وَلَا يَضۡرِبۡنَ بِأَرۡجُلِهِنَّ لِيُعۡلَمَ مَا يُخۡفِينَ مِن زِينَتِهِنَّۚ وَتُوبُوٓاْ إِلَى ٱللَّهِ جَمِيعًا أَيُّهَ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ لَعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ
Ary teneno amin’ireo vehivavy mpino mba hampiondrika ny fijerin’izy ireo sy hitahiry ny fahadiovam-pitondran-tenany, ary tsy haneho ny haingony afa-tsy izay miseho amin’izany, ary aoka izy ireo hampidina ny lamba fisalorany eo amin’ny tratrany. Ary tsy haneho ny haingon’izy ireo afa-tsy amin’ny vadin’izy ireo, na amin’ny rain’izy ireo, na amin’ireo rafozan-dahin’izy ireo, na amin’ny zanak’izy ireo, na amin’ny zana-badin’izy ireo, na amin’ny anadahin’izy ireo, na amin’ny zanak’anadahin’izy ireo, na amin’ny zana-drahavavin’izy ireo, na amin’ireo vehivavy mpino silamo, na amin’ireo mpanompo eo am-pelatànan’izy ireo, na amin’ireo mpiasa lahy ao an-trano, tsy manana hery (hanao firaisana), na amin’ireo zazalahy (tsy ampy taona) mbola tsy mahafantatra ny henatry ny vehivavy. Ary aoka izy ireo tsy hanakapoka ny tongony amim-pamindràna ka ahafantarana izay afeniny amin’ireo haingony, ary mibebaha ianareo rehetra eo anatrehan’I Allah ry mpino ! Angamba hahazo fahombiazana ianareo.
Tafsir berbahasa Arab:
وَأَنكِحُواْ ٱلۡأَيَٰمَىٰ مِنكُمۡ وَٱلصَّٰلِحِينَ مِنۡ عِبَادِكُمۡ وَإِمَآئِكُمۡۚ إِن يَكُونُواْ فُقَرَآءَ يُغۡنِهِمُ ٱللَّهُ مِن فَضۡلِهِۦۗ وَٱللَّهُ وَٰسِعٌ عَلِيمٞ
Ary ampanambadio ireo tsy manambady aminareo, sy ireo mendrika amin’ireo andevonareo lahy sy vavy. Raha mahantra izy ireo, dia Allah no hampanan-karena azy ireo nohon'ny fahasoavany. Ary Allah dia manerana sy tena mahalala.
Tafsir berbahasa Arab:
وَلۡيَسۡتَعۡفِفِ ٱلَّذِينَ لَا يَجِدُونَ نِكَاحًا حَتَّىٰ يُغۡنِيَهُمُ ٱللَّهُ مِن فَضۡلِهِۦۗ وَٱلَّذِينَ يَبۡتَغُونَ ٱلۡكِتَٰبَ مِمَّا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُكُمۡ فَكَاتِبُوهُمۡ إِنۡ عَلِمۡتُمۡ فِيهِمۡ خَيۡرٗاۖ وَءَاتُوهُم مِّن مَّالِ ٱللَّهِ ٱلَّذِيٓ ءَاتَىٰكُمۡۚ وَلَا تُكۡرِهُواْ فَتَيَٰتِكُمۡ عَلَى ٱلۡبِغَآءِ إِنۡ أَرَدۡنَ تَحَصُّنٗا لِّتَبۡتَغُواْ عَرَضَ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۚ وَمَن يُكۡرِههُّنَّ فَإِنَّ ٱللَّهَ مِنۢ بَعۡدِ إِكۡرَٰهِهِنَّ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ary aoka hijanona amin’ny fahadiovam-pitondran-tenany ireo izay tsy misy ny ho enti-manana hanambadiany, mandra-panomezan’I Allah azy ireo ny fahasoavany. Ary ireo izay mangataka fifanekem-panafahana, amin’ireo andevonareo, dia manaova fifanarahana amin’izy ireo ianareo, raha fantatrareo fa misy hatsarana amin’izy ireo. Ary hanomezanareo amin’ny haren’I Allah izay nomeny anareo izy ireo. Ary aoka ianareo tsy hanery ireo andevovavinareo amin’ny fijangajangana, raha toa ka mila fitondran-tena madio izy ireo, mba hitadiavanareo tombontsoa amin’ny fiainana eto an-tany. Ary na iza na iza manery azy ireo, tena marina fa Allah, taorian’ny fanerena azy ireo, dia be famelan-keloka sy be indrafo.
Tafsir berbahasa Arab:
وَلَقَدۡ أَنزَلۡنَآ إِلَيۡكُمۡ ءَايَٰتٖ مُّبَيِّنَٰتٖ وَمَثَلٗا مِّنَ ٱلَّذِينَ خَلَوۡاْ مِن قَبۡلِكُمۡ وَمَوۡعِظَةٗ لِّلۡمُتَّقِينَ
Ary tena efa nampidininay taminareo ireo famantarana mazava, sy ny fanoharana momba ireo teo alohanareo, ary fananarana ho an’ireo manam-patahorana.
Tafsir berbahasa Arab:
۞ ٱللَّهُ نُورُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ مَثَلُ نُورِهِۦ كَمِشۡكَوٰةٖ فِيهَا مِصۡبَاحٌۖ ٱلۡمِصۡبَاحُ فِي زُجَاجَةٍۖ ٱلزُّجَاجَةُ كَأَنَّهَا كَوۡكَبٞ دُرِّيّٞ يُوقَدُ مِن شَجَرَةٖ مُّبَٰرَكَةٖ زَيۡتُونَةٖ لَّا شَرۡقِيَّةٖ وَلَا غَرۡبِيَّةٖ يَكَادُ زَيۡتُهَا يُضِيٓءُ وَلَوۡ لَمۡ تَمۡسَسۡهُ نَارٞۚ نُّورٌ عَلَىٰ نُورٖۚ يَهۡدِي ٱللَّهُ لِنُورِهِۦ مَن يَشَآءُۚ وَيَضۡرِبُ ٱللَّهُ ٱلۡأَمۡثَٰلَ لِلنَّاسِۗ وَٱللَّهُ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٞ
Allah no fahazavan’ireo lanitra sy ny tany. Ny fahazavany dia mitovy amin’ny lavaka amin’ny vatan-drindrina izay misy jiro, ny jiro dia ao anatin’ny fitaratra, ary ny fitaratra dia tahaka ny kintana tena mamirapiratra mirehitra avy amin’ny hazo feno fahasoavana : hazon’oliva, sady tsy avy any antsinanana no tsy avy any andrefana, ka ny menaka avy aminy dia toa manazava, na dia tsy nokasihan’ny afo aza. Hazavana ambonin’ny hazavana. Allah dia mitari-dalana izay sitrany mankany amin’ny hazavany. I Allah dia manome ireo fanoharana ho an’ny olombelona. Ary mahalala ny zava-drehetra I Allah.
Tafsir berbahasa Arab:
فِي بُيُوتٍ أَذِنَ ٱللَّهُ أَن تُرۡفَعَ وَيُذۡكَرَ فِيهَا ٱسۡمُهُۥ يُسَبِّحُ لَهُۥ فِيهَا بِٱلۡغُدُوِّ وَٱلۡأٓصَالِ
Ao anatin’ireo trano (Masjid) izay nanomezan’i Tompo Allah alalana mba hajoro avo dia avo sy ho tsarovina ao anatin'ny Anarany.Mankalaza ny voninahiny vao maraina sy hariva,
Tafsir berbahasa Arab:
رِجَالٞ لَّا تُلۡهِيهِمۡ تِجَٰرَةٞ وَلَا بَيۡعٌ عَن ذِكۡرِ ٱللَّهِ وَإِقَامِ ٱلصَّلَوٰةِ وَإِيتَآءِ ٱلزَّكَوٰةِ يَخَافُونَ يَوۡمٗا تَتَقَلَّبُ فِيهِ ٱلۡقُلُوبُ وَٱلۡأَبۡصَٰرُ
Ireo lehilahy izay tsy mahavariana azy ireo, na ny varotra na ny fifanakalozana, ny amin’ny fahatsiarovana an’I Allah sy ny fananganana ny soalat (vavaka), ary ny fanomezana ny zakat (harena fiantrana). Matahotra izy ireo ny amin’ny andro iray izay hivadibadihan’ny fo sy ny fijery.
Tafsir berbahasa Arab:
لِيَجۡزِيَهُمُ ٱللَّهُ أَحۡسَنَ مَا عَمِلُواْ وَيَزِيدَهُم مِّن فَضۡلِهِۦۗ وَٱللَّهُ يَرۡزُقُ مَن يَشَآءُ بِغَيۡرِ حِسَابٖ
Mba hanomezan’I Allah azy ireo ny valisoa mendrika indrindra amin’izay (asa tsara) nataon’izy ireo, ary hampitomboany amin’izy ireo ny fahasoavany. Ary I Allah dia manome anjaram-pahasoavana (riziky) tsy tambo isaina ho an’izay sitrany.
Tafsir berbahasa Arab:
وَٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَعۡمَٰلُهُمۡ كَسَرَابِۭ بِقِيعَةٖ يَحۡسَبُهُ ٱلظَّمۡـَٔانُ مَآءً حَتَّىٰٓ إِذَا جَآءَهُۥ لَمۡ يَجِدۡهُ شَيۡـٔٗا وَوَجَدَ ٱللَّهَ عِندَهُۥ فَوَفَّىٰهُ حِسَابَهُۥۗ وَٱللَّهُ سَرِيعُ ٱلۡحِسَابِ
Ary ireo izay tsy mino kosa, ny asan’izy ireo dia tahaka ny rendrarendra (mamita-maso) amin’ny tany karakaina izay heverin’ny olona mangetaheta ho rano, kanefa raha tonga eo izy dia tsy mahita na inona na inona, fa Allah kosa no eo anatrehany, izay hanome azy tanteraka ny valin’asany, ary Allah dia haingam-panisa.
Tafsir berbahasa Arab:
أَوۡ كَظُلُمَٰتٖ فِي بَحۡرٖ لُّجِّيّٖ يَغۡشَىٰهُ مَوۡجٞ مِّن فَوۡقِهِۦ مَوۡجٞ مِّن فَوۡقِهِۦ سَحَابٞۚ ظُلُمَٰتُۢ بَعۡضُهَا فَوۡقَ بَعۡضٍ إِذَآ أَخۡرَجَ يَدَهُۥ لَمۡ يَكَدۡ يَرَىٰهَاۗ وَمَن لَّمۡ يَجۡعَلِ ٱللَّهُ لَهُۥ نُورٗا فَمَا لَهُۥ مِن نُّورٍ
Na koa tahaka ny haizim-be ao anatin’ny ranomasina lalina, mandrakotra azy ny onja maro, izay miavovona eo ambonin'ny onja (hafa), izay rakotry ny rahona eo amboniny. Haizina mifanaingina, ny sasany ambonin’ny sasany, raha havoakany ny tanany dia mila tsy ho tazany izany. Ary izay tsy nomen’I Allah hazavana dia tsy hanana hazavana mihitsy.
Tafsir berbahasa Arab:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ يُسَبِّحُ لَهُۥ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَٱلطَّيۡرُ صَٰٓفَّٰتٖۖ كُلّٞ قَدۡ عَلِمَ صَلَاتَهُۥ وَتَسۡبِيحَهُۥۗ وَٱللَّهُ عَلِيمُۢ بِمَا يَفۡعَلُونَ
Moa ve tsy hitanao fa mankalaza an’I Allah izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany, ary koa ireo vorona mikopak’elatra? Ny tsirairay dia efa mahafantatra ny fomba fivavahana Aminy sy ny fiderana Azy. Ary I Allah dia tena mahalala izay rehetra ataon’izy ireo.
Tafsir berbahasa Arab:
وَلِلَّهِ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ وَإِلَى ٱللَّهِ ٱلۡمَصِيرُ
Ary ho an’I Allah ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany, ary any amin’I Allah ny fiverenana farany.
Tafsir berbahasa Arab:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ يُزۡجِي سَحَابٗا ثُمَّ يُؤَلِّفُ بَيۡنَهُۥ ثُمَّ يَجۡعَلُهُۥ رُكَامٗا فَتَرَى ٱلۡوَدۡقَ يَخۡرُجُ مِنۡ خِلَٰلِهِۦ وَيُنَزِّلُ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مِن جِبَالٖ فِيهَا مِنۢ بَرَدٖ فَيُصِيبُ بِهِۦ مَن يَشَآءُ وَيَصۡرِفُهُۥ عَن مَّن يَشَآءُۖ يَكَادُ سَنَا بَرۡقِهِۦ يَذۡهَبُ بِٱلۡأَبۡصَٰرِ
Moa ve tsy hitanao fa I Allah tokoa no manosika ireo rahona ? Avy eo avondrony izy ireo, ary ataony ho vondron-draho-mainty mitatao, ka hitanao ny orana mivoaka eo anelanelany. Ary Izy no mampidina avy amin’ny lanitra ny avandra, avy amin’ny vondron-drahona mitovy amin’ny tendrombohitra, ka arotsany amin’izay tiany izany ary halaviriny amin’izay tiany koa, mila hanala mihitsy ny fahitana ny fahazavan’ny tsela-barany.
Tafsir berbahasa Arab:
يُقَلِّبُ ٱللَّهُ ٱلَّيۡلَ وَٱلنَّهَارَۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَعِبۡرَةٗ لِّأُوْلِي ٱلۡأَبۡصَٰرِ
Mampifandimby ny alina sy ny andro I Allah. Tena marina fa amin’izany dia misy ny fisintonan-tsaina handinika ho an’ireo izay manam-paharetana.
Tafsir berbahasa Arab:
وَٱللَّهُ خَلَقَ كُلَّ دَآبَّةٖ مِّن مَّآءٖۖ فَمِنۡهُم مَّن يَمۡشِي عَلَىٰ بَطۡنِهِۦ وَمِنۡهُم مَّن يَمۡشِي عَلَىٰ رِجۡلَيۡنِ وَمِنۡهُم مَّن يَمۡشِي عَلَىٰٓ أَرۡبَعٖۚ يَخۡلُقُ ٱللَّهُ مَا يَشَآءُۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Ary I Allah dia nahary ny biby rehetra avy amin’ny rano, ka misy amin’izy ireny no mikisaka amin’ny kibony, ny hafa dia mandeha amin’ny tongotra roa, ary misy ihany koa mandeha amin’ny tongotra efatra. Ary I Allah dia nahary izay sitrany, ary marina fa I Allah dia mahefa ny zava-drehetra.
Tafsir berbahasa Arab:
لَّقَدۡ أَنزَلۡنَآ ءَايَٰتٖ مُّبَيِّنَٰتٖۚ وَٱللَّهُ يَهۡدِي مَن يَشَآءُ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Efa nampidininay tokoa ireo fanambarana mazava, ary I Allah dia mitari-dalana izay sitrany mankany amin’ny lalana mahitsy.
Tafsir berbahasa Arab:
وَيَقُولُونَ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَبِٱلرَّسُولِ وَأَطَعۡنَا ثُمَّ يَتَوَلَّىٰ فَرِيقٞ مِّنۡهُم مِّنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَۚ وَمَآ أُوْلَٰٓئِكَ بِٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ary niteny izy ireo hoe : “Mino an’I Allah sy ny Irany izahay, ary mankato Azy”. Ary taorian’izany, nisy andiany iray tamin’izy ireo nitodi-damosina (nivadika), izy ireny dia tsy mba mpino mihitsy.
Tafsir berbahasa Arab:
وَإِذَا دُعُوٓاْ إِلَى ٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ لِيَحۡكُمَ بَيۡنَهُمۡ إِذَا فَرِيقٞ مِّنۡهُم مُّعۡرِضُونَ
Ary raha antsoina mankany amin’I Allah sy ny Irany izy ireo mba hitsarany azy ireo, dia indro misy andiany tamin’izy ireo manohitra izany tanteraka.
Tafsir berbahasa Arab:
وَإِن يَكُن لَّهُمُ ٱلۡحَقُّ يَأۡتُوٓاْ إِلَيۡهِ مُذۡعِنِينَ
Nefa raha nanana ny fahamarinana izy ireo, dia tonga teo Aminy izy ireo amim-panetren-tena.
Tafsir berbahasa Arab:
أَفِي قُلُوبِهِم مَّرَضٌ أَمِ ٱرۡتَابُوٓاْ أَمۡ يَخَافُونَ أَن يَحِيفَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِمۡ وَرَسُولُهُۥۚ بَلۡ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Moa ve misy aretina ao am-pon’izy ireo ? Na miahiahy izy ireo, ka matahotra sao hitongilana amin’izy ireo (ny fitsaran)I Allah sy ny Irany ? Tsia ! Fa izy ireny no mpanao ny tsy rariny.
Tafsir berbahasa Arab:
إِنَّمَا كَانَ قَوۡلَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ إِذَا دُعُوٓاْ إِلَى ٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ لِيَحۡكُمَ بَيۡنَهُمۡ أَن يَقُولُواْ سَمِعۡنَا وَأَطَعۡنَاۚ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ
Ny teny tokan’ireo mpino, raha antsoina mankany amin’I Allah sy ny Irany, mba hitsarany azy ireo dia ny hoe : “ Henonay sy ankatoavinay ”, izy ireny no hahazo fahombiazana.
Tafsir berbahasa Arab:
وَمَن يُطِعِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ وَيَخۡشَ ٱللَّهَ وَيَتَّقۡهِ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡفَآئِزُونَ
Ary na iza na iza mankato an’I Allah sy ny Irany, ary manetry tena amin’I Allah sy matahotra Azy, dia izy ireny no hahazo fahasambarana.
Tafsir berbahasa Arab:
۞ وَأَقۡسَمُواْ بِٱللَّهِ جَهۡدَ أَيۡمَٰنِهِمۡ لَئِنۡ أَمَرۡتَهُمۡ لَيَخۡرُجُنَّۖ قُل لَّا تُقۡسِمُواْۖ طَاعَةٞ مَّعۡرُوفَةٌۚ إِنَّ ٱللَّهَ خَبِيرُۢ بِمَا تَعۡمَلُونَ
Ary mianiana amin’I Allah izy ireo amin’ny fianianana manetriketrika, fa raha mandidy azy ireo ianao, dia hivoaka tokoa izy ireo (amin’ny ady), dia teneno hoe : “Koa aza mianiana àry ianareo, (efa fantatray tsara) ny fankatoavanareo (am-bava), fa tena mahalala tsara izay ataonareo I Allah”.
Tafsir berbahasa Arab:
قُلۡ أَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُواْ ٱلرَّسُولَۖ فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنَّمَا عَلَيۡهِ مَا حُمِّلَ وَعَلَيۡكُم مَّا حُمِّلۡتُمۡۖ وَإِن تُطِيعُوهُ تَهۡتَدُواْۚ وَمَا عَلَى ٱلرَّسُولِ إِلَّا ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ
Teneno hoe : “Ankatoavinareo I Allah, ary ankatoavinareo koa ny Irany, raha mitodi-damosina izy ireo, dia tsy tompon’andraikitra izy afa-tsy izay nankinina taminy, ary ianareo dia tsy tompon’andraikitra afa-tsy izay nankinina taminareo. Ary raha mankato azy ianareo, dia voatarika (tsara) ianareo”. Tsy inona akory ny (andraikitra) ny Iraka afa-tsy ny fampielezana tena mazava tsara (ny hafatra).
Tafsir berbahasa Arab:
وَعَدَ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مِنكُمۡ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَيَسۡتَخۡلِفَنَّهُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ كَمَا ٱسۡتَخۡلَفَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ وَلَيُمَكِّنَنَّ لَهُمۡ دِينَهُمُ ٱلَّذِي ٱرۡتَضَىٰ لَهُمۡ وَلَيُبَدِّلَنَّهُم مِّنۢ بَعۡدِ خَوۡفِهِمۡ أَمۡنٗاۚ يَعۡبُدُونَنِي لَا يُشۡرِكُونَ بِي شَيۡـٔٗاۚ وَمَن كَفَرَ بَعۡدَ ذَٰلِكَ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ
Ary I Allah dia nampanantena ireo izay nino aminareo sy nanao ireo asa soa, fa omeny azy ireo ny fifandimbiasana eto ambonin’ny tany, tahaka ny nanomezany izany ireo talohan’izy ireo, omeny hery sy fahamboniana ny finoan’izy ireo izay nankasitrahiny ho azy ireo. Ary tena ho soloiny ho azy ireo ny fatahorany teo taloha ho fitoniana, manompo Ahy izy ireo ary tsy manankambana Ahy amin’ny zavatra hafa, ary izay tsy mino aorian’izany, izy ireny no tena mpanao ratsy.
Tafsir berbahasa Arab:
وَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ وَأَطِيعُواْ ٱلرَّسُولَ لَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ
Tanterahanareo ny soalat (vavaka), omenareo ny zakat (harena fiantrana), ary ankatoavinareo ny Iraka. Angamba ianareo ahazo ny famindram-po.
Tafsir berbahasa Arab:
لَا تَحۡسَبَنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مُعۡجِزِينَ فِي ٱلۡأَرۡضِۚ وَمَأۡوَىٰهُمُ ٱلنَّارُۖ وَلَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ
Aza mihevitra ianao fa ireo izay tsy mino dia afaka hanohitra ny fahefan’I Allah eto an-tany, ny toeram-pialofan’izy ireo dia ny afo be, fiafarana ratsy tokoa Izany.
Tafsir berbahasa Arab:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لِيَسۡتَـٔۡذِنكُمُ ٱلَّذِينَ مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُكُمۡ وَٱلَّذِينَ لَمۡ يَبۡلُغُواْ ٱلۡحُلُمَ مِنكُمۡ ثَلَٰثَ مَرَّٰتٖۚ مِّن قَبۡلِ صَلَوٰةِ ٱلۡفَجۡرِ وَحِينَ تَضَعُونَ ثِيَابَكُم مِّنَ ٱلظَّهِيرَةِ وَمِنۢ بَعۡدِ صَلَوٰةِ ٱلۡعِشَآءِۚ ثَلَٰثُ عَوۡرَٰتٖ لَّكُمۡۚ لَيۡسَ عَلَيۡكُمۡ وَلَا عَلَيۡهِمۡ جُنَاحُۢ بَعۡدَهُنَّۚ طَوَّٰفُونَ عَلَيۡكُم بَعۡضُكُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖۚ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمُ ٱلۡأٓيَٰتِۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٞ
Ô ianareo izay nino ! Aoka hangata-dalana alohany hidirany aminareo, ireo andevonareo, ary koa ireo mbola tsy ampy taona aminareo amin’ny fotoana telo : alohan’ny vavaka maraina (soalat fadjr), amin’ny atoandro mitatao vovonana raha manala ny fitafinareo ianareo (soalat dhohr), ary aorian’ny vavaka amin’ny alina (soalat Incha); vanim-potoana telo mba hialanareo fitafiana, tsy misy tsiny na ho anareo na ho azy ireo aorian’ireo fotoana ireo, afaka mifanerasera ny andaniny sy ny ankilany aminareo. Toy izany no amelabelaran’I Allah aminareo ireo fanambarany. Fa I Allah dia mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
Tafsir berbahasa Arab:
وَإِذَا بَلَغَ ٱلۡأَطۡفَٰلُ مِنكُمُ ٱلۡحُلُمَ فَلۡيَسۡتَـٔۡذِنُواْ كَمَا ٱسۡتَـٔۡذَنَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۚ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمۡ ءَايَٰتِهِۦۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٞ
Ary raha ampy taona ireo ankizy aminareo, dia aoka izy ireo hangataka alalana mialohan’ny hidirany, tahaka ny nangatahan’ireo izay teo alohany alalana. Toy izany no amelabelaran’I Allah mazava tsara aminareo ireo fanambarany. Fa I Allah dia mahalala ny zava-drehetra sy be fahendrena.
Tafsir berbahasa Arab:
وَٱلۡقَوَٰعِدُ مِنَ ٱلنِّسَآءِ ٱلَّٰتِي لَا يَرۡجُونَ نِكَاحٗا فَلَيۡسَ عَلَيۡهِنَّ جُنَاحٌ أَن يَضَعۡنَ ثِيَابَهُنَّ غَيۡرَ مُتَبَرِّجَٰتِۭ بِزِينَةٖۖ وَأَن يَسۡتَعۡفِفۡنَ خَيۡرٞ لَّهُنَّۗ وَٱللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٞ
Ho an’ireo vehivavy izay tsy afaka miteraka intsony, ka tsy manantena fanambadiana dia tsy misy tsiny ho azy ireo ny mametraka ireo fitafiny (fitondra ivelany), nefa tsy mampiseho kosa ny haingony, raha mitady fahamaontinana izy ireo dia tsara kokoa ho azy ireo izany. Ary Allah dia maheno sy mahalala ny zava-drehetra.
Tafsir berbahasa Arab:
لَّيۡسَ عَلَى ٱلۡأَعۡمَىٰ حَرَجٞ وَلَا عَلَى ٱلۡأَعۡرَجِ حَرَجٞ وَلَا عَلَى ٱلۡمَرِيضِ حَرَجٞ وَلَا عَلَىٰٓ أَنفُسِكُمۡ أَن تَأۡكُلُواْ مِنۢ بُيُوتِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ ءَابَآئِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ أُمَّهَٰتِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ إِخۡوَٰنِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ أَخَوَٰتِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ أَعۡمَٰمِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ عَمَّٰتِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ أَخۡوَٰلِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ خَٰلَٰتِكُمۡ أَوۡ مَا مَلَكۡتُم مَّفَاتِحَهُۥٓ أَوۡ صَدِيقِكُمۡۚ لَيۡسَ عَلَيۡكُمۡ جُنَاحٌ أَن تَأۡكُلُواْ جَمِيعًا أَوۡ أَشۡتَاتٗاۚ فَإِذَا دَخَلۡتُم بُيُوتٗا فَسَلِّمُواْ عَلَىٰٓ أَنفُسِكُمۡ تَحِيَّةٗ مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِ مُبَٰرَكَةٗ طَيِّبَةٗۚ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمُ ٱلۡأٓيَٰتِ لَعَلَّكُمۡ تَعۡقِلُونَ
Tsy misy tsiny ho an’ny jamba, na ho an’ny kilemaina, ho an’ny marary, ary koa ho an’ny tenanareo ny mihinana ao an-tranonareo, na ao an-tranon’ireo rainareo na ao an-tranon’ireo reninareo, na ao an-tranon’ireo rahalahinareo, na ao an-tranon’ny anabavinareo, na ao an-tranon’ireo rahalahin-drainareo na ao an-tranon’ireo anabavin-drainareo, na ao an-tranon’ny anadahin-dreninareo, na ao an-tranon’ny rahavavin-dreninareo, na amin’izay anananareo fanalahidy, na amin’ireo sakaizanareo. Tsy misy tsiny ho anareo ihany koa ny miara-mihinana na misaratsaraka. Koa raha miditra an-trano ianareo, dia aoka hifampiarahaba amin’ny fiarahabana avy amin’I Allah feno hasoavana sy tsara, toy izany no amelabelaran’I Allah mazava tsara aminareo ireo fanambarany, angamba hisaina ianareo.
Tafsir berbahasa Arab:
إِنَّمَا ٱلۡمُؤۡمِنُونَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ وَإِذَا كَانُواْ مَعَهُۥ عَلَىٰٓ أَمۡرٖ جَامِعٖ لَّمۡ يَذۡهَبُواْ حَتَّىٰ يَسۡتَـٔۡذِنُوهُۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ يَسۡتَـٔۡذِنُونَكَ أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ يُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦۚ فَإِذَا ٱسۡتَـٔۡذَنُوكَ لِبَعۡضِ شَأۡنِهِمۡ فَأۡذَن لِّمَن شِئۡتَ مِنۡهُمۡ وَٱسۡتَغۡفِرۡ لَهُمُ ٱللَّهَۚ إِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ireo tena mpino marina dia izay mino an’I Allah sy ny Irany, ary rehefa miaraka aminy amin’ny raharaha ahazoana tombontsoa iombonana izy ireo, dia tsy mba mandeha mihitsy izy ireo raha tsy mangata-dalana aminy, marina fa ireo izay mangataka alalana aminao, dia izy ireny no mino an’I Allah sy ny Irany, ka raha mangataka alalana aminao izy ireo ho an’ny raharahan’izy ireo manokana, dia omeo alalana ho an’izay sitrakao amin’izy ireo, ary mangataha famelan-keloka amin’I Allah ho an’izy ireo ianao. Marina fa I Allah dia be famelan-keloka sy be indrafo.
Tafsir berbahasa Arab:
لَّا تَجۡعَلُواْ دُعَآءَ ٱلرَّسُولِ بَيۡنَكُمۡ كَدُعَآءِ بَعۡضِكُم بَعۡضٗاۚ قَدۡ يَعۡلَمُ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ يَتَسَلَّلُونَ مِنكُمۡ لِوَاذٗاۚ فَلۡيَحۡذَرِ ٱلَّذِينَ يُخَالِفُونَ عَنۡ أَمۡرِهِۦٓ أَن تُصِيبَهُمۡ فِتۡنَةٌ أَوۡ يُصِيبَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ
Aza ataonareo ny fiantsoana ilay Iraka eo aminareo, ho tahaka ny fiantsoana izay ataonareo samy ianareo. Tena fantatr’I Allah ireo izay mitsoaka an-daharana miafina aminareo. Ary aoka hitandrina ireo izay manohitra ny Baikony, sao ho voan’ny fitsapana izy ireo, na hiharan’ny famaizana mangirifiry.
Tafsir berbahasa Arab:
أَلَآ إِنَّ لِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ قَدۡ يَعۡلَمُ مَآ أَنتُمۡ عَلَيۡهِ وَيَوۡمَ يُرۡجَعُونَ إِلَيۡهِ فَيُنَبِّئُهُم بِمَا عَمِلُواْۗ وَٱللَّهُ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمُۢ
Tena marina fa an’I Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy eto an-tany. Mahalala tanteraka ny momba anareo Izy, ary amin’ny andro hamerenana azy ireo any Aminy, dia ampahafantariny azy ireo izay rehetra nataony, ary Allah dia tena mahalala ny zava-drehetra.
Tafsir berbahasa Arab:
 
Terjemahan makna Surah: An-Nūr
Daftar surah Nomor Halaman
 
Terjemahan makna Alquran Alkarim - الترجمة المالاغاشية - رواد - Daftar isi terjemahan

ترجمة معاني القرآن الكريم إلى اللغة المالاغاشية ترجمها فريق مركز رواد الترجمة بالتعاون مع إسلام هاوس IslamHouse.com.

Tutup