Check out the new design

Terjemahan makna Alquran Alkarim - Terjemahan Berbahasa Malagasi - Pusat Terjemah Ruwwād * - Daftar isi terjemahan


Terjemahan makna Surah: Al-Qaṣaṣ   Ayah:
إِنَّ ٱلَّذِي فَرَضَ عَلَيۡكَ ٱلۡقُرۡءَانَ لَرَآدُّكَ إِلَىٰ مَعَادٖۚ قُل رَّبِّيٓ أَعۡلَمُ مَن جَآءَ بِٱلۡهُدَىٰ وَمَنۡ هُوَ فِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٖ
Tena marina fa Ilay nandidy taminao ny Koroany dia tena hamerina anao amin’ny toerana (izay irinao) hiverenana. Lazao hoe : “Ny Tompoko no tena mahalala izay tonga miaraka amin’ny tari-dalana sy izay ao anatin’ny fahaverezana mibaribary”.
Tafsir berbahasa Arab:
وَمَا كُنتَ تَرۡجُوٓاْ أَن يُلۡقَىٰٓ إِلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبُ إِلَّا رَحۡمَةٗ مِّن رَّبِّكَۖ فَلَا تَكُونَنَّ ظَهِيرٗا لِّلۡكَٰفِرِينَ
Ary tsy nanantena mihitsy ianao fa ny Boky dia halefa aminao; raha tsy nohon'ny famindram-po avy amin’ny Tomponao. Ka aoka àry ianao tsy ho mpanohana mihitsy ireo tsy mpino.
Tafsir berbahasa Arab:
وَلَا يَصُدُّنَّكَ عَنۡ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ بَعۡدَ إِذۡ أُنزِلَتۡ إِلَيۡكَۖ وَٱدۡعُ إِلَىٰ رَبِّكَۖ وَلَا تَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ
Ary aoka tsy hanakana anao izy ireo amin’ireo fanambaran’I Allah rehefa nampidinina taminao izany. Ary miantsoa (ny vahoaka) mankany amin’ny Tomponao ianao, ary aoka ianao tsy ho anisan’ireo mpanompo sampy mihitsy.
Tafsir berbahasa Arab:
وَلَا تَدۡعُ مَعَ ٱللَّهِ إِلَٰهًا ءَاخَرَۘ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۚ كُلُّ شَيۡءٍ هَالِكٌ إِلَّا وَجۡهَهُۥۚ لَهُ ٱلۡحُكۡمُ وَإِلَيۡهِ تُرۡجَعُونَ
Ary aza miantso zanahary hafa miaraka amin’I Allah mihitsy ianao. Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Ny zava-drehetra dia ho ringana afa-tsy ny Tavany (Tavan’I Allah) ihany. Azy ny fitsarana,ary any Aminy no hamerenana anareo.
Tafsir berbahasa Arab:
 
Terjemahan makna Surah: Al-Qaṣaṣ
Daftar surah Nomor Halaman
 
Terjemahan makna Alquran Alkarim - Terjemahan Berbahasa Malagasi - Pusat Terjemah Ruwwād - Daftar isi terjemahan

Terjemahannya oleh Tim Markaz Ruwwād Terjemah bekerjasama dengan Perkumpulan Dakwah di Rabwah dan Perkumpulan Pelayanan Konten Islami dalam Bahasa.

Tutup