Check out the new design

Terjemahan makna Alquran Alkarim - Terjemahan Berbahasa Malagasi - Pusat Terjemah Ruwwād * - Daftar isi terjemahan


Terjemahan makna Surah: An-Nisā`   Ayah:
ٱلَّذِينَ يَتَرَبَّصُونَ بِكُمۡ فَإِن كَانَ لَكُمۡ فَتۡحٞ مِّنَ ٱللَّهِ قَالُوٓاْ أَلَمۡ نَكُن مَّعَكُمۡ وَإِن كَانَ لِلۡكَٰفِرِينَ نَصِيبٞ قَالُوٓاْ أَلَمۡ نَسۡتَحۡوِذۡ عَلَيۡكُمۡ وَنَمۡنَعۡكُم مِّنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۚ فَٱللَّهُ يَحۡكُمُ بَيۡنَكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ وَلَن يَجۡعَلَ ٱللَّهُ لِلۡكَٰفِرِينَ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ سَبِيلًا
Ireo izay niandry anareo, ka rehefa mahazo fandresena avy amin’I Allah ianareo, dia hoy izy ireny : “Tsy niaraka taminareo ve izahay ?”. Ary rehefa ho an’ireo tsy mpino indray ny fahombiazana, dia miteny izy ireo manao hoe : “Moa ve tsy nanome tanana anareo izahay, sy niaro anareo tamin’ireo mpino ?”. Ka I Allah no hitsara ny momba anareo amin’ny Andro fitsanganana. Ary tsy hanome lalana mihitsy ireo tsy mpino handresena ireo mpino I Allah
Tafsir berbahasa Arab:
إِنَّ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ يُخَٰدِعُونَ ٱللَّهَ وَهُوَ خَٰدِعُهُمۡ وَإِذَا قَامُوٓاْ إِلَى ٱلصَّلَوٰةِ قَامُواْ كُسَالَىٰ يُرَآءُونَ ٱلنَّاسَ وَلَا يَذۡكُرُونَ ٱللَّهَ إِلَّا قَلِيلٗا
Tena marina fa ireo mpihatsaravelatsihy dia mitady hamitaka an’i Allah, ary Izy (Allah) dia mamerina ny fitak’izy ireo any amin'izy ireo. Ary izy ireo rehefa mitsangana ho amin'ny vavaka fanompoana, dia mitsangana amin’ny hakamoana, misehoseho aman’ny olona, ary tsy mahatsiaro an’i Allah izy ireo afa-tsy an-kavitsiana ihany.
Tafsir berbahasa Arab:
مُّذَبۡذَبِينَ بَيۡنَ ذَٰلِكَ لَآ إِلَىٰ هَٰٓؤُلَآءِ وَلَآ إِلَىٰ هَٰٓؤُلَآءِۚ وَمَن يُضۡلِلِ ٱللَّهُ فَلَن تَجِدَ لَهُۥ سَبِيلٗا
Misalasala eo anivon’izany izy ireo, sady tsy anisan’ny andaniny no tsy anisan’ny ankilany. Ary n'iza n'iza verezin’I Allah, dia tsy hahita lalana ho azy ianao.
Tafsir berbahasa Arab:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَتَّخِذُواْ ٱلۡكَٰفِرِينَ أَوۡلِيَآءَ مِن دُونِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۚ أَتُرِيدُونَ أَن تَجۡعَلُواْ لِلَّهِ عَلَيۡكُمۡ سُلۡطَٰنٗا مُّبِينًا
Ô ianareo izay nino ! Aza mandray ireo tsy mpino ho sakaiza ianareo ankoatra ireo mpino. Mitady hanome fahefana miharihary an’I Allah hanamelohana anareo ve ianareo ?
Tafsir berbahasa Arab:
إِنَّ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ فِي ٱلدَّرۡكِ ٱلۡأَسۡفَلِ مِنَ ٱلنَّارِ وَلَن تَجِدَ لَهُمۡ نَصِيرًا
Tena marina fa ireo mpihatsaravelatsihy, ireo dia any amin’ny lafika ambany indrindra amin’ny afobe, ary tsy hahita mpanavotra ho azy ireo ianao.
Tafsir berbahasa Arab:
إِلَّا ٱلَّذِينَ تَابُواْ وَأَصۡلَحُواْ وَٱعۡتَصَمُواْ بِٱللَّهِ وَأَخۡلَصُواْ دِينَهُمۡ لِلَّهِ فَأُوْلَٰٓئِكَ مَعَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۖ وَسَوۡفَ يُؤۡتِ ٱللَّهُ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ أَجۡرًا عَظِيمٗا
Afa-tsy ireo izay mibebaka sy manova fihetsika, ary mifikitra amin’I Allah, sy nanadio ny finoan’izy ireo ho an’I Allah, izy ireny dia hiara-dia amin’ireo mpino. Ary Allah dia hanome fahasoavana lehibe ho an’ireo mpino.
Tafsir berbahasa Arab:
مَّا يَفۡعَلُ ٱللَّهُ بِعَذَابِكُمۡ إِن شَكَرۡتُمۡ وَءَامَنتُمۡۚ وَكَانَ ٱللَّهُ شَاكِرًا عَلِيمٗا
Ataon’I Allah inona moa ny hanafay anareo, raha mahay misaotra sy mino ianareo ? Ary I Allah dia Mpankasitraka sy Mahalala ny zava-drehetra.
Tafsir berbahasa Arab:
 
Terjemahan makna Surah: An-Nisā`
Daftar surah Nomor Halaman
 
Terjemahan makna Alquran Alkarim - Terjemahan Berbahasa Malagasi - Pusat Terjemah Ruwwād - Daftar isi terjemahan

Terjemahannya oleh Tim Markaz Ruwwād Terjemah bekerjasama dengan Perkumpulan Dakwah di Rabwah dan Perkumpulan Pelayanan Konten Islami dalam Bahasa.

Tutup