Check out the new design

Terjemahan makna Alquran Alkarim - Terjemahan Berbahasa Malagasi - Pusat Terjemah Ruwwād * - Daftar isi terjemahan


Terjemahan makna Surah: Al-Māidah   Ayah:
إِنَّمَا يُرِيدُ ٱلشَّيۡطَٰنُ أَن يُوقِعَ بَيۡنَكُمُ ٱلۡعَدَٰوَةَ وَٱلۡبَغۡضَآءَ فِي ٱلۡخَمۡرِ وَٱلۡمَيۡسِرِ وَيَصُدَّكُمۡ عَن ذِكۡرِ ٱللَّهِ وَعَنِ ٱلصَّلَوٰةِۖ فَهَلۡ أَنتُم مُّنتَهُونَ
Tena marina fa i Satana dia mila handatsaka anareo ao anaty fifanoherana sy ny fifankahalana avy amin’ny toaka sy ny loka, ary hanakana anareo amin’ny fahatsiarovana an'I Allah sy amin’ny vavaka fanompoana. Ka moa ve hitsahatra amin’izany ianareo ?
Tafsir berbahasa Arab:
وَأَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُواْ ٱلرَّسُولَ وَٱحۡذَرُواْۚ فَإِن تَوَلَّيۡتُمۡ فَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّمَا عَلَىٰ رَسُولِنَا ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ
Ary ankatoavinareo I Allah sy ankatoavinareo ihany koa ny Iraka ary mitandrema ianareo ! Ka raha mitodi-damosina ianareo dia fantaro fa ny tena adidin’ny Irakay dia ny fampitana ny hafatra mazava ihany.
Tafsir berbahasa Arab:
لَيۡسَ عَلَى ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ جُنَاحٞ فِيمَا طَعِمُوٓاْ إِذَا مَا ٱتَّقَواْ وَّءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ ثُمَّ ٱتَّقَواْ وَّءَامَنُواْ ثُمَّ ٱتَّقَواْ وَّأَحۡسَنُواْۚ وَٱللَّهُ يُحِبُّ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Tsy hananan’ireo izay nino sy nanao asa soa tsiny ny amin’izay nohanin’izy ireo tany aloha raha natahotra sy nanao asa soa izy ireo, avy eo natahotra sy nino izy ireo, avy eo ihany koa natahotra sy nanao soa. Ary I Allah dia tia ireo mpanao soa.
Tafsir berbahasa Arab:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَيَبۡلُوَنَّكُمُ ٱللَّهُ بِشَيۡءٖ مِّنَ ٱلصَّيۡدِ تَنَالُهُۥٓ أَيۡدِيكُمۡ وَرِمَاحُكُمۡ لِيَعۡلَمَ ٱللَّهُ مَن يَخَافُهُۥ بِٱلۡغَيۡبِۚ فَمَنِ ٱعۡتَدَىٰ بَعۡدَ ذَٰلِكَ فَلَهُۥ عَذَابٌ أَلِيمٞ
O ianareo mpino ! Tena ho tsapain’I Allah ianareo amin’ny haza azon’ny tananareo sy ny lefonareo, mba ahafantaran’I Allah izay matahotra Azy ankiafina. Ka n'iza n'iza mandika ny didy aman-dalàna aorian’izany dia ho azy ny sazy mamirifiry
Tafsir berbahasa Arab:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَقۡتُلُواْ ٱلصَّيۡدَ وَأَنتُمۡ حُرُمٞۚ وَمَن قَتَلَهُۥ مِنكُم مُّتَعَمِّدٗا فَجَزَآءٞ مِّثۡلُ مَا قَتَلَ مِنَ ٱلنَّعَمِ يَحۡكُمُ بِهِۦ ذَوَا عَدۡلٖ مِّنكُمۡ هَدۡيَۢا بَٰلِغَ ٱلۡكَعۡبَةِ أَوۡ كَفَّٰرَةٞ طَعَامُ مَسَٰكِينَ أَوۡ عَدۡلُ ذَٰلِكَ صِيَامٗا لِّيَذُوقَ وَبَالَ أَمۡرِهِۦۗ عَفَا ٱللَّهُ عَمَّا سَلَفَۚ وَمَنۡ عَادَ فَيَنتَقِمُ ٱللَّهُ مِنۡهُۚ وَٱللَّهُ عَزِيزٞ ذُو ٱنتِقَامٍ
O ianareo mpino ! Aza mamono biby fihaza ianareo raha mbola ao anatin’ny Ihram . Ary izay mamono izany aminareo an-tsitrapo dia manolo mitovy amin’ izay biby novonoiny izy, ka hitsara izany ny olona roa azo antoka avy aminareo, ho fanatitra amin’ny Ka’aba , na ny onitra dia ny fampihinanana sakafo ireo mahantra, na ny fifehezana mifandanja amin’izany, mba hanandramany ny voka-dratsin’ny asa izay nataony. Namela izay efa lasa i Allah, ary izay mamerina dia ho sazin’i Allah. Ary Allah dia Mahery sy Tompon’ny fanasaziana.
Tafsir berbahasa Arab:
 
Terjemahan makna Surah: Al-Māidah
Daftar surah Nomor Halaman
 
Terjemahan makna Alquran Alkarim - Terjemahan Berbahasa Malagasi - Pusat Terjemah Ruwwād - Daftar isi terjemahan

Terjemahannya oleh Tim Markaz Ruwwād Terjemah bekerjasama dengan Perkumpulan Dakwah di Rabwah dan Perkumpulan Pelayanan Konten Islami dalam Bahasa.

Tutup