Check out the new design

Traduzione dei Significati del Sacro Corano - Traduzione malgascia - Pioneer Translation Center (Ruwwad at-Tarjama) * - Indice Traduzioni


Traduzione dei significati Sura: Al-Mâ’idah   Versetto:
وَقَالَتِ ٱلۡيَهُودُ وَٱلنَّصَٰرَىٰ نَحۡنُ أَبۡنَٰٓؤُاْ ٱللَّهِ وَأَحِبَّٰٓؤُهُۥۚ قُلۡ فَلِمَ يُعَذِّبُكُم بِذُنُوبِكُمۖ بَلۡ أَنتُم بَشَرٞ مِّمَّنۡ خَلَقَۚ يَغۡفِرُ لِمَن يَشَآءُ وَيُعَذِّبُ مَن يَشَآءُۚ وَلِلَّهِ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَاۖ وَإِلَيۡهِ ٱلۡمَصِيرُ
Ary niteny ireo jiosy sy ny kristiana hoe : “Izahay dia zanak’i Allah ary notiaviny manokana”. Teneno hoe : “Nahoana àry Izy no manasazy anareo amin’ny fahotana ataonareo? Tena marina fa ianareo dia olombelona anisan’ireo nohariany. Mamela izay sitrany Izy, ary manasazy izay sitrany. Ary an’i Allah ny fanjakana amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany ary amin’izay rehetra anelanelan’izy roa. Ary any Aminy ny fiverenana.
Esegesi in lingua araba:
يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ قَدۡ جَآءَكُمۡ رَسُولُنَا يُبَيِّنُ لَكُمۡ عَلَىٰ فَتۡرَةٖ مِّنَ ٱلرُّسُلِ أَن تَقُولُواْ مَا جَآءَنَا مِنۢ بَشِيرٖ وَلَا نَذِيرٖۖ فَقَدۡ جَآءَكُم بَشِيرٞ وَنَذِيرٞۗ وَٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
O Ianareo olon’ny Boky! Efa tonga aminareo izao ny Irakay, manazava aminareo, taorian’ny nitsaharan’ireo Iraka, mba tsy hilazanareo hoe: “Tsy nisy tonga taminay, na ny mpilaza vaovao mahafaly, na ny mpampitandrina”. Koa efa tonga aminareo izao ny mpilaza vaovao mahafaly sy ny mpampitandrina (mpananatra). Ary Allah dia mahefa ny zava-drehetra.
Esegesi in lingua araba:
وَإِذۡ قَالَ مُوسَىٰ لِقَوۡمِهِۦ يَٰقَوۡمِ ٱذۡكُرُواْ نِعۡمَةَ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ إِذۡ جَعَلَ فِيكُمۡ أَنۢبِيَآءَ وَجَعَلَكُم مُّلُوكٗا وَءَاتَىٰكُم مَّا لَمۡ يُؤۡتِ أَحَدٗا مِّنَ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ary raha niteny i Mosesy tamin’ny vahoakany hoe: “Ry vahoakako! Tsarovinareo ny fahasoavan’I Allah aminareo, rehefa nanendry teo aminareo, Mpaminany maro, ary nanandratra anareo ho mpanjaka Izy. Ary nanome anareo izay mbola tsy nomeny na iza na iza tamin’izao tontolo izao Izy.
Esegesi in lingua araba:
يَٰقَوۡمِ ٱدۡخُلُواْ ٱلۡأَرۡضَ ٱلۡمُقَدَّسَةَ ٱلَّتِي كَتَبَ ٱللَّهُ لَكُمۡ وَلَا تَرۡتَدُّواْ عَلَىٰٓ أَدۡبَارِكُمۡ فَتَنقَلِبُواْ خَٰسِرِينَ
O Ianareo vahoakako! Midira amin’ilay tany masina, izay efa nosoratan’I Allah ho anareo ianareo,ary aza miverin-dalana manome lamosina ianareo, ka hivadika fa ho maty antoka ianareo.
Esegesi in lingua araba:
قَالُواْ يَٰمُوسَىٰٓ إِنَّ فِيهَا قَوۡمٗا جَبَّارِينَ وَإِنَّا لَن نَّدۡخُلَهَا حَتَّىٰ يَخۡرُجُواْ مِنۡهَا فَإِن يَخۡرُجُواْ مِنۡهَا فَإِنَّا دَٰخِلُونَ
Niteny izy ireo hoe: “O ry Mosesy! Tena misy vahoaka matanjaka be monina ao. Ka izahay dia tsy hiditra ao velively mandra-pivoahan’izy ireo ao. Raha mivoaka avy ao kosa izy ireo, tonga dia hiditra ao tokoa izahay.
Esegesi in lingua araba:
قَالَ رَجُلَانِ مِنَ ٱلَّذِينَ يَخَافُونَ أَنۡعَمَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِمَا ٱدۡخُلُواْ عَلَيۡهِمُ ٱلۡبَابَ فَإِذَا دَخَلۡتُمُوهُ فَإِنَّكُمۡ غَٰلِبُونَۚ وَعَلَى ٱللَّهِ فَتَوَكَّلُوٓاْ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ
Niteny ny lehilahy roa tamin’ireo izay matahotra an’i Allah, izay nosoavin’i Allah, hoe: “Midira ao amin’izy ireo ianareo avy amin’ny varavarana, fa rehefa tafiditra ao ianareo dia tsy maintsy ho mpandresy ianareo. Ary amin'I Allah no tokony hanankinanareo ny fahatokisanareo, raha tena mpino tokoa ianareo”.
Esegesi in lingua araba:
 
Traduzione dei significati Sura: Al-Mâ’idah
Indice delle Sure Numero di pagina
 
Traduzione dei Significati del Sacro Corano - Traduzione malgascia - Pioneer Translation Center (Ruwwad at-Tarjama) - Indice Traduzioni

Tradotta dal team del centro di traduzione "Pioneers" in collaborazione con "Association for call and awareness of communities" di al-Rabwah e "Association for Service of Islamic Content in Languages".

Chiudi