Check out the new design

Traduzione dei Significati del Sacro Corano - Traduzione malgascia - Pioneer Translation Center (Ruwwad at-Tarjama) * - Indice Traduzioni


Traduzione dei significati Sura: An-Nâzi‘ât   Versetto:
ٱذۡهَبۡ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ إِنَّهُۥ طَغَىٰ
Mandehana ianao any amin'ny Farao, fa raha ny tena marina dia efa mpikomy izy.
Esegesi in lingua araba:
فَقُلۡ هَل لَّكَ إِلَىٰٓ أَن تَزَكَّىٰ
Ary lazao azy hoe: " Manana faniriana hanadio tena ve ianao?
Esegesi in lingua araba:
وَأَهۡدِيَكَ إِلَىٰ رَبِّكَ فَتَخۡشَىٰ
Ka hotarihiko ho amin'ny fanompoana ny tomponao mba hanampahatahorana Azy ?
Esegesi in lingua araba:
فَأَرَىٰهُ ٱلۡأٓيَةَ ٱلۡكُبۡرَىٰ
Ary dia nasehony azy ny famantarana lehibe.
Esegesi in lingua araba:
فَكَذَّبَ وَعَصَىٰ
Nihevitra izany ho lainga anefa izy ka dia tsy nankato,
Esegesi in lingua araba:
ثُمَّ أَدۡبَرَ يَسۡعَىٰ
Fa nihodina nanda ny finoana izy ireo ary lasa faingana nanao ny faharatsiana
Esegesi in lingua araba:
فَحَشَرَ فَنَادَىٰ
Dia namory ireo olony izy ary nanao fanambarana.
Esegesi in lingua araba:
فَقَالَ أَنَا۠ رَبُّكُمُ ٱلۡأَعۡلَىٰ
ka nilaza hoe: " Izaho no tomponareo, ilay avo indrindra."
Esegesi in lingua araba:
فَأَخَذَهُ ٱللَّهُ نَكَالَ ٱلۡأٓخِرَةِ وَٱلۡأُولَىٰٓ
Nohon'izany dia nampiharin'I Allah taminy ny sazy teto an-tany ary homeny koa ny any an-koatra,
Esegesi in lingua araba:
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَعِبۡرَةٗ لِّمَن يَخۡشَىٰٓ
Izany toe-javatra izany dia fampieritreretana lehibe tokoa ho an'izay manana fahatahorana an'I Allah.
Esegesi in lingua araba:
ءَأَنتُمۡ أَشَدُّ خَلۡقًا أَمِ ٱلسَّمَآءُۚ بَنَىٰهَا
Moa ve ny fahariana anareo dia nanao sarotra tokoa nohon'ny nahariana ny lanitra izay naoriny.
Esegesi in lingua araba:
رَفَعَ سَمۡكَهَا فَسَوَّىٰهَا
Nataony ho ambony toerana ary vita mitovy tantana,
Esegesi in lingua araba:
وَأَغۡطَشَ لَيۡلَهَا وَأَخۡرَجَ ضُحَىٰهَا
Nataony ho maizina ny alina ary nohazavany ny androny,
Esegesi in lingua araba:
وَٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ ذَٰلِكَ دَحَىٰهَآ
Ary ny tany kosa taorian'izany dia nataony midadasika,
Esegesi in lingua araba:
أَخۡرَجَ مِنۡهَا مَآءَهَا وَمَرۡعَىٰهَا
ka avy taminy no namoahany ny rano sy ny kijana firaofanan'ny biby.
Esegesi in lingua araba:
وَٱلۡجِبَالَ أَرۡسَىٰهَا
Ary ireo tendrombohitra dia nataony andry iankinany;
Esegesi in lingua araba:
مَتَٰعٗا لَّكُمۡ وَلِأَنۡعَٰمِكُمۡ
Mba hahasoa anareo sy ireo biby fiompinareo,
Esegesi in lingua araba:
فَإِذَا جَآءَتِ ٱلطَّآمَّةُ ٱلۡكُبۡرَىٰ
rehefa ho tonga ny fikorontanana lehibe,
Esegesi in lingua araba:
يَوۡمَ يَتَذَكَّرُ ٱلۡإِنسَٰنُ مَا سَعَىٰ
amin'ny andro izay hahatsiarovan'ny olombelona ny asa rehetra nataony,
Esegesi in lingua araba:
وَبُرِّزَتِ ٱلۡجَحِيمُ لِمَن يَرَىٰ
dia hibaribary amin'izay mijery ny Afo be,
Esegesi in lingua araba:
فَأَمَّا مَن طَغَىٰ
Fa izay nikomy tsy nankato an'I Allah kosa
Esegesi in lingua araba:
وَءَاثَرَ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا
sy nifidy ny fiainana eto ambonin'ny tany,
Esegesi in lingua araba:
فَإِنَّ ٱلۡجَحِيمَ هِيَ ٱلۡمَأۡوَىٰ
dia ny Afo be no hitoeran'izy ireo,
Esegesi in lingua araba:
وَأَمَّا مَنۡ خَافَ مَقَامَ رَبِّهِۦ وَنَهَى ٱلنَّفۡسَ عَنِ ٱلۡهَوَىٰ
Ary ho an'izay natahotra ny fihaonan'izy ireo eo anoloan'ny Tompony sy nitandrina ny tenany tamin'ny filan-dratsin'ny nofo kosa;
Esegesi in lingua araba:
فَإِنَّ ٱلۡجَنَّةَ هِيَ ٱلۡمَأۡوَىٰ
dia ny paradisa no ho fonenan'izy ireo,
Esegesi in lingua araba:
يَسۡـَٔلُونَكَ عَنِ ٱلسَّاعَةِ أَيَّانَ مُرۡسَىٰهَا
Hanontany anao ny amin'ny andro farany izy ireo hoe: "Rahoviana anga no ahatongavan'izany? "
Esegesi in lingua araba:
فِيمَ أَنتَ مِن ذِكۡرَىٰهَآ
Amin'ny fomba ahoana no hilazanao izany amin'izy ireo?
Esegesi in lingua araba:
إِلَىٰ رَبِّكَ مُنتَهَىٰهَآ
any amin'ny Tomponao ny fahalalana izany.
Esegesi in lingua araba:
إِنَّمَآ أَنتَ مُنذِرُ مَن يَخۡشَىٰهَا
Satria ianao dia mpampitandrina ihany an'izay manana fahatahorana an'izany,
Esegesi in lingua araba:
كَأَنَّهُمۡ يَوۡمَ يَرَوۡنَهَا لَمۡ يَلۡبَثُوٓاْ إِلَّا عَشِيَّةً أَوۡ ضُحَىٰهَا
Amin'ny andro izay hahitan'izy ireo ny andro farany dia tahaka ny tsy nonina tety an-tany afa-tsy indray maraina na indray hariva fotsiny izy ireo,
Esegesi in lingua araba:
 
Traduzione dei significati Sura: An-Nâzi‘ât
Indice delle Sure Numero di pagina
 
Traduzione dei Significati del Sacro Corano - Traduzione malgascia - Pioneer Translation Center (Ruwwad at-Tarjama) - Indice Traduzioni

Tradotta dal team del centro di traduzione "Pioneers" in collaborazione con "Association for call and awareness of communities" di al-Rabwah e "Association for Service of Islamic Content in Languages".

Chiudi