Check out the new design

Kilniojo Korano reikšmių vertimas - Vertimas į malagasų k. - Ruad vertimų centras * - Vertimų turinys


Reikšmių vertimas Sūra: Al-Hadždž   Aja (Korano eilutė):
ٱلۡمُلۡكُ يَوۡمَئِذٖ لِّلَّهِ يَحۡكُمُ بَيۡنَهُمۡۚ فَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ فِي جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ
Amin’izany andro izany, ny fanjakana dia an’I Allah. Izy no hitsara azy ireo. Fa ireo izay nino sy nanao asa soa, dia ho ao amin’ny zaridain’ny fahafinaretana.
Tafsyrai arabų kalba:
وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَكَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا فَأُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٞ مُّهِينٞ
Fa ireo izay tsy nino kosa sy nilaza fa lainga ireo fanambaranay, dia ho azy ireo ny sazy manala baraka.
Tafsyrai arabų kalba:
وَٱلَّذِينَ هَاجَرُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ ثُمَّ قُتِلُوٓاْ أَوۡ مَاتُواْ لَيَرۡزُقَنَّهُمُ ٱللَّهُ رِزۡقًا حَسَنٗاۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَهُوَ خَيۡرُ ٱلرَّٰزِقِينَ
Ary ireo izay nifindra-monina amin’ny lalan’I Allah, ka novonoina, na koa maty, dia tsy maintsy omen’I Allah azy ireo ny anjara mendrika indrindra. Marina fa Allah no mendrika indrindra amin’ireo mpanome ny anjara.
Tafsyrai arabų kalba:
لَيُدۡخِلَنَّهُم مُّدۡخَلٗا يَرۡضَوۡنَهُۥۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَعَلِيمٌ حَلِيمٞ
Tsy maintsy hampidiriny (ao am-paradisa) amin’ny fomba tena mahafa-po azy izy ireo. Ary marina fa Allah no Mahalala ny zava-drehetra sy Tsara fanahy.
Tafsyrai arabų kalba:
۞ ذَٰلِكَۖ وَمَنۡ عَاقَبَ بِمِثۡلِ مَا عُوقِبَ بِهِۦ ثُمَّ بُغِيَ عَلَيۡهِ لَيَنصُرَنَّهُ ٱللَّهُۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَعَفُوٌّ غَفُورٞ
Izany tokoa ! N'iza n'iza manasazy tahaka izay nanasaziana azy, avy eo niharan’ny vali-faty indray ; Allah dia tsy maintsy hamonjy azy. Marina fa Allah dia Mpandefitra, Mpamela heloka.
Tafsyrai arabų kalba:
ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱللَّهَ يُولِجُ ٱلَّيۡلَ فِي ٱلنَّهَارِ وَيُولِجُ ٱلنَّهَارَ فِي ٱلَّيۡلِ وَأَنَّ ٱللَّهَ سَمِيعُۢ بَصِيرٞ
Araka izany, Allah dia mampiditra ny alina ao amin’ny atoandro ary mampiditra ny andro ao amin’ny alina, ary Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra.
Tafsyrai arabų kalba:
ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡحَقُّ وَأَنَّ مَا يَدۡعُونَ مِن دُونِهِۦ هُوَ ٱلۡبَٰطِلُ وَأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡعَلِيُّ ٱلۡكَبِيرُ
Araka izany Allah, Izy tokoa Ilay Marina, ary marina fa izay rehetra antsoin’izy ireo ankoatra Azy dia diso; ary Allah Ilay Avo indrindra, Ilay Lehibe indrindra.
Tafsyrai arabų kalba:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ أَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَتُصۡبِحُ ٱلۡأَرۡضُ مُخۡضَرَّةًۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَطِيفٌ خَبِيرٞ
Moa ve tsy hitanao fa Allah no nampidina ny rano avy any an-danitra, ka lasa maitso tsara ny tany ? Allah dia Ilay Mpangoraka sy Mahafantatra ny zava-drehetra.
Tafsyrai arabų kalba:
لَّهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَهُوَ ٱلۡغَنِيُّ ٱلۡحَمِيدُ
Ary Azy izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany ; ary Allah irery ihany Ilay Manana ny ampy, Ilay Mendri-piderana.
Tafsyrai arabų kalba:
 
Reikšmių vertimas Sūra: Al-Hadždž
Sūrų turinys Puslapio numeris
 
Kilniojo Korano reikšmių vertimas - Vertimas į malagasų k. - Ruad vertimų centras - Vertimų turinys

Vertė Ruad vertimo centro komanda bendradarbiaujant su Religinės sklaidos ir orientavimo asociacija Rabwah bei Islamo turinio kalbos asociacija.

Uždaryti