Check out the new design

Kilniojo Korano reikšmių vertimas - Vertimas į malagasų k. - Ruad vertimų centras * - Vertimų turinys


Reikšmių vertimas Sūra: Al-Ma’idah’   Aja (Korano eilutė):
وَإِذَا نَادَيۡتُمۡ إِلَى ٱلصَّلَوٰةِ ٱتَّخَذُوهَا هُزُوٗا وَلَعِبٗاۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ قَوۡمٞ لَّا يَعۡقِلُونَ
Ary rehefa miantso ho amin’ny vavaka fanompoana ianareo dia raisin’izy ireo ho kivazivazy izany sy kilalao. Izany dia satria tena vahoaka tsy mandinika izy ireo.
Tafsyrai arabų kalba:
قُلۡ يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ هَلۡ تَنقِمُونَ مِنَّآ إِلَّآ أَنۡ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَمَآ أُنزِلَ إِلَيۡنَا وَمَآ أُنزِلَ مِن قَبۡلُ وَأَنَّ أَكۡثَرَكُمۡ فَٰسِقُونَ
Teneno hoe: "O ry olon’ny boky! Moa ve mankahala anay ianareo afa-tsy noho izahay mino an’I Allah sy izay nampidinina taminay, ary izay nampidinina tany aloha?". Tena marina fa ny ankamaroanareo dia mpanao ny asa ratsy.
Tafsyrai arabų kalba:
قُلۡ هَلۡ أُنَبِّئُكُم بِشَرّٖ مِّن ذَٰلِكَ مَثُوبَةً عِندَ ٱللَّهِۚ مَن لَّعَنَهُ ٱللَّهُ وَغَضِبَ عَلَيۡهِ وَجَعَلَ مِنۡهُمُ ٱلۡقِرَدَةَ وَٱلۡخَنَازِيرَ وَعَبَدَ ٱلطَّٰغُوتَۚ أُوْلَٰٓئِكَ شَرّٞ مَّكَانٗا وَأَضَلُّ عَن سَوَآءِ ٱلسَّبِيلِ
Teneno hoe: Moa ve hambarako anareo ny ratsy kokoa mihoatra an’izany amin’ny valin’asa eo anatrehan’i Allah? Dia izay nozonin’i Allah sy nampiharany ny hatezerany ary ny sasany amin’izy ireo nataony lasa gidro sy kisoa, ary nanompo ny Tàghout [77]. Izy ireny no ratsy toerana indrindra sy tena very lavitra niala amin’ny làlana mahitsy.
Tafsyrai arabų kalba:
وَإِذَا جَآءُوكُمۡ قَالُوٓاْ ءَامَنَّا وَقَد دَّخَلُواْ بِٱلۡكُفۡرِ وَهُمۡ قَدۡ خَرَجُواْ بِهِۦۚ وَٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا كَانُواْ يَكۡتُمُونَ
Ary raha tonga aminareo izy ireo dia hiteny hoe: "Mino izahay" nefa niditra niaraka amin’ny tsy finoana izy ireo ary nivoaka koa niaraka aminy. Ary I Allah no tena mahafantatra izay afenin’izy ireo.
Tafsyrai arabų kalba:
وَتَرَىٰ كَثِيرٗا مِّنۡهُمۡ يُسَٰرِعُونَ فِي ٱلۡإِثۡمِ وَٱلۡعُدۡوَٰنِ وَأَكۡلِهِمُ ٱلسُّحۡتَۚ لَبِئۡسَ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Ary ho hitanao ny maro amin’izy ireo hihazakazaka amin’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna ary ny fihinanana harena tsy ara-dalàna. Ratsy tokoa izany asa ataon’izy ireo izany!
Tafsyrai arabų kalba:
لَوۡلَا يَنۡهَىٰهُمُ ٱلرَّبَّٰنِيُّونَ وَٱلۡأَحۡبَارُ عَن قَوۡلِهِمُ ٱلۡإِثۡمَ وَأَكۡلِهِمُ ٱلسُّحۡتَۚ لَبِئۡسَ مَا كَانُواْ يَصۡنَعُونَ
Nahoana moa ireo mpitondra fivavahana jiosy sy ireo manam-pahaizana ara-pinoana no tsy mba mandrara azy ireo amin’ny fanaovana ny teny feno fahotana sy amin’ny fihinanana harena tsy ara-dalàna? Ratsy tokoa izany ataon’izy ireo izany!
Tafsyrai arabų kalba:
وَقَالَتِ ٱلۡيَهُودُ يَدُ ٱللَّهِ مَغۡلُولَةٌۚ غُلَّتۡ أَيۡدِيهِمۡ وَلُعِنُواْ بِمَا قَالُواْۘ بَلۡ يَدَاهُ مَبۡسُوطَتَانِ يُنفِقُ كَيۡفَ يَشَآءُۚ وَلَيَزِيدَنَّ كَثِيرٗا مِّنۡهُم مَّآ أُنزِلَ إِلَيۡكَ مِن رَّبِّكَ طُغۡيَٰنٗا وَكُفۡرٗاۚ وَأَلۡقَيۡنَا بَيۡنَهُمُ ٱلۡعَدَٰوَةَ وَٱلۡبَغۡضَآءَ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ كُلَّمَآ أَوۡقَدُواْ نَارٗا لِّلۡحَرۡبِ أَطۡفَأَهَا ٱللَّهُۚ وَيَسۡعَوۡنَ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَسَادٗاۚ وَٱللَّهُ لَا يُحِبُّ ٱلۡمُفۡسِدِينَ
Ary niteny ireo jiosy hoe: "Ny tanan’I Allah dia mikombona". Ny Tanan’izy ireo no mikombona ary voahozona izy ireo noho ny teny nataony. Tsia! Ny tanany roa dia mivelatra tsara sy mizara araka izay sitrany Izy. Ary tena marina fa izay nampidinina taminao avy amin’ny Tomponao dia tena hampitombo betsaka amin’ny ankamaroan’izy ireo ny fihoaram-pefy sy ny tsy finoana. Ary norangitina tamin’izy ireo ny fifanoherana sy ny fifankahalana, mandra-pahatongan’ny andron’ny fitsanganana. Isaky izy ireo mandrehitra afo ho amin’ny ady dia vonoin’I Allah izany. Ary miezaka izy ireo mampiely eto ambonin-tany ny asa fanimbana. Ary I Allah dia tsy tia ireo mpanao ny asa fanimbana.
Tafsyrai arabų kalba:
 
Reikšmių vertimas Sūra: Al-Ma’idah’
Sūrų turinys Puslapio numeris
 
Kilniojo Korano reikšmių vertimas - Vertimas į malagasų k. - Ruad vertimų centras - Vertimų turinys

Vertė Ruad vertimo centro komanda bendradarbiaujant su Religinės sklaidos ir orientavimo asociacija Rabwah bei Islamo turinio kalbos asociacija.

Uždaryti