Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: യൂസുഫ്   ആയത്ത്:
فَلَمَّآ أَن جَآءَ ٱلۡبَشِيرُ أَلۡقَىٰهُ عَلَىٰ وَجۡهِهِۦ فَٱرۡتَدَّ بَصِيرٗاۖ قَالَ أَلَمۡ أَقُل لَّكُمۡ إِنِّيٓ أَعۡلَمُ مِنَ ٱللَّهِ مَا لَا تَعۡلَمُونَ
Rehefa tonga ilay mpitondra vaovao mahafaly dia napetany tamin’ny tavan’ny Yakoba (Jakoba) ilay fitafiana. Avy hatrany dia nahiratra Izy, sy niteny ka nanao hoe : “ Moa ve tsy efa nolazaiko taminareo fa Izaho dia mahazo fahalalana avy amin’i Allah, izay tsy fantatrareo ? ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ يَٰٓأَبَانَا ٱسۡتَغۡفِرۡ لَنَا ذُنُوبَنَآ إِنَّا كُنَّا خَٰطِـِٔينَ
Hoy izy ireo : “Ry Dada ô! Mangataha ho anay, ho famelana ny fahotanay, fa tena diso tokoa izahay”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ سَوۡفَ أَسۡتَغۡفِرُ لَكُمۡ رَبِّيٓۖ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡغَفُورُ ٱلرَّحِيمُ
Niteny Izy ka nanao hoe : “ Izaho dia hitalaho amin’ny Tompoko ny hamelana ny helokareo satria Izy ilay Mpamela ny heloka, ilay be Fiantrana ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلَمَّا دَخَلُواْ عَلَىٰ يُوسُفَ ءَاوَىٰٓ إِلَيۡهِ أَبَوَيۡهِ وَقَالَ ٱدۡخُلُواْ مِصۡرَ إِن شَآءَ ٱللَّهُ ءَامِنِينَ
Fa rehefa niditra tao amin’i Yosofa (Josefa) izy Ireo dia noraisiny ireo Ray aman-dreniny ka niteny tamin’izy ireo izy nanao hoe : “ Midira any Egypta am-piadanana Ianareo, raha sitrak’i Allah !
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَرَفَعَ أَبَوَيۡهِ عَلَى ٱلۡعَرۡشِ وَخَرُّواْ لَهُۥ سُجَّدٗاۖ وَقَالَ يَٰٓأَبَتِ هَٰذَا تَأۡوِيلُ رُءۡيَٰيَ مِن قَبۡلُ قَدۡ جَعَلَهَا رَبِّي حَقّٗاۖ وَقَدۡ أَحۡسَنَ بِيٓ إِذۡ أَخۡرَجَنِي مِنَ ٱلسِّجۡنِ وَجَآءَ بِكُم مِّنَ ٱلۡبَدۡوِ مِنۢ بَعۡدِ أَن نَّزَغَ ٱلشَّيۡطَٰنُ بَيۡنِي وَبَيۡنَ إِخۡوَتِيٓۚ إِنَّ رَبِّي لَطِيفٞ لِّمَا يَشَآءُۚ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡعَلِيمُ ٱلۡحَكِيمُ
Ary dia nakariny teny ambonin’ny seza fiandrianana ireo Ray aman-dReniny, ka dia niankohoka teo anatrehany ny rehetra. Ary hoy izy : “Ry Dada ô! Izany no dikan’ny nofiko fahiny. Fa notanterahin’Allah tokoa izany. Ary tena nanao soa ahy Izy, raha namoaka ahy tao am-ponja, ka nahatonga anareo avy tany ambanivohitra (tany efitra), rehefa avy nampitranga tsy fifanarahana teo amiko sy ny rahalahiko ny devoly. Feno hamoram-po amin’izay tiany ny Tompoko. Ary Izy no Ilay Mahalala ny zavatra rehetra, sady be Fahendrena.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
۞ رَبِّ قَدۡ ءَاتَيۡتَنِي مِنَ ٱلۡمُلۡكِ وَعَلَّمۡتَنِي مِن تَأۡوِيلِ ٱلۡأَحَادِيثِۚ فَاطِرَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ أَنتَ وَلِيِّۦ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِۖ تَوَفَّنِي مُسۡلِمٗا وَأَلۡحِقۡنِي بِٱلصَّٰلِحِينَ
Ry Tompoko oh, efa nanome fahefana Ahy Ianao sy nampianatra ny fandikana ireo nofy. Mpahary ireo lanitra sy ny tany Ianao. Ianao no Mpiahy Ahy ento an-tany sy any an-koatra. Ataovy maty ao anaty fankatoavana Anao Aho, ary ataovy miaraka amin’ireo Olona mpanao asa soa.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ذَٰلِكَ مِنۡ أَنۢبَآءِ ٱلۡغَيۡبِ نُوحِيهِ إِلَيۡكَۖ وَمَا كُنتَ لَدَيۡهِمۡ إِذۡ أَجۡمَعُوٓاْ أَمۡرَهُمۡ وَهُمۡ يَمۡكُرُونَ
Izany dia anisan’ireo tantara miafina nolazainay Aminao. Ary Ianao dia tsy teo anatrehan’izy ireo raha niombo-kevitra hanao teti-dratsy izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَآ أَكۡثَرُ ٱلنَّاسِ وَلَوۡ حَرَصۡتَ بِمُؤۡمِنِينَ
Ary ny ankamaroan’ny Olona dia tsy mpino na dia teo aza ny fanirianao fatratra mba ho mpino izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: യൂസുഫ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക