Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഹിജ്ർ   ആയത്ത്:
إِذۡ دَخَلُواْ عَلَيۡهِ فَقَالُواْ سَلَٰمٗا قَالَ إِنَّا مِنكُمۡ وَجِلُونَ
Raha niditra tao aminy izy ireo ka nilaza nanao hoe : “ Fiadanana (salamo) ! Namaly Izy (Ibrahim) nanao hoe : “ Matahotra Anareo Izahay ! ”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ لَا تَوۡجَلۡ إِنَّا نُبَشِّرُكَ بِغُلَٰمٍ عَلِيمٖ
Niteny izy ireo (ireo Anjely) ka nanao hoe : “ Aza matahotra Ianao ! Fa Izahay dia hanambara Aminao vaovao mahafaly, ny fahaterahan’ny Zazakely feno fahalalana ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ أَبَشَّرۡتُمُونِي عَلَىٰٓ أَن مَّسَّنِيَ ٱلۡكِبَرُ فَبِمَ تُبَشِّرُونَ
Namaly izy hoe : “ Lazainareo ahy ve izany vaovao mahafaly izany nefa dia efa tratran’ny fahanterana aho? Inona àry no lazainareo amiko? ”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ بَشَّرۡنَٰكَ بِٱلۡحَقِّ فَلَا تَكُن مِّنَ ٱلۡقَٰنِطِينَ
Niteny Izy Ireo ka nanao hoe : “ Ny marina no lazanay Aminao. Aoka àry Ianao tsy ho anisan’ireo mora kivy ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ وَمَن يَقۡنَطُ مِن رَّحۡمَةِ رَبِّهِۦٓ إِلَّا ٱلضَّآلُّونَ
Niteny Izy hoe : “ Fa iza moa no kivy amin’ny famindram-pòn’ny Tompony, raha tsy ireo very làlana ? ”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ فَمَا خَطۡبُكُمۡ أَيُّهَا ٱلۡمُرۡسَلُونَ
Dia hoy Izy (Abrahama) ka nanao hoe : “ Inona àry no nanirahana Anareo, ry Iraka ? ”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُوٓاْ إِنَّآ أُرۡسِلۡنَآ إِلَىٰ قَوۡمٖ مُّجۡرِمِينَ
Namaly izy ireo ka nanao hoe : “ Nalefa ho an’ny Olona mpanao ratsy Izahay,
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِلَّآ ءَالَ لُوطٍ إِنَّا لَمُنَجُّوهُمۡ أَجۡمَعِينَ
Afa-tsy ny fianakavian’i Lota, tena ho vonjenay avokoa izy rehetra,
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِلَّا ٱمۡرَأَتَهُۥ قَدَّرۡنَآ إِنَّهَا لَمِنَ ٱلۡغَٰبِرِينَ
Ankoatry ny vadiny, Izahay dia hanao Azy ho anisan’ireo ringana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلَمَّا جَآءَ ءَالَ لُوطٍ ٱلۡمُرۡسَلُونَ
Nony tonga teo amin’ny fianakavian’I Lota ireo Iraka,
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ إِنَّكُمۡ قَوۡمٞ مُّنكَرُونَ
Dia niteny Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Ianareo dia Olona tsy fantatra ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ بَلۡ جِئۡنَٰكَ بِمَا كَانُواْ فِيهِ يَمۡتَرُونَ
Niteny Izy ireo ka nanao hoe : “ Tonga aty Aminao tokoa Izahay mitondra ny (sazy) izay nampisalasala azy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَتَيۡنَٰكَ بِٱلۡحَقِّ وَإِنَّا لَصَٰدِقُونَ
Ary tonga Aminao Izahay miaraka amin’ny Fahamarinana. Ary mpilaza ny marina Izahay.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَأَسۡرِ بِأَهۡلِكَ بِقِطۡعٖ مِّنَ ٱلَّيۡلِ وَٱتَّبِعۡ أَدۡبَٰرَهُمۡ وَلَا يَلۡتَفِتۡ مِنكُمۡ أَحَدٞ وَٱمۡضُواْ حَيۡثُ تُؤۡمَرُونَ
“ Mandehana àry miaraka amin’ny fianakavianao Ianao amin’ny fahataperan’ny alina, ary araho avy ao aoriana izy ireo; ary aoka tsy hisy hitoditodika n'iza n'iza Aminareo; koa mandehana amin’izay handidiana Anareo Ianareo ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَضَيۡنَآ إِلَيۡهِ ذَٰلِكَ ٱلۡأَمۡرَ أَنَّ دَابِرَ هَٰٓؤُلَآءِ مَقۡطُوعٞ مُّصۡبِحِينَ
Ary nolazainay taminy izany didy izany : Fa ireny Olona ireny, amin’ny maraina, dia ho haringanay avokoa hatramin’ny farany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَجَآءَ أَهۡلُ ٱلۡمَدِينَةِ يَسۡتَبۡشِرُونَ
Fa ireo mponin’ny tanàna ( Sodoma) dia tonga (teo aminy) ankafaliana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ إِنَّ هَٰٓؤُلَآءِ ضَيۡفِي فَلَا تَفۡضَحُونِ
Nilaza Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Tena marina fa vahiniko izy ireo, aza manafitohina Ahy Ianareo
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَلَا تُخۡزُونِ
Ary matahora an’i Allah Ianareo. Aza tafihinareo henatra Aho.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُوٓاْ أَوَلَمۡ نَنۡهَكَ عَنِ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Niteny izy ireo (ireo olon’ny tanàna) hoe : “ Moa ve tsy efa nandrara Anao Izahay tamin’ny (fandraisana) olona ? ”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഹിജ്ർ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക