Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: കഹ്ഫ്   ആയത്ത്:
مَّا لَهُم بِهِۦ مِنۡ عِلۡمٖ وَلَا لِأٓبَآئِهِمۡۚ كَبُرَتۡ كَلِمَةٗ تَخۡرُجُ مِنۡ أَفۡوَٰهِهِمۡۚ إِن يَقُولُونَ إِلَّا كَذِبٗا
Tsy manam-pahalalana momba izany izy ireo, na ireo razambeny koa. Maharikoriko ny teny izay mivoaka avy amin’ny vavan’izy ireo ! Tsy miteny afa-tsy ny lainga izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلَعَلَّكَ بَٰخِعٞ نَّفۡسَكَ عَلَىٰٓ ءَاثَٰرِهِمۡ إِن لَّمۡ يُؤۡمِنُواْ بِهَٰذَا ٱلۡحَدِيثِ أَسَفًا
Ary angamba ianao (ry Mohamady) hamono ny tenanao amin’ny alahelo nohon’ny fandavan’izy ireo raha tsy mino ity lahateny ity izy ireo !
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّا جَعَلۡنَا مَا عَلَى ٱلۡأَرۡضِ زِينَةٗ لَّهَا لِنَبۡلُوَهُمۡ أَيُّهُمۡ أَحۡسَنُ عَمَلٗا
Marina fa nataonay izay rehetra eto ambonin’ny tany ho haingony, mba hitsapanay azy ireo hoe iza amin’izy ireo no tena mpanao ny asa soa.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَإِنَّا لَجَٰعِلُونَ مَا عَلَيۡهَا صَعِيدٗا جُرُزًا
Ary marina fa Izahay dia hanao izay rehetra eo aminy (tany) ho karakaina.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَمۡ حَسِبۡتَ أَنَّ أَصۡحَٰبَ ٱلۡكَهۡفِ وَٱلرَّقِيمِ كَانُواْ مِنۡ ءَايَٰتِنَا عَجَبًا
Moa mihevitra ve ianao fa ireo olon’ny lava-bato sy «Ar-Raqim » dia tena anisan’ny fahagaganay mampitolagaga ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِذۡ أَوَى ٱلۡفِتۡيَةُ إِلَى ٱلۡكَهۡفِ فَقَالُواْ رَبَّنَآ ءَاتِنَا مِن لَّدُنكَ رَحۡمَةٗ وَهَيِّئۡ لَنَا مِنۡ أَمۡرِنَا رَشَدٗا
(Tsarovy ry Mohamady) raha nitoetra tao anatin’ilay lava-bato ireo tanora, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Tomponay oh ! Omeo famindram-po avy Aminao izahay, ary hamorao aminay ny fahitsiana amin’izay rehetra momba anay.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَضَرَبۡنَا عَلَىٰٓ ءَاذَانِهِمۡ فِي ٱلۡكَهۡفِ سِنِينَ عَدَدٗا
Ka nataonay marenina ny sofin’izy ireo, tao anaty lava-bato, nandritran'ny taona maro.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ثُمَّ بَعَثۡنَٰهُمۡ لِنَعۡلَمَ أَيُّ ٱلۡحِزۡبَيۡنِ أَحۡصَىٰ لِمَا لَبِثُوٓاْ أَمَدٗا
Avy eo, dia nofohazinay izy ireo, mba hahafantaranay, iza amin’ny andiany roa ireo no mahay manisa indrindra ny fotoana nijanonan’izy ireo tao.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
نَّحۡنُ نَقُصُّ عَلَيۡكَ نَبَأَهُم بِٱلۡحَقِّۚ إِنَّهُمۡ فِتۡيَةٌ ءَامَنُواْ بِرَبِّهِمۡ وَزِدۡنَٰهُمۡ هُدٗى
Izahay dia mitantara aminao (ry Mohamady) ny tantaran’izy ireo, amim-pahamarinana. Marina fa izy ireo dia tanora nino ny Tompony, ka nohamafisinay tamin’izy ireo ny tari-dàlana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَرَبَطۡنَا عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ إِذۡ قَامُواْ فَقَالُواْ رَبُّنَا رَبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ لَن نَّدۡعُوَاْ مِن دُونِهِۦٓ إِلَٰهٗاۖ لَّقَدۡ قُلۡنَآ إِذٗا شَطَطًا
Ary nataonay mafy orina tao am-pon’izy ireo, rehefa nitsangana izy ireo, ny fiitenenana hoe : “Ny Tomponay no Tompon’ireo lanitra sy ny tany, tsy hitalaho na oviana na oviana amin’ny zanahary hafa ankoatra Azy izahay, raha tsy izany, dia namoaka fiteny miala ny fahamarinana izahay.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
هَٰٓؤُلَآءِ قَوۡمُنَا ٱتَّخَذُواْ مِن دُونِهِۦٓ ءَالِهَةٗۖ لَّوۡلَا يَأۡتُونَ عَلَيۡهِم بِسُلۡطَٰنِۭ بَيِّنٖۖ فَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّنِ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبٗا
Ireny vahoakanay ireny dia nandray zanahary hafa ankoatr'Azy (Allah). Maninona moa izy ireo no tsy nitondra porofo mazava mikasika izany ? Ka iza no tena mpanao ny tsy rariny mihoatra izay mamoron-dainga mahakasik'I Allah ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: കഹ്ഫ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക