Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: മുഅ്മിനൂൻ   ആയത്ത്:
وَأَنزَلۡنَا مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءَۢ بِقَدَرٖ فَأَسۡكَنَّٰهُ فِي ٱلۡأَرۡضِۖ وَإِنَّا عَلَىٰ ذَهَابِۭ بِهِۦ لَقَٰدِرُونَ
Ary nampidina rano avy any an-danitra araka ny fatrany Izahay. Ary notehirizinay tao anaty tany izany, nefa na izany aza dia azonay atao ny mampanjavona azy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَأَنشَأۡنَا لَكُم بِهِۦ جَنَّٰتٖ مِّن نَّخِيلٖ وَأَعۡنَٰبٖ لَّكُمۡ فِيهَا فَوَٰكِهُ كَثِيرَةٞ وَمِنۡهَا تَأۡكُلُونَ
Miaraka amin'ny (rano), nampanirinay ho anareo ny zaridain-kazo palma sy voaloboka izay ahazoanareo ireo voankazo maro, ary hohaninareo ny sasany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَشَجَرَةٗ تَخۡرُجُ مِن طُورِ سَيۡنَآءَ تَنۢبُتُ بِٱلدُّهۡنِ وَصِبۡغٖ لِّلۡأٓكِلِينَ
Ary koa ny hazo anankiray (oliva) izay mitsiry eny amin’ny tendrombohitr’i Sinay, izay manome menaka fanosotra sy ampiasaina amin’ny sakafo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَإِنَّ لَكُمۡ فِي ٱلۡأَنۡعَٰمِ لَعِبۡرَةٗۖ نُّسۡقِيكُم مِّمَّا فِي بُطُونِهَا وَلَكُمۡ فِيهَا مَنَٰفِعُ كَثِيرَةٞ وَمِنۡهَا تَأۡكُلُونَ
Marina fa amin’ireo biby fiompy dia misy azonareo hodinihana, nomenay hosotroinareo izay anatin’ny kibon’izy ireo, ary ahazoanareo tombontsoa maro samihafa izany raha mihinana amin’izany ianareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَعَلَيۡهَا وَعَلَى ٱلۡفُلۡكِ تُحۡمَلُونَ
Izy ireo sy ny sambo no mitondra anareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا نُوحًا إِلَىٰ قَوۡمِهِۦ فَقَالَ يَٰقَوۡمِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُۥٓۚ أَفَلَا تَتَّقُونَ
Nalefanay any amin’ny vahoakany I Noa, ka niteny izy hoe : “ Ô ry vahoakako ! Tompoinareo i Allah, tsy manana zanahary hafa ankoatra Azy ianareo. Moa tsy matahotra Azy ve ianareo ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَقَالَ ٱلۡمَلَؤُاْ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِن قَوۡمِهِۦ مَا هَٰذَآ إِلَّا بَشَرٞ مِّثۡلُكُمۡ يُرِيدُ أَن يَتَفَضَّلَ عَلَيۡكُمۡ وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ لَأَنزَلَ مَلَٰٓئِكَةٗ مَّا سَمِعۡنَا بِهَٰذَا فِيٓ ءَابَآئِنَا ٱلۡأَوَّلِينَ
Ary dia niteny ireo loholona izay tsy nino tamin’ireo vahoakany hoe : “Tsy iza akory izy, fa olombelona tahaka anareo ihany, izay te-hisongadina ho amboninareo. Raha sitrak’i Allah dia ho nampidina ireo Anjely Izy. Tsy mbola naheno an’izany mihitsy izahay tamin’ireo razambenay fahiny.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنۡ هُوَ إِلَّا رَجُلُۢ بِهِۦ جِنَّةٞ فَتَرَبَّصُواْ بِهِۦ حَتَّىٰ حِينٖ
Tsy inona akory izany afa-tsy lehilahy azon’ny adalàna, ka andrasanareo fa hodinihana tsara mandritra ny fotoana vitsivitsy ny fihetsiny.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ رَبِّ ٱنصُرۡنِي بِمَا كَذَّبُونِ
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Vonjeo aho amin'ny lainga izay nataon'izy ireo tamiko ”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَأَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡهِ أَنِ ٱصۡنَعِ ٱلۡفُلۡكَ بِأَعۡيُنِنَا وَوَحۡيِنَا فَإِذَا جَآءَ أَمۡرُنَا وَفَارَ ٱلتَّنُّورُ فَٱسۡلُكۡ فِيهَا مِن كُلّٖ زَوۡجَيۡنِ ٱثۡنَيۡنِ وَأَهۡلَكَ إِلَّا مَن سَبَقَ عَلَيۡهِ ٱلۡقَوۡلُ مِنۡهُمۡۖ وَلَا تُخَٰطِبۡنِي فِي ٱلَّذِينَ ظَلَمُوٓاْ إِنَّهُم مُّغۡرَقُونَ
Nilaza taminy Izahay hoe : “Amboary eto imasonay ny sambofiara, araka ny fanambarànay, ka rehefa tonga ny didinay, sy hangotraka ny lafaoro dia ampidiro tsiroaroa, mpivady avy (lahy sy vavy) ireo zava-manan’aina isaka ny karazany ao anaty sambofiara, ary koa ny fianakavinao afa-tsy ireo izay efa nametrahana teny mialoha tsy ho amin’izany (tsy voaavotra amin’ny safo-drano), koa aza miresaka amiko intsony ianao mahakasika ireo mpanao ny tsy rariny, fa ho rendrika tanteraka izy ireny.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: മുഅ്മിനൂൻ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക