Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ന്നൂർ   ആയത്ത്:
قُلۡ أَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُواْ ٱلرَّسُولَۖ فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنَّمَا عَلَيۡهِ مَا حُمِّلَ وَعَلَيۡكُم مَّا حُمِّلۡتُمۡۖ وَإِن تُطِيعُوهُ تَهۡتَدُواْۚ وَمَا عَلَى ٱلرَّسُولِ إِلَّا ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ
Teneno hoe : “Ankatoavinareo I Allah, ary ankatoavinareo koa ny Irany, raha mitodi-damosina izy ireo, dia tsy tompon’andraikitra izy afa-tsy izay nankinina taminy, ary ianareo dia tsy tompon’andraikitra afa-tsy izay nankinina taminareo. Ary raha mankato azy ianareo, dia voatarika (tsara) ianareo”. Tsy inona akory ny (andraikitra) ny Iraka afa-tsy ny fampielezana tena mazava tsara (ny hafatra).
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَعَدَ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مِنكُمۡ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَيَسۡتَخۡلِفَنَّهُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ كَمَا ٱسۡتَخۡلَفَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ وَلَيُمَكِّنَنَّ لَهُمۡ دِينَهُمُ ٱلَّذِي ٱرۡتَضَىٰ لَهُمۡ وَلَيُبَدِّلَنَّهُم مِّنۢ بَعۡدِ خَوۡفِهِمۡ أَمۡنٗاۚ يَعۡبُدُونَنِي لَا يُشۡرِكُونَ بِي شَيۡـٔٗاۚ وَمَن كَفَرَ بَعۡدَ ذَٰلِكَ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ
Ary I Allah dia nampanantena ireo izay nino aminareo sy nanao ireo asa soa, fa omeny azy ireo ny fifandimbiasana eto ambonin’ny tany, tahaka ny nanomezany izany ireo talohan’izy ireo, omeny hery sy fahamboniana ny finoan’izy ireo izay nankasitrahiny ho azy ireo. Ary tena ho soloiny ho azy ireo ny fatahorany teo taloha ho fitoniana, manompo Ahy izy ireo ary tsy manankambana Ahy amin’ny zavatra hafa, ary izay tsy mino aorian’izany, izy ireny no tena mpanao ratsy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ وَأَطِيعُواْ ٱلرَّسُولَ لَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ
Tanterahanareo ny soalat (vavaka), omenareo ny zakat (harena fiantrana), ary ankatoavinareo ny Iraka. Angamba ianareo ahazo ny famindram-po.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَا تَحۡسَبَنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مُعۡجِزِينَ فِي ٱلۡأَرۡضِۚ وَمَأۡوَىٰهُمُ ٱلنَّارُۖ وَلَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ
Aza mihevitra ianao fa ireo izay tsy mino dia afaka hanohitra ny fahefan’I Allah eto an-tany, ny toeram-pialofan’izy ireo dia ny afo be, fiafarana ratsy tokoa Izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لِيَسۡتَـٔۡذِنكُمُ ٱلَّذِينَ مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُكُمۡ وَٱلَّذِينَ لَمۡ يَبۡلُغُواْ ٱلۡحُلُمَ مِنكُمۡ ثَلَٰثَ مَرَّٰتٖۚ مِّن قَبۡلِ صَلَوٰةِ ٱلۡفَجۡرِ وَحِينَ تَضَعُونَ ثِيَابَكُم مِّنَ ٱلظَّهِيرَةِ وَمِنۢ بَعۡدِ صَلَوٰةِ ٱلۡعِشَآءِۚ ثَلَٰثُ عَوۡرَٰتٖ لَّكُمۡۚ لَيۡسَ عَلَيۡكُمۡ وَلَا عَلَيۡهِمۡ جُنَاحُۢ بَعۡدَهُنَّۚ طَوَّٰفُونَ عَلَيۡكُم بَعۡضُكُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖۚ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمُ ٱلۡأٓيَٰتِۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٞ
Ô ianareo izay nino ! Aoka hangata-dalana alohany hidirany aminareo, ireo andevonareo, ary koa ireo mbola tsy ampy taona aminareo amin’ny fotoana telo : alohan’ny vavaka maraina (soalat fadjr), amin’ny atoandro mitatao vovonana raha manala ny fitafinareo ianareo (soalat dhohr), ary aorian’ny vavaka amin’ny alina (soalat Incha); vanim-potoana telo mba hialanareo fitafiana, tsy misy tsiny na ho anareo na ho azy ireo aorian’ireo fotoana ireo, afaka mifanerasera ny andaniny sy ny ankilany aminareo. Toy izany no amelabelaran’I Allah aminareo ireo fanambarany. Fa I Allah dia mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ന്നൂർ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക