Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഖസസ്   ആയത്ത്:
وَلَمَّا بَلَغَ أَشُدَّهُۥ وَٱسۡتَوَىٰٓ ءَاتَيۡنَٰهُ حُكۡمٗا وَعِلۡمٗاۚ وَكَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Ary rehefa tonga tamin’ny fahamatoran-tsainy sy nahatratra ny fahafenoana ara-batana izy, dia nomenay fahafahana mitsara sy fahalalana izy. Ary tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao tsara.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَدَخَلَ ٱلۡمَدِينَةَ عَلَىٰ حِينِ غَفۡلَةٖ مِّنۡ أَهۡلِهَا فَوَجَدَ فِيهَا رَجُلَيۡنِ يَقۡتَتِلَانِ هَٰذَا مِن شِيعَتِهِۦ وَهَٰذَا مِنۡ عَدُوِّهِۦۖ فَٱسۡتَغَٰثَهُ ٱلَّذِي مِن شِيعَتِهِۦ عَلَى ٱلَّذِي مِنۡ عَدُوِّهِۦ فَوَكَزَهُۥ مُوسَىٰ فَقَضَىٰ عَلَيۡهِۖ قَالَ هَٰذَا مِنۡ عَمَلِ ٱلشَّيۡطَٰنِۖ إِنَّهُۥ عَدُوّٞ مُّضِلّٞ مُّبِينٞ
Ary niditra tao amin’ny tanàna izy tamin’ny fotoana nahavariana ny mponina tao aminy, ka nahita lehilahy roa izay niady tao izy, ny iray avy amin’ny andaniny mpomba azy, ary ny iray faharoa avy amin’ireo fahavalony. Niantso vonjy taminy ilay lehilahy avy amin’ny andaniny mpomba azy mba hanohitra ilay avy amin’ny fahavalony. Ka nomen’i Mosesy totohondry izay nahafaty azy izy. Niteny izy hoe : “Izany dia asan’ny satana. Tena marina fa izy dia fahavalo, mpanary miharihary.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ رَبِّ إِنِّي ظَلَمۡتُ نَفۡسِي فَٱغۡفِرۡ لِي فَغَفَرَ لَهُۥٓۚ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡغَفُورُ ٱلرَّحِيمُ
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Tena marina fa nanao hadisoana tamin’ny tenako ihany aho, ka mamelà ahy Ianao”. Dia namela azy Izy. Tena marina fa Izy no Ilay be Famelan-keloka, ilay be Indrafo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ رَبِّ بِمَآ أَنۡعَمۡتَ عَلَيَّ فَلَنۡ أَكُونَ ظَهِيرٗا لِّلۡمُجۡرِمِينَ
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Nohon'ny fahasoavana natobakao tamiko, dia tsy hanohana ireo mpanao heloka be vava intsony aho”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَأَصۡبَحَ فِي ٱلۡمَدِينَةِ خَآئِفٗا يَتَرَقَّبُ فَإِذَا ٱلَّذِي ٱسۡتَنصَرَهُۥ بِٱلۡأَمۡسِ يَسۡتَصۡرِخُهُۥۚ قَالَ لَهُۥ مُوسَىٰٓ إِنَّكَ لَغَوِيّٞ مُّبِينٞ
Ny ampitso maraina, dia lasa natahotra ny tao an-tanàna sy mijery ny manodidina azy izy. Ka indro indray ilay nangata-bonjy taminy omaly, nihiakiaka niantso azy. Niteny taminy i Mosesy hoe : “Marina fa ianao dia tena very tokoa”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلَمَّآ أَنۡ أَرَادَ أَن يَبۡطِشَ بِٱلَّذِي هُوَ عَدُوّٞ لَّهُمَا قَالَ يَٰمُوسَىٰٓ أَتُرِيدُ أَن تَقۡتُلَنِي كَمَا قَتَلۡتَ نَفۡسَۢا بِٱلۡأَمۡسِۖ إِن تُرِيدُ إِلَّآ أَن تَكُونَ جَبَّارٗا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَا تُرِيدُ أَن تَكُونَ مِنَ ٱلۡمُصۡلِحِينَ
Ary rehefa mila hamely ilay fahavalo iombonan’izy roa lahy izy, dia niteny izy nanao hoe : “Ô ry Mosesy ! Mitady hamono ahy ve ianao tahaka ny namonoanao olona omaly ? Tsy mitady afa-tsy ho mpanao herisetra eto an-tany ianao, ary tsy mitady ho anisan’ireo mpanatsara”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَجَآءَ رَجُلٞ مِّنۡ أَقۡصَا ٱلۡمَدِينَةِ يَسۡعَىٰ قَالَ يَٰمُوسَىٰٓ إِنَّ ٱلۡمَلَأَ يَأۡتَمِرُونَ بِكَ لِيَقۡتُلُوكَ فَٱخۡرُجۡ إِنِّي لَكَ مِنَ ٱلنَّٰصِحِينَ
Ary dia indro tonga am-pihazakazahana ny lehilahy anankiray avy amin’ny faran’ny tanàna, niteny hoe : “Ô ry Mosesy ! Ireo loholona dia eo am-pikaonan-doha mifandinika momba ny hamonoan’izy ireo anao. Ka mivoaha ianao ! Anisan’ireo mpanoro hevitra anao aho”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَخَرَجَ مِنۡهَا خَآئِفٗا يَتَرَقَّبُۖ قَالَ رَبِّ نَجِّنِي مِنَ ٱلۡقَوۡمِ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ka nivoaka niala tao izy, amim-patahorana, sady mjery ny manodidina azy. Niteny izy nanao hoe : “Tompo ô ! Vonjeo aho amin’ny vahoaka mpanao ny tsy rariny”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഖസസ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക