Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ആലുഇംറാൻ   ആയത്ത്:
أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ أُوتُواْ نَصِيبٗا مِّنَ ٱلۡكِتَٰبِ يُدۡعَوۡنَ إِلَىٰ كِتَٰبِ ٱللَّهِ لِيَحۡكُمَ بَيۡنَهُمۡ ثُمَّ يَتَوَلَّىٰ فَرِيقٞ مِّنۡهُمۡ وَهُم مُّعۡرِضُونَ
Tsy hitanao ve ireo izay nomena anjara tamin’ny Boky [41] ? Antsoina izy ireo mankany amin’ny Bokin’i Allah mba hitsara azy ireo; avy eo dia miamboho ny andiany amin’izy ireo ka mitodi-damosina.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ قَالُواْ لَن تَمَسَّنَا ٱلنَّارُ إِلَّآ أَيَّامٗا مَّعۡدُودَٰتٖۖ وَغَرَّهُمۡ فِي دِينِهِم مَّا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ
Izany, noho ny filazan’izy ireo : “Tsy hikasika anay velively ny afo, raha tsy andro vitsy azo isaina”. Ka dia nahavery azy ireny tokoa teo amin’ny finoany izany lainga noforonin’izy ireo izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَكَيۡفَ إِذَا جَمَعۡنَٰهُمۡ لِيَوۡمٖ لَّا رَيۡبَ فِيهِ وَوُفِّيَتۡ كُلُّ نَفۡسٖ مَّا كَسَبَتۡ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ
Ary ahoana rehefa havorinay izy ireo ho amin’ny Andro izay tsy hisalasalana ny Aminy, ary omena ny tsirairay tanteraka ny vokatry ny asa nataon'izy ireo ary izy ireo dia tsy ho ambakaina.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُلِ ٱللَّهُمَّ مَٰلِكَ ٱلۡمُلۡكِ تُؤۡتِي ٱلۡمُلۡكَ مَن تَشَآءُ وَتَنزِعُ ٱلۡمُلۡكَ مِمَّن تَشَآءُ وَتُعِزُّ مَن تَشَآءُ وَتُذِلُّ مَن تَشَآءُۖ بِيَدِكَ ٱلۡخَيۡرُۖ إِنَّكَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Teneno hoe : " Ô Allah ! Tompon’ny fanjakana. Manome ny fanjakana ho an’izay sitrakao Ianao, sy mandrava ny fanjakana amin’izay sitrakao, ary manome hery izay sitrakao, ary manala-baraka izay sitrakao, eo am-pelatananao ny tsara rehetra. Tena marina fa Ianao dia Mahefa ny zava-drehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
تُولِجُ ٱلَّيۡلَ فِي ٱلنَّهَارِ وَتُولِجُ ٱلنَّهَارَ فِي ٱلَّيۡلِۖ وَتُخۡرِجُ ٱلۡحَيَّ مِنَ ٱلۡمَيِّتِ وَتُخۡرِجُ ٱلۡمَيِّتَ مِنَ ٱلۡحَيِّۖ وَتَرۡزُقُ مَن تَشَآءُ بِغَيۡرِ حِسَابٖ
Mampiditra ny alina ao anatin’ny Andro Ianao, ary mampiditra ny Andro ao anatin’ny alina, ary mamoaka ny velona avy amin’ny maty Ianao, ary mamoaka ny maty avy amin’ny velona. Ary manome izay sitrakao ny anjara tsy tambo isaina Ianao.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَّا يَتَّخِذِ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ ٱلۡكَٰفِرِينَ أَوۡلِيَآءَ مِن دُونِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۖ وَمَن يَفۡعَلۡ ذَٰلِكَ فَلَيۡسَ مِنَ ٱللَّهِ فِي شَيۡءٍ إِلَّآ أَن تَتَّقُواْ مِنۡهُمۡ تُقَىٰةٗۗ وَيُحَذِّرُكُمُ ٱللَّهُ نَفۡسَهُۥۗ وَإِلَى ٱللَّهِ ٱلۡمَصِيرُ
Aoka ireo mpino mba tsy handray ireo tsy mpino ho namana ankoatra ireo mpino. Fa izay manao izany dia tsy misy tokony hantenainy mihitsy avy amin’i Allah, afa-tsy hoe miaro ny Tenanareo eo anatrehan’izy ireo Ianareo. Ary mampitandrina Anareo ny Aminy i Tompo Allah. Fa any amin’i Allah no fiverenana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُلۡ إِن تُخۡفُواْ مَا فِي صُدُورِكُمۡ أَوۡ تُبۡدُوهُ يَعۡلَمۡهُ ٱللَّهُۗ وَيَعۡلَمُ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۗ وَٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Teneno hoe : “ Na afeninareo izay ao an-tratranareo, na abaribarinareo, dia fantatr’i Allah izany. Ary mahafantatra izay any amin’ireo lanitra sy izay eto an-tany Izy. Fa i Allah dia Mahefa ny zava-drehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ആലുഇംറാൻ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക