Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: യാസീൻ   ആയത്ത്:
أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ أَنَّا خَلَقۡنَا لَهُم مِّمَّا عَمِلَتۡ أَيۡدِينَآ أَنۡعَٰمٗا فَهُمۡ لَهَا مَٰلِكُونَ
Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa Izahay no nahary ho azy ireo, avy tamin’izay nataon’ny Tananay, ny biby fiompy maro, ka lasa fananan’izy ireo izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَذَلَّلۡنَٰهَا لَهُمۡ فَمِنۡهَا رَكُوبُهُمۡ وَمِنۡهَا يَأۡكُلُونَ
Ary dia nataonay eo ambany fiadidian’izy ireo izany, ka misy amin’izy ireo no fitaingainana, ary misy koa amin’izy ireo natao fihinana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَهُمۡ فِيهَا مَنَٰفِعُ وَمَشَارِبُۚ أَفَلَا يَشۡكُرُونَ
Ary mbola manana tombontsoa hafa ihany koa izy ireo amin’izany, sy hataony zava-pisotro. Ka moa tsy mba mahalala mankasitraka ve izy ireo ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَٱتَّخَذُواْ مِن دُونِ ٱللَّهِ ءَالِهَةٗ لَّعَلَّهُمۡ يُنصَرُونَ
Kanefa dia naka zanahary hafa ankoatran'I Allah izy ireo, mba hanantena famonjena
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَا يَسۡتَطِيعُونَ نَصۡرَهُمۡ وَهُمۡ لَهُمۡ جُندٞ مُّحۡضَرُونَ
Izy ireny anefa dia tsy afaka hanavotra azy ireo ary hamorona miaramila hanohitra azy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلَا يَحۡزُنكَ قَوۡلُهُمۡۘ إِنَّا نَعۡلَمُ مَا يُسِرُّونَ وَمَا يُعۡلِنُونَ
Koa aoka áry tsy hampalahelo anao ny tenin’izy ireo ! Satria hamafisina fa fantatray izay afeniny sy izay aharihariny.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَوَلَمۡ يَرَ ٱلۡإِنسَٰنُ أَنَّا خَلَقۡنَٰهُ مِن نُّطۡفَةٖ فَإِذَا هُوَ خَصِيمٞ مُّبِينٞ
Moa tsy hitan’ny olombelona ve, fa Izahay tokoa no nahary azy, avy tamin’ny tsirin'aina indray mitete ? Kanefa indro izy ireo indray no mpanohitra miharihary.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَضَرَبَ لَنَا مَثَلٗا وَنَسِيَ خَلۡقَهُۥۖ قَالَ مَن يُحۡيِ ٱلۡعِظَٰمَ وَهِيَ رَمِيمٞ
Ary nanome fanoharana iray taminay izy, kanefa hadinony ny nahariana azy, ka hoy izy hoe : “Iza no hanome aina indray ireo taolana rehefa lasa vovoka ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُلۡ يُحۡيِيهَا ٱلَّذِيٓ أَنشَأَهَآ أَوَّلَ مَرَّةٖۖ وَهُوَ بِكُلِّ خَلۡقٍ عَلِيمٌ
Lazao hoe : “Ilay Nahary azy ireo tamin’ny voalohany, no hanome azy ireo aina indray, ary fantany avokoa ny zavaboary rehetra”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱلَّذِي جَعَلَ لَكُم مِّنَ ٱلشَّجَرِ ٱلۡأَخۡضَرِ نَارٗا فَإِذَآ أَنتُم مِّنۡهُ تُوقِدُونَ
Ilay nanao ny afo ho anareo avy amin’ny hazo maitso, ka indro fa mandrehitra afo avy amin’izany ianareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَوَلَيۡسَ ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ بِقَٰدِرٍ عَلَىٰٓ أَن يَخۡلُقَ مِثۡلَهُمۚ بَلَىٰ وَهُوَ ٱلۡخَلَّٰقُ ٱلۡعَلِيمُ
Moa tsy afaka hahary mitovy amin’izy ireo ve Ilay nahary ny lanitra sy ny tany ? Mifanohitra amin’izany tokoa, fa Izy no Ilay Mpahary tonga lafatra, Ilay mahalala ny zava-drehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّمَآ أَمۡرُهُۥٓ إِذَآ أَرَادَ شَيۡـًٔا أَن يَقُولَ لَهُۥ كُن فَيَكُونُ
Raha milaza zavatra iray Izy, dia mibaiko amin’ny teny manao hoe: “Misia”,dia misy tokoa izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَسُبۡحَٰنَ ٱلَّذِي بِيَدِهِۦ مَلَكُوتُ كُلِّ شَيۡءٖ وَإِلَيۡهِ تُرۡجَعُونَ
Koa Voninahitra anie ho an’Ilay mitána ny fanjakan’ny zava-drehetra eo am-pelantanany ! Ary any Aminy no hamerenana anareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: യാസീൻ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്'വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തതാണ്.

അടക്കുക