Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: സ്സുമർ   ആയത്ത്:
وَنُفِخَ فِي ٱلصُّورِ فَصَعِقَ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَن فِي ٱلۡأَرۡضِ إِلَّا مَن شَآءَ ٱللَّهُۖ ثُمَّ نُفِخَ فِيهِ أُخۡرَىٰ فَإِذَا هُمۡ قِيَامٞ يَنظُرُونَ
Ary ho tsofina ny Anjomara, ka rava izay any an-danitra sy ety an-tany, afa-tsy izay sitrak’I Allah. Avy eo dia ho tsofina fanindroany, ka indreo hitsangana hijery izy ireo .
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَشۡرَقَتِ ٱلۡأَرۡضُ بِنُورِ رَبِّهَا وَوُضِعَ ٱلۡكِتَٰبُ وَجِاْيٓءَ بِٱلنَّبِيِّـۧنَ وَٱلشُّهَدَآءِ وَقُضِيَ بَيۡنَهُم بِٱلۡحَقِّ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ
Ary hamirapiratrin'ny hazavan’ny Tompony ny tany, napetraka ny Boky dia hantsoina ireo Mpaminany, sy ireo vavolombelona, ary amim-pahamarinana no hanapahana ny amin’izy ireo, ka tsy hisy hiangarana mihitsy izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَوُفِّيَتۡ كُلُّ نَفۡسٖ مَّا عَمِلَتۡ وَهُوَ أَعۡلَمُ بِمَا يَفۡعَلُونَ
Ary homena ny tsirairay ny valin-kasasarana feno tanteraka, araka ny asa izay nataony. Ary Izy (Allah) no mahalala tanteraka izay rehetra nataon’izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَسِيقَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ إِلَىٰ جَهَنَّمَ زُمَرًاۖ حَتَّىٰٓ إِذَا جَآءُوهَا فُتِحَتۡ أَبۡوَٰبُهَا وَقَالَ لَهُمۡ خَزَنَتُهَآ أَلَمۡ يَأۡتِكُمۡ رُسُلٞ مِّنكُمۡ يَتۡلُونَ عَلَيۡكُمۡ ءَايَٰتِ رَبِّكُمۡ وَيُنذِرُونَكُمۡ لِقَآءَ يَوۡمِكُمۡ هَٰذَاۚ قَالُواْ بَلَىٰ وَلَٰكِنۡ حَقَّتۡ كَلِمَةُ ٱلۡعَذَابِ عَلَى ٱلۡكَٰفِرِينَ
Ary hotarihina isaka ny andiany ireo tsy mpino ho any amin’ny Afobe. Ka rehefa tonga eo anoloan'izy ireo dia ho sokafina ny varavarany, ary ireo mpiambina kosa dia hilaza amin’izy ireo hoe: “Moa tsy tonga taminareo ve ireo Iraka, izay namaky ho anareo ireo andininy avy tamin’ny Tomponareo, sady nampitandrina anareo amin’ny fihaonanareo amin’izao andro izao?”. Ka hamaly izy ireo hoe: “Eny! Nefa natao mendrika ho an’ireo tsy mpino ny didin’ny famaizana”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قِيلَ ٱدۡخُلُوٓاْ أَبۡوَٰبَ جَهَنَّمَ خَٰلِدِينَ فِيهَاۖ فَبِئۡسَ مَثۡوَى ٱلۡمُتَكَبِّرِينَ
Ho lazaina izy ireo hoe : “ Midira ao amin’ny varavaran’ny Afobe ianareo, ary mitoera ao mandrakizay ” Tena ratsy tokoa izany toeram-ponenan’ireo mpanambony tena izany!
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَسِيقَ ٱلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْ رَبَّهُمۡ إِلَى ٱلۡجَنَّةِ زُمَرًاۖ حَتَّىٰٓ إِذَا جَآءُوهَا وَفُتِحَتۡ أَبۡوَٰبُهَا وَقَالَ لَهُمۡ خَزَنَتُهَا سَلَٰمٌ عَلَيۡكُمۡ طِبۡتُمۡ فَٱدۡخُلُوهَا خَٰلِدِينَ
Ary ho tarihina amin’ny andiany ihany koa ireo nanam-pahatahorana ny Tompony, ka ho any amin’ny Paradisa. Rehefa tonga eo anoloany izy ireo, dia hisokatra ny varavarany, ka hiteny amin’izy ireo ny mpiambina izany hoe: “Fandriampahalemana ho anareo! Olo-mendrika tokoa ianareo, ka midira, ary mitoera ao mandrakizay ianareo”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَالُواْ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ ٱلَّذِي صَدَقَنَا وَعۡدَهُۥ وَأَوۡرَثَنَا ٱلۡأَرۡضَ نَتَبَوَّأُ مِنَ ٱلۡجَنَّةِ حَيۡثُ نَشَآءُۖ فَنِعۡمَ أَجۡرُ ٱلۡعَٰمِلِينَ
Ary hilaza izy ireo hoe : “ Dera sy voninahitra ho an’I Allah, izay nanatanteraka taminay ny fampanantenany, ary nampandova anay ny tany! Hitoetra ao amin’ny Paradisa amin’ny toerana izay tianay izahay. Hamafisina, fa tsara tokoa ny valisoan’ireo mpanao asa soa! ”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: സ്സുമർ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക