Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ന്നിസാഅ്   ആയത്ത്:
مَّن يُطِعِ ٱلرَّسُولَ فَقَدۡ أَطَاعَ ٱللَّهَۖ وَمَن تَوَلَّىٰ فَمَآ أَرۡسَلۡنَٰكَ عَلَيۡهِمۡ حَفِيظٗا
N’iza n’iza mankatò ny Iraka dia efa mankatò an’i Allah. Ary n’iza n’iza mitodi-damosina, dia tsy nalefanay ho mpiaro azy ireo ianao.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَيَقُولُونَ طَاعَةٞ فَإِذَا بَرَزُواْ مِنۡ عِندِكَ بَيَّتَ طَآئِفَةٞ مِّنۡهُمۡ غَيۡرَ ٱلَّذِي تَقُولُۖ وَٱللَّهُ يَكۡتُبُ مَا يُبَيِّتُونَۖ فَأَعۡرِضۡ عَنۡهُمۡ وَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱللَّهِۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ وَكِيلًا
Ary miteny izy ireo manao hoe : “Fankatoavana”. Fa rehefa miala eo aminao, ny ampahany amin’izy ireo dia manao tetika hafa ankoatra izay noteneninao. Ary I Allah dia manoratra izay ataon’izy ireo amin’ny alina. Ka iataho izy ireo, ary ankino amin’I Allah ny fitokisanao, ary ampy ho mpiaro I Allah.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَفَلَا يَتَدَبَّرُونَ ٱلۡقُرۡءَانَۚ وَلَوۡ كَانَ مِنۡ عِندِ غَيۡرِ ٱللَّهِ لَوَجَدُواْ فِيهِ ٱخۡتِلَٰفٗا كَثِيرٗا
Tsy mba mandinika ny Kor’any ve izy ireo ? Koa raha avy amin’ny hafa ankoatr’I Allah izany, dia tsy maintsy nahita fifanoheran-teny maro ao anatiny izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَإِذَا جَآءَهُمۡ أَمۡرٞ مِّنَ ٱلۡأَمۡنِ أَوِ ٱلۡخَوۡفِ أَذَاعُواْ بِهِۦۖ وَلَوۡ رَدُّوهُ إِلَى ٱلرَّسُولِ وَإِلَىٰٓ أُوْلِي ٱلۡأَمۡرِ مِنۡهُمۡ لَعَلِمَهُ ٱلَّذِينَ يَسۡتَنۢبِطُونَهُۥ مِنۡهُمۡۗ وَلَوۡلَا فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ وَرَحۡمَتُهُۥ لَٱتَّبَعۡتُمُ ٱلشَّيۡطَٰنَ إِلَّا قَلِيلٗا
Ary raha misy vaovao mampilamin-tsaina na mampatahotra tonga amin’izy ireo, dia efa ahelin’izy ireo avy hatrany izany. Nefa raha nentin’izy ireo tamin’ilay Iraka izany sy tamin’ny manam-pahefana eo amin’izy ireo, dia ho nahafantatra izany ireo izay afaka manadihady amin’izy ireo. Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah eo aminareo sy ny indrafony, dia ho nanaraka ny satana avokoa ianareo, afa-tsy ny vitsy an’isa.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَقَٰتِلۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ لَا تُكَلَّفُ إِلَّا نَفۡسَكَۚ وَحَرِّضِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۖ عَسَى ٱللَّهُ أَن يَكُفَّ بَأۡسَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْۚ وَٱللَّهُ أَشَدُّ بَأۡسٗا وَأَشَدُّ تَنكِيلٗا
Ka aoka hiady amin’ny lalan’I Allah ianao, aza manome andraikitra afa-tsy ny tenanao ihany. Ary amporisiho ireo mpino, angamba Allah hampitsahatra ny herisetran’ireo izay tsy nino. Allah no tena mahery sy tena mafy amin'ny famaizana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مَّن يَشۡفَعۡ شَفَٰعَةً حَسَنَةٗ يَكُن لَّهُۥ نَصِيبٞ مِّنۡهَاۖ وَمَن يَشۡفَعۡ شَفَٰعَةٗ سَيِّئَةٗ يَكُن لَّهُۥ كِفۡلٞ مِّنۡهَاۗ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ مُّقِيتٗا
N'iza n'iza manao fanelanelanana tsara, dia hanana anjara amin’izany izy. Ary n'iza n'iza manao fanelanelanana ratsy kosa, dia tompon’antoka amin’izany izy. Ary I Allah dia manam-pahefana amin’ny zava-drehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَإِذَا حُيِّيتُم بِتَحِيَّةٖ فَحَيُّواْ بِأَحۡسَنَ مِنۡهَآ أَوۡ رُدُّوهَآۗ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ حَسِيبًا
Ary rehefa arabaina amin’ny fiarahabana ianareo, dia miarahabà tsaratsaran’izany ianareo; na koa valio mitovy aminy. Tena marina fa I Allah no mpitsara ny zava-drehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ന്നിസാഅ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക