Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഗാഫിർ   ആയത്ത്:
وَلَقَدۡ جَآءَكُمۡ يُوسُفُ مِن قَبۡلُ بِٱلۡبَيِّنَٰتِ فَمَا زِلۡتُمۡ فِي شَكّٖ مِّمَّا جَآءَكُم بِهِۦۖ حَتَّىٰٓ إِذَا هَلَكَ قُلۡتُمۡ لَن يَبۡعَثَ ٱللَّهُ مِنۢ بَعۡدِهِۦ رَسُولٗاۚ كَذَٰلِكَ يُضِلُّ ٱللَّهُ مَنۡ هُوَ مُسۡرِفٞ مُّرۡتَابٌ
Ary hamafisina, fa teo aloha, dia tonga teo aminareo niaraka tamin’ny porofo mazava tokoa i Josefa (Yousouf), saingy tsy nitsahatra nisalasala hatrany tamin’izay noentiny taminareo ianareo. Fa rehefa maty izy, dia hoy ianareo hoe: “tsy handefa Iraka aoriany intsony I Allah”. Toy izany no hamerezan’I Allah lalana ireo mpihoam-pefy sy mpisalasala.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱلَّذِينَ يُجَٰدِلُونَ فِيٓ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ بِغَيۡرِ سُلۡطَٰنٍ أَتَىٰهُمۡۖ كَبُرَ مَقۡتًا عِندَ ٱللَّهِ وَعِندَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْۚ كَذَٰلِكَ يَطۡبَعُ ٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ قَلۡبِ مُتَكَبِّرٖ جَبَّارٖ
Izay miady hevitra momba ireo fahagagana avy amin’I Allah, kanefa tsy misy porofo tonga teo aminy, dia tsy hankasitrahana tokoa eo anatrehan’I Allah sy ireo mpino izy. Toy izany no hanidian’I Allah ny fon’izay rehetra mpirehareha sy mpanjakazaka.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَالَ فِرۡعَوۡنُ يَٰهَٰمَٰنُ ٱبۡنِ لِي صَرۡحٗا لَّعَلِّيٓ أَبۡلُغُ ٱلۡأَسۡبَٰبَ
Ary hoy i Faraona hoe : “ Ô ry Hamana ! Anoreno tilikambo aho, mba hahatakatra ireo llana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَسۡبَٰبَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ فَأَطَّلِعَ إِلَىٰٓ إِلَٰهِ مُوسَىٰ وَإِنِّي لَأَظُنُّهُۥ كَٰذِبٗاۚ وَكَذَٰلِكَ زُيِّنَ لِفِرۡعَوۡنَ سُوٓءُ عَمَلِهِۦ وَصُدَّ عَنِ ٱلسَّبِيلِۚ وَمَا كَيۡدُ فِرۡعَوۡنَ إِلَّا فِي تَبَابٖ
Ireo lalan’ny lanitra, ka hitazanako ny Tompon’i Mosesy, satria heveriko, fa mpandainga izy”. Ary tahaka izany no nampihaingoana tamin’i Faraona ny asa ratsy izay nataony ho tsara, ary dia nihataka ny lalana mahitsy izy, ka natao ho rava ihany ny tetik’adin’i Faraona.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَالَ ٱلَّذِيٓ ءَامَنَ يَٰقَوۡمِ ٱتَّبِعُونِ أَهۡدِكُمۡ سَبِيلَ ٱلرَّشَادِ
Ary hoy ilay mpino hoe : “ ry vahoakako ! Manaraha ahy ianareo, fa ho tarihiko amin’ny lalan’ny fahitsiana ianareo ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَٰقَوۡمِ إِنَّمَا هَٰذِهِ ٱلۡحَيَوٰةُ ٱلدُّنۡيَا مَتَٰعٞ وَإِنَّ ٱلۡأٓخِرَةَ هِيَ دَارُ ٱلۡقَرَارِ
“ Ry vahoakako! Hamafisina, fa fahafinaretana mandalo ihany ity fiainana eto an-tany ity, fa ny any ankoatra kosa no fonenana maharitra ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مَنۡ عَمِلَ سَيِّئَةٗ فَلَا يُجۡزَىٰٓ إِلَّا مِثۡلَهَاۖ وَمَنۡ عَمِلَ صَٰلِحٗا مِّن ذَكَرٍ أَوۡ أُنثَىٰ وَهُوَ مُؤۡمِنٞ فَأُوْلَٰٓئِكَ يَدۡخُلُونَ ٱلۡجَنَّةَ يُرۡزَقُونَ فِيهَا بِغَيۡرِ حِسَابٖ
Izay manao asa ratsy, dia tsy ho valiana afa-tsy mitovy amin’izany ihany, fa izay lehilahy na vehivavy manao asa soa kosa, sady mpino, dia izy ireny no hiditra amin’ny Paradisa, ka hahazo ny anjaram-pivelomany tsy hisy fetrany izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഗാഫിർ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക