Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: സ്സുഖ്റുഫ്   ആയത്ത്:
وَٱلَّذِي نَزَّلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءَۢ بِقَدَرٖ فَأَنشَرۡنَا بِهِۦ بَلۡدَةٗ مَّيۡتٗاۚ كَذَٰلِكَ تُخۡرَجُونَ
Ilay mampidina rano avy eny amin’ny lanitra amin’ny antonony, ka amelomanay indray ny tanàna efa maty. Toy izany no hananganana anareo amin’ny maty.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَٱلَّذِي خَلَقَ ٱلۡأَزۡوَٰجَ كُلَّهَا وَجَعَلَ لَكُم مِّنَ ٱلۡفُلۡكِ وَٱلۡأَنۡعَٰمِ مَا تَرۡكَبُونَ
Ilay Nahary ireo mpivady rehetra, ary nanao sambo sy ireo biby ho fitaingainanareo,
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لِتَسۡتَوُۥاْ عَلَىٰ ظُهُورِهِۦ ثُمَّ تَذۡكُرُواْ نِعۡمَةَ رَبِّكُمۡ إِذَا ٱسۡتَوَيۡتُمۡ عَلَيۡهِ وَتَقُولُواْ سُبۡحَٰنَ ٱلَّذِي سَخَّرَ لَنَا هَٰذَا وَمَا كُنَّا لَهُۥ مُقۡرِنِينَ
Mba hipetrahanareo eo an-damosiny. Manaraka izany, dia aoka ianareo hahatsiaro ny soa avy amin’ny Tomponareo rehefa tafapetraka eo aminy ianareo, ary hitenenanareo hoe : “ Voninahitra ho an’ilay nampanaiky izao rehetra izao ho anay, nefa tsy afaka nahafehy izany izahay".
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَإِنَّآ إِلَىٰ رَبِّنَا لَمُنقَلِبُونَ
Ary any amin’ny Tomponay no hiverenanay.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَجَعَلُواْ لَهُۥ مِنۡ عِبَادِهِۦ جُزۡءًاۚ إِنَّ ٱلۡإِنسَٰنَ لَكَفُورٞ مُّبِينٌ
Ary dia nataon’izy ireo ho toy ny singa avy amin'I Allah ny sasany amin’ireo mpanompony. Hamafisina, fa tsy mahay mankasitraka tokoa ny olombelona.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَمِ ٱتَّخَذَ مِمَّا يَخۡلُقُ بَنَاتٖ وَأَصۡفَىٰكُم بِٱلۡبَنِينَ
Sa nangala zazavavy tamin’izay nohariany va Izy, ary nanome anareo zazalahy araka ny Safidiny ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَإِذَا بُشِّرَ أَحَدُهُم بِمَا ضَرَبَ لِلرَّحۡمَٰنِ مَثَلٗا ظَلَّ وَجۡهُهُۥ مُسۡوَدّٗا وَهُوَ كَظِيمٌ
Nefa raha ilazana ny iray amin’izy ireo,mitovy amin’izay lazainy ho an’ilay be Fiantrana, dia maloky ny alahelo lalina ny endriny.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَوَمَن يُنَشَّؤُاْ فِي ٱلۡحِلۡيَةِ وَهُوَ فِي ٱلۡخِصَامِ غَيۡرُ مُبِينٖ
Fa ahoana ?Ilay nobeazina teo anivon’ny haingo, izay tsy afaka miarotena amin’ny alalan’ny hevitra mazava eo anoloan’ny fifandirana (no heverinareo ho singa avy amin’Allah) ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَجَعَلُواْ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةَ ٱلَّذِينَ هُمۡ عِبَٰدُ ٱلرَّحۡمَٰنِ إِنَٰثًاۚ أَشَهِدُواْ خَلۡقَهُمۡۚ سَتُكۡتَبُ شَهَٰدَتُهُمۡ وَيُسۡـَٔلُونَ
Ary dia lazain’izy ireo ho vavy ireo Anjely mpanompon’ilay be Fiantrana !Fa vavolombelona tamin’ny nahariana izany va izy ireo ? Ho soratana ny fijoroany ho vavolombelona, ary dia hanontaniana ny amin’izany izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَالُواْ لَوۡ شَآءَ ٱلرَّحۡمَٰنُ مَا عَبَدۡنَٰهُمۗ مَّا لَهُم بِذَٰلِكَ مِنۡ عِلۡمٍۖ إِنۡ هُمۡ إِلَّا يَخۡرُصُونَ
Ary hoy izy ireo : “ Raha sitrak’ilay be Fiantrana, dia tsy ho nanompo azy ireo izahay.” Tsy manana fahalalana ny amin’izany izy ireo, fa tombatombana fotsiny ihany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَمۡ ءَاتَيۡنَٰهُمۡ كِتَٰبٗا مِّن قَبۡلِهِۦ فَهُم بِهِۦ مُسۡتَمۡسِكُونَ
Sa nomenay Boky iray kosa talohan’ny Koroany izy ireo, izay fikirin’izy ireo tsara ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
بَلۡ قَالُوٓاْ إِنَّا وَجَدۡنَآ ءَابَآءَنَا عَلَىٰٓ أُمَّةٖ وَإِنَّا عَلَىٰٓ ءَاثَٰرِهِم مُّهۡتَدُونَ
Fa izao kosa no lazain’izy ireo : “ Nahita ireo razam-benay tamin'ny fivavahana iray izahay, ka manaraka ny dian’izy ireo.”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: സ്സുഖ്റുഫ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക