Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഫത്ഹ്   ആയത്ത്:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يُبَايِعُونَكَ إِنَّمَا يُبَايِعُونَ ٱللَّهَ يَدُ ٱللَّهِ فَوۡقَ أَيۡدِيهِمۡۚ فَمَن نَّكَثَ فَإِنَّمَا يَنكُثُ عَلَىٰ نَفۡسِهِۦۖ وَمَنۡ أَوۡفَىٰ بِمَا عَٰهَدَ عَلَيۡهُ ٱللَّهَ فَسَيُؤۡتِيهِ أَجۡرًا عَظِيمٗا
Izay manao tokim-panoavana aminao dia manao tokim-panoavana amin’i Allah ihany koa, eo ambonin’ny tanan’izy ireo ny tanan’I Allah. Izay mandika ny fianianana, dia mandika izany ho an’ny tenany ihany; fa izay manatanteraka ny fifanekena tamin’I Allah kosa dia homeny valisoa lehibe tsy ho ela.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
سَيَقُولُ لَكَ ٱلۡمُخَلَّفُونَ مِنَ ٱلۡأَعۡرَابِ شَغَلَتۡنَآ أَمۡوَٰلُنَا وَأَهۡلُونَا فَٱسۡتَغۡفِرۡ لَنَاۚ يَقُولُونَ بِأَلۡسِنَتِهِم مَّا لَيۡسَ فِي قُلُوبِهِمۡۚ قُلۡ فَمَن يَمۡلِكُ لَكُم مِّنَ ٱللَّهِ شَيۡـًٔا إِنۡ أَرَادَ بِكُمۡ ضَرًّا أَوۡ أَرَادَ بِكُمۡ نَفۡعَۢاۚ بَلۡ كَانَ ٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرَۢا
Ireo arabo mpifindra fonenana sasany tavela taty aoriana, dia hiteny aminao hoe : “Nanahirana anay ireo fanananay sy ireo fianakavianay, koa mangataha famelana ho anay”. Lazain’izy ireo amin’ny lelany izany, fa tsy mitovy ao am-pony. Lazao hoe : “Iza àry no manana fahefana aminareo eo anatrehan’I Allah, raha te-hanasazy anareo Izy, na te-hanao soa anareo ?" Saingy mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
بَلۡ ظَنَنتُمۡ أَن لَّن يَنقَلِبَ ٱلرَّسُولُ وَٱلۡمُؤۡمِنُونَ إِلَىٰٓ أَهۡلِيهِمۡ أَبَدٗا وَزُيِّنَ ذَٰلِكَ فِي قُلُوبِكُمۡ وَظَنَنتُمۡ ظَنَّ ٱلسَّوۡءِ وَكُنتُمۡ قَوۡمَۢا بُورٗا
Noheverinareo fa tsy hiverina any amin’ny fianakaviany intsony ireo mpino sy ny Iraka. Koa dia nibahana tao am-ponareo izany, ary nanana hevi-dratsy ianareo. Ka lasa olom-bery.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَن لَّمۡ يُؤۡمِنۢ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ فَإِنَّآ أَعۡتَدۡنَا لِلۡكَٰفِرِينَ سَعِيرٗا
Ary na iza na iza tsy mino an’I Allah sy ny Irany dia hamafisina fa nanomana afo mamaivay Izahay ho an’ireo tsy mpino.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلِلَّهِ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ يَغۡفِرُ لِمَن يَشَآءُ وَيُعَذِّبُ مَن يَشَآءُۚ وَكَانَ ٱللَّهُ غَفُورٗا رَّحِيمٗا
An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany .Mamela ny helok’izay tiany havela Izy, ary manafay izay tiany ho faizina. Fa mpamela heloka sy be indrafo hatrany Allah.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
سَيَقُولُ ٱلۡمُخَلَّفُونَ إِذَا ٱنطَلَقۡتُمۡ إِلَىٰ مَغَانِمَ لِتَأۡخُذُوهَا ذَرُونَا نَتَّبِعۡكُمۡۖ يُرِيدُونَ أَن يُبَدِّلُواْ كَلَٰمَ ٱللَّهِۚ قُل لَّن تَتَّبِعُونَا كَذَٰلِكُمۡ قَالَ ٱللَّهُ مِن قَبۡلُۖ فَسَيَقُولُونَ بَلۡ تَحۡسُدُونَنَاۚ بَلۡ كَانُواْ لَا يَفۡقَهُونَ إِلَّا قَلِيلٗا
Hiteny ireo tavela tany aoriana, rehefa nandeha ho any amin’ny fananana nobaboina ianareo mba haka izany hoe : “Avelao izahay hanaraka anareo”. Tian’izy ireo hovana ny tenin’I Allah. Lazao hoe : “Aza manaraka anay mihitsy ianareo, fa izany no efa nambaran’I Allah “. Saingy hiteny izy ireo hoe : “ Mialona anay ianareo”. Kanefa kely ihany ny fahafantaran’izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഫത്ഹ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക