Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: മാഇദ   ആയത്ത്:
أُحِلَّ لَكُمۡ صَيۡدُ ٱلۡبَحۡرِ وَطَعَامُهُۥ مَتَٰعٗا لَّكُمۡ وَلِلسَّيَّارَةِۖ وَحُرِّمَ عَلَيۡكُمۡ صَيۡدُ ٱلۡبَرِّ مَا دُمۡتُمۡ حُرُمٗاۗ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ ٱلَّذِيٓ إِلَيۡهِ تُحۡشَرُونَ
Tsy voarara ho anareo ireo hazan-dranomasina ary ny sakafo ao aminy ,mba ho fahafinaretana ho anareo sy ho an’ny mpandeha lavitra. Ary tsy azonareo atao ny mihaza an-tanety raha mbola ao anatin’ny Ihram ianareo. Ary matahora an'I Allah ianareo, any Aminy no hamoriana anareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
۞ جَعَلَ ٱللَّهُ ٱلۡكَعۡبَةَ ٱلۡبَيۡتَ ٱلۡحَرَامَ قِيَٰمٗا لِّلنَّاسِ وَٱلشَّهۡرَ ٱلۡحَرَامَ وَٱلۡهَدۡيَ وَٱلۡقَلَٰٓئِدَۚ ذَٰلِكَ لِتَعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَأَنَّ ٱللَّهَ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٌ
Nataon’I Allah ny Ka’aba, ilay trano masina ho fitsanganan’ny olona , ny volana masina sy ireo atao fanatitra ary ny haingo famantarana . Izany dia mba ahafantaranareo fa I Allah dia Mahalala izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany, ary Allah dia Mahafantatra ny zava-drehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ شَدِيدُ ٱلۡعِقَابِ وَأَنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Fantaronareo fa I Allah dia tena mafy sazy ary koa I Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مَّا عَلَى ٱلرَّسُولِ إِلَّا ٱلۡبَلَٰغُۗ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ مَا تُبۡدُونَ وَمَا تَكۡتُمُونَ
Tsy manana adidy ny Iraka afa-tsy ny fampitana ny hafatra, ary Allah dia mafantatra izay abaribarinareo sy izay afeninareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُل لَّا يَسۡتَوِي ٱلۡخَبِيثُ وَٱلطَّيِّبُ وَلَوۡ أَعۡجَبَكَ كَثۡرَةُ ٱلۡخَبِيثِۚ فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ يَٰٓأُوْلِي ٱلۡأَلۡبَٰبِ لَعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ
Teneno hoe : “Tsy mitovy ny ratsy sy ny tsara na dia mahaliana anao aza ny fahabetsahan’ny ratsy, koa mahatahora an’I Allah ianareo ry mahatsilo saina, angamba ahazo fahombiazana ianareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَسۡـَٔلُواْ عَنۡ أَشۡيَآءَ إِن تُبۡدَ لَكُمۡ تَسُؤۡكُمۡ وَإِن تَسۡـَٔلُواْ عَنۡهَا حِينَ يُنَزَّلُ ٱلۡقُرۡءَانُ تُبۡدَ لَكُمۡ عَفَا ٱللَّهُ عَنۡهَاۗ وَٱللَّهُ غَفُورٌ حَلِيمٞ
O ianareo mpino ! Aoka ianareo tsy hanontany zavatra maro, raha aseho anareo izany dia hanahirana anareo , ary raha manontany izany ianareo eo amin’ny fotoana ampidinana ny Kor'any, dia haseho aminareo izany. Efa navelan’I Allah ny elokareo ny amin’izany. Ary Allah dia be Famelan-keloka sy tsara Fanahy indrindra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَدۡ سَأَلَهَا قَوۡمٞ مِّن قَبۡلِكُمۡ ثُمَّ أَصۡبَحُواْ بِهَا كَٰفِرِينَ
Efa nisy nanontany izany ny vahoaka teo alohanareo, avy eo nitarika azy ireo tsy mpino izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مَا جَعَلَ ٱللَّهُ مِنۢ بَحِيرَةٖ وَلَا سَآئِبَةٖ وَلَا وَصِيلَةٖ وَلَا حَامٖ وَلَٰكِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ يَفۡتَرُونَ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَۖ وَأَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡقِلُونَ
Allah dia tsy nanao ny Bahîraty [80], ny Sâibaty [81], ny Oasîlaty [82], Hâmy [83], fa kosa ireo tsy mpino no namorona lainga mahakasika an'I Allah. Ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy misaina.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: മാഇദ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക