Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഹശ്ർ   ആയത്ത്:
فَكَانَ عَٰقِبَتَهُمَآ أَنَّهُمَا فِي ٱلنَّارِ خَٰلِدَيۡنِ فِيهَاۚ وَذَٰلِكَ جَزَٰٓؤُاْ ٱلظَّٰلِمِينَ
Any amin’ny afo no fiafaran’izy roa tonta, ka hitoetra ao mandrakizay, izany no hamaliana ireo mpanao ny tsy rariny.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَلۡتَنظُرۡ نَفۡسٞ مَّا قَدَّمَتۡ لِغَدٖۖ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَۚ إِنَّ ٱللَّهَ خَبِيرُۢ بِمَا تَعۡمَلُونَ
Ianareo mpino ! Matahora an’I Allah ianareo. Aoka samy handinika tsara izay nataony ho an’ny rahampitso ny tsirairay ary matahora an’I Allah ianareo, fa mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَا تَكُونُواْ كَٱلَّذِينَ نَسُواْ ٱللَّهَ فَأَنسَىٰهُمۡ أَنفُسَهُمۡۚ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ
Ary aza manao tahaka ireo izay nanadino an’I Allah, ka nataon’i Allah nanadino ny tenany izy ireo, izy ireny no ratsy fitondran-tena.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَا يَسۡتَوِيٓ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِ وَأَصۡحَٰبُ ٱلۡجَنَّةِۚ أَصۡحَٰبُ ٱلۡجَنَّةِ هُمُ ٱلۡفَآئِزُونَ
Tsy hitovy ireo olon’ny afo, sy ireo olon’ny Paradisa, ireo olon'ny Paradisa no mpandresy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَوۡ أَنزَلۡنَا هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانَ عَلَىٰ جَبَلٖ لَّرَأَيۡتَهُۥ خَٰشِعٗا مُّتَصَدِّعٗا مِّنۡ خَشۡيَةِ ٱللَّهِۚ وَتِلۡكَ ٱلۡأَمۡثَٰلُ نَضۡرِبُهَا لِلنَّاسِ لَعَلَّهُمۡ يَتَفَكَّرُونَ
Raha nampidininay tamina tendrombohitra ity Koroany ity, dia hitanao fa nanetri-tena izy, ka nitresaka nohon'ny tahotra an’I Allah, fa ireny fanoharana ireny, dia ambaranay amin’ny olona mba hieritreretany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
هُوَ ٱللَّهُ ٱلَّذِي لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ عَٰلِمُ ٱلۡغَيۡبِ وَٱلشَّهَٰدَةِۖ هُوَ ٱلرَّحۡمَٰنُ ٱلرَّحِيمُ
Izy no Allah. Tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy, Ilay mahafantatra ny zava-miafina sy ny hita maso. Izy no ilay be fiantrana, Ilay be indrafo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
هُوَ ٱللَّهُ ٱلَّذِي لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡمَلِكُ ٱلۡقُدُّوسُ ٱلسَّلَٰمُ ٱلۡمُؤۡمِنُ ٱلۡمُهَيۡمِنُ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡجَبَّارُ ٱلۡمُتَكَبِّرُۚ سُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ عَمَّا يُشۡرِكُونَ
Izy no Allah, tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy ; Ilay Tompo, Ilay masina, Ilay mampitony, Ilay mampatoky, Ilay mahery indrindra, Ilay tsitoha, Ilay mpifehy, Ilay mpirehareha. Voninahitra ho an’I Allah ! Ambony lavitra noho izay atambatr’izy ireo Aminy Izy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
هُوَ ٱللَّهُ ٱلۡخَٰلِقُ ٱلۡبَارِئُ ٱلۡمُصَوِّرُۖ لَهُ ٱلۡأَسۡمَآءُ ٱلۡحُسۡنَىٰۚ يُسَبِّحُ لَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
Izy no Allah, Ilay mpahary, Ilay manome ny fiandoahan'ny zava-drehetra, Ilay mpanome endrika azy ireo ny anarana tsara indrindra, manome voninahitra Azy avokoa, izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay be fahendrena.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഹശ്ർ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക