Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഇൻസാൻ   ആയത്ത്:
عَيۡنٗا يَشۡرَبُ بِهَا عِبَادُ ٱللَّهِ يُفَجِّرُونَهَا تَفۡجِيرٗا
Avy amin'ny loharano no hisotroan'ireo mpanompon'I Allah, hiboiboika maro ao izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يُوفُونَ بِٱلنَّذۡرِ وَيَخَافُونَ يَوۡمٗا كَانَ شَرُّهُۥ مُسۡتَطِيرٗا
tanterahian'izy ireo ny voadiny, ary atahorany ny andro hiparitahan'ny ratsy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَيُطۡعِمُونَ ٱلطَّعَامَ عَلَىٰ حُبِّهِۦ مِسۡكِينٗا وَيَتِيمٗا وَأَسِيرًا
Ary manome sakafo ho an'ny mahantra izy ireo, ny kamboty, sy ny voababo na dia eo aza ny fitiavany izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّمَا نُطۡعِمُكُمۡ لِوَجۡهِ ٱللَّهِ لَا نُرِيدُ مِنكُمۡ جَزَآءٗ وَلَا شُكُورًا
ka miteny hoe : "Nohon'ny voninahitr'i Allah no anomezanay sakafo anareo, tsy mitady valisoa na fisaorana avy aminareo izahay.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّا نَخَافُ مِن رَّبِّنَا يَوۡمًا عَبُوسٗا قَمۡطَرِيرٗا
Matahotra ilay andro mampihorohoro sy feno loza avy amin'ny Tomponay izahay.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَوَقَىٰهُمُ ٱللَّهُ شَرَّ ذَٰلِكَ ٱلۡيَوۡمِ وَلَقَّىٰهُمۡ نَضۡرَةٗ وَسُرُورٗا
Koa harovan'I Allah amin'ny ratsy izy ireo amin'io andro io, ary hampifanojoany amin'ny hatsarana sy hafaliana,
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَجَزَىٰهُم بِمَا صَبَرُواْ جَنَّةٗ وَحَرِيرٗا
ka hamaliany izay niaretan'izy ireo, amin'ny fanomezana ny paradisa sy ny akanjo lasoà,
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مُّتَّكِـِٔينَ فِيهَا عَلَى ٱلۡأَرَآئِكِۖ لَا يَرَوۡنَ فِيهَا شَمۡسٗا وَلَا زَمۡهَرِيرٗا
Hitehin-kiho eo amin'ny seza lava izy ireo, tsy hahita (ny hamain'ny) masoandro, na hatsiaka mamirifiry.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَدَانِيَةً عَلَيۡهِمۡ ظِلَٰلُهَا وَذُلِّلَتۡ قُطُوفُهَا تَذۡلِيلٗا
Ary hanarona azy ireo ny haloky ny hazon'ny paradisa, ary hiondrika ambany ireo voankazony.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَيُطَافُ عَلَيۡهِم بِـَٔانِيَةٖ مِّن فِضَّةٖ وَأَكۡوَابٖ كَانَتۡ قَوَارِيرَا۠
Ary ampadalovina eo amin'izy ireo ny siny volafotsy sy ireo kapoaka mangirana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَوَارِيرَاْ مِن فِضَّةٖ قَدَّرُوهَا تَقۡدِيرٗا
Amin'ny volafotsy mangirana, izay voafatra tsara ny fisotro ao anatiny.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَيُسۡقَوۡنَ فِيهَا كَأۡسٗا كَانَ مِزَاجُهَا زَنجَبِيلًا
Ary hampisotroina rano amin'ny kaopy izay misy sakamalao izy ireo ao.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
عَيۡنٗا فِيهَا تُسَمَّىٰ سَلۡسَبِيلٗا
Notovozina tao amin'ny loharano antsoina hoe Salsabil.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
۞ وَيَطُوفُ عَلَيۡهِمۡ وِلۡدَٰنٞ مُّخَلَّدُونَ إِذَا رَأَيۡتَهُمۡ حَسِبۡتَهُمۡ لُؤۡلُؤٗا مَّنثُورٗا
Ary hisy tovolahy lalandava, hivezivezy eo amin'izy ireo. Raha mahita azy ireo ianao, dia heverinao ho toy ny vatosoa miparitaka izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَإِذَا رَأَيۡتَ ثَمَّ رَأَيۡتَ نَعِيمٗا وَمُلۡكٗا كَبِيرًا
Ary rehefa mijery any ianao, dia hahita fahafinaretana sy fanjakana midadasika.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
عَٰلِيَهُمۡ ثِيَابُ سُندُسٍ خُضۡرٞ وَإِسۡتَبۡرَقٞۖ وَحُلُّوٓاْ أَسَاوِرَ مِن فِضَّةٖ وَسَقَىٰهُمۡ رَبُّهُمۡ شَرَابٗا طَهُورًا
Hanao akanjo maintso parasily, sy lamba lasoà rakofam-bolamena izy ireo, hiravaka haba fehin-tanana volafotsy. Ary hampisotroin'ny Tompony zava-pisotro tena madio izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّ هَٰذَا كَانَ لَكُمۡ جَزَآءٗ وَكَانَ سَعۡيُكُم مَّشۡكُورًا
Valisoa ho anareo izany, ary mendri-pankasitrahana ny ezaka nataonareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّا نَحۡنُ نَزَّلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡقُرۡءَانَ تَنزِيلٗا
Hamafisina, fa Izahay no nampidina tsikelikely ny koroany teo aminao.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَٱصۡبِرۡ لِحُكۡمِ رَبِّكَ وَلَا تُطِعۡ مِنۡهُمۡ ءَاثِمًا أَوۡ كَفُورٗا
Koa hiareto àry ny didy napetraky ny Tomponao, fa aza mankato ny mpanota, na ny tsy mpino amin'izy ireo ianao.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَٱذۡكُرِ ٱسۡمَ رَبِّكَ بُكۡرَةٗ وَأَصِيلٗا
Ary tsarovy ny anaran'ny Tomponao, ny maraina sy ny folak'andro.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഇൻസാൻ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക