Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അൻഫാൽ   ആയത്ത്:
وَإِن يُرِيدُوٓاْ أَن يَخۡدَعُوكَ فَإِنَّ حَسۡبَكَ ٱللَّهُۚ هُوَ ٱلَّذِيٓ أَيَّدَكَ بِنَصۡرِهِۦ وَبِٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Raha mitady hamitaka Anao izy ireo, dia ampy ho Anao i Allah. Izy no nanohana Anao tamin’ny famonjeny, tamin’ny alalan’ireo mpino.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَلَّفَ بَيۡنَ قُلُوبِهِمۡۚ لَوۡ أَنفَقۡتَ مَا فِي ٱلۡأَرۡضِ جَمِيعٗا مَّآ أَلَّفۡتَ بَيۡنَ قُلُوبِهِمۡ وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ أَلَّفَ بَيۡنَهُمۡۚ إِنَّهُۥ عَزِيزٌ حَكِيمٞ
Ary nampifandray ny fon’izy ireo Izy. Na dia nandàny izay rehetra teto an-tany aza Ianao dia tsy mahavita mampifandray ny fon’izy ireo, fa i Allah kosa no nampifandray azy ireo satria Izy no Mahery sy be Fahendrena.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ حَسۡبُكَ ٱللَّهُ وَمَنِ ٱتَّبَعَكَ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
O ry Mpaminany, ampy ho Anao sy ireo nanara-dia anao amin’ireo mpino i Allah.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ حَرِّضِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ عَلَى ٱلۡقِتَالِۚ إِن يَكُن مِّنكُمۡ عِشۡرُونَ صَٰبِرُونَ يَغۡلِبُواْ مِاْئَتَيۡنِۚ وَإِن يَكُن مِّنكُم مِّاْئَةٞ يَغۡلِبُوٓاْ أَلۡفٗا مِّنَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِأَنَّهُمۡ قَوۡمٞ لَّا يَفۡقَهُونَ
O ry Mpaminany, amporisio ireo mpino hiady. Raha misy roapolo aminareo maharim-pery dia mandresy roanjato lahy izy ireo; ary raha misy zato Aminareo maharim-pery dia mandresy arivo lahy amin’ireo izay tsy nino izy ireo, satria izy ireo dia vahoaka tsy misaina.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱلۡـَٰٔنَ خَفَّفَ ٱللَّهُ عَنكُمۡ وَعَلِمَ أَنَّ فِيكُمۡ ضَعۡفٗاۚ فَإِن يَكُن مِّنكُم مِّاْئَةٞ صَابِرَةٞ يَغۡلِبُواْ مِاْئَتَيۡنِۚ وَإِن يَكُن مِّنكُمۡ أَلۡفٞ يَغۡلِبُوٓاْ أَلۡفَيۡنِ بِإِذۡنِ ٱللَّهِۗ وَٱللَّهُ مَعَ ٱلصَّٰبِرِينَ
Ankehitriny i Allah dia manamaivana Anareo satria fantany fa misy fahalemena Ianareo, koa raha misy zato aminareo maharim-pery dia handresy roanjato lahy, ary raha misy arivo Aminareo dia handresy roa arivo lahy izy ireo nohon'ny fahefan’i Allah. Ary i Allah dia miaraka amin’ireo manam-paharetana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مَا كَانَ لِنَبِيٍّ أَن يَكُونَ لَهُۥٓ أَسۡرَىٰ حَتَّىٰ يُثۡخِنَ فِي ٱلۡأَرۡضِۚ تُرِيدُونَ عَرَضَ ٱلدُّنۡيَا وَٱللَّهُ يُرِيدُ ٱلۡأٓخِرَةَۗ وَٱللَّهُ عَزِيزٌ حَكِيمٞ
Tsy misy Mpaminany izay tokony haka ireo babo an’ady raha tsy efa nahazo fandresena tety an-tany. Ianareo dia mitady ny harena ety an-tany, nefa i Allah kosa dia mila ny any an-koatra. Ary i Allah dia Mahery sy be Fahendrena.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَّوۡلَا كِتَٰبٞ مِّنَ ٱللَّهِ سَبَقَ لَمَسَّكُمۡ فِيمَآ أَخَذۡتُمۡ عَذَابٌ عَظِيمٞ
Raha tsy ny didy mialoha avy amin’i Allah, dia efa nisy sazy sy famaizana goavana nahazo anareo noho izay nalainareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَكُلُواْ مِمَّا غَنِمۡتُمۡ حَلَٰلٗا طَيِّبٗاۚ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَۚ إِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Noho izany mihinanà Ianareo izay tsy voarara sy tsara amin’izay azonareo babo. Ary matahora an’i Allah Ianareo. Marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അൻഫാൽ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്'വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തതാണ്.

അടക്കുക