Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: یونس   آیت:
قَالَ قَدۡ أُجِيبَت دَّعۡوَتُكُمَا فَٱسۡتَقِيمَا وَلَا تَتَّبِعَآنِّ سَبِيلَ ٱلَّذِينَ لَا يَعۡلَمُونَ
Niteny Izy ka nanao hoe : " Efa novalinay ny hatakanareo roa. Ka aoka Ianareo mba hahitsy toetra mandrakariva, aza manaraka ny làlan’ireo izay tsy mahafantatra na inona na inona.
عربي تفسیرونه:
۞ وَجَٰوَزۡنَا بِبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ ٱلۡبَحۡرَ فَأَتۡبَعَهُمۡ فِرۡعَوۡنُ وَجُنُودُهُۥ بَغۡيٗا وَعَدۡوًاۖ حَتَّىٰٓ إِذَآ أَدۡرَكَهُ ٱلۡغَرَقُ قَالَ ءَامَنتُ أَنَّهُۥ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا ٱلَّذِيٓ ءَامَنَتۡ بِهِۦ بَنُوٓاْ إِسۡرَٰٓءِيلَ وَأَنَا۠ مِنَ ٱلۡمُسۡلِمِينَ
Ary nampandalovinay ny ranomasina ireo zanak’Israely, izay nenjehin’i Faraona sy ireo tafiny tao anatin’ny fahatezerana sy ny fankahalana. Ka rehefa teo ampaharendrehana izy, dia niteny hoe: “Mino aho fa tsy misy tompo hafa, afa-tsy izay ninoan’ireo zanak’Israely, ary izaho dia isan’ireo mpankato”.
عربي تفسیرونه:
ءَآلۡـَٰٔنَ وَقَدۡ عَصَيۡتَ قَبۡلُ وَكُنتَ مِنَ ٱلۡمُفۡسِدِينَ
Ankehitriny izao ve ? Nefa tsy nankato Ianao teo aloha ary Ianao dia tena anisan’ireo mpanimba ny tany.
عربي تفسیرونه:
فَٱلۡيَوۡمَ نُنَجِّيكَ بِبَدَنِكَ لِتَكُونَ لِمَنۡ خَلۡفَكَ ءَايَةٗۚ وَإِنَّ كَثِيرٗا مِّنَ ٱلنَّاسِ عَنۡ ءَايَٰتِنَا لَغَٰفِلُونَ
Anio dia avotanay ny vatanao mba ho famantarana ho an’ireo avy ao aoriana. Tena marina fa ny ankamaroan’ny Olona dia tsy miraharaha ireo famantarana avy Aminay.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ بَوَّأۡنَا بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ مُبَوَّأَ صِدۡقٖ وَرَزَقۡنَٰهُم مِّنَ ٱلطَّيِّبَٰتِ فَمَا ٱخۡتَلَفُواْ حَتَّىٰ جَآءَهُمُ ٱلۡعِلۡمُۚ إِنَّ رَبَّكَ يَقۡضِي بَيۡنَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فِيمَا كَانُواْ فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ
Ary efa napetrakay tokoa tamin’ny toerana mendrika ireo Zanak’israely sy nomenay anjara-pivelomana tsara izy ireo. Ka tsy nizarazara izy ireo raha tsy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny fahalalana Taminy. Marina fa ny Tomponao dia hitsara azy ireo amin’izay nampizarazara azy ireo amin’ny Andro fitsanganana.
عربي تفسیرونه:
فَإِن كُنتَ فِي شَكّٖ مِّمَّآ أَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ فَسۡـَٔلِ ٱلَّذِينَ يَقۡرَءُونَ ٱلۡكِتَٰبَ مِن قَبۡلِكَۚ لَقَدۡ جَآءَكَ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكَ فَلَا تَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡمُمۡتَرِينَ
Raha ohatra ka ao anaty fisalasalana Ianao amin’izay nampidininay Taminao, dia hanontanio ireo izay efa namaky ny Boky teo alohanao. Efa tonga Taminao ny marina avy amin’ny Tomponao, koa aza manao ho isan’ireo mpisalasala mihitsy Ianao.
عربي تفسیرونه:
وَلَا تَكُونَنَّ مِنَ ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ فَتَكُونَ مِنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ
Ary aza manao ho isan’ireo milaza fa lainga ny Fanambaran’i Allah. Fa ho isan’ireo maty antoka Ianao.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱلَّذِينَ حَقَّتۡ عَلَيۡهِمۡ كَلِمَتُ رَبِّكَ لَا يُؤۡمِنُونَ
Marina fa ireo izay niharan’ny tenin’ny Tomponao dia tsy hino velively,
عربي تفسیرونه:
وَلَوۡ جَآءَتۡهُمۡ كُلُّ ءَايَةٍ حَتَّىٰ يَرَوُاْ ٱلۡعَذَابَ ٱلۡأَلِيمَ
Na dia tonga tamin’izy ireo aza ireo fanambarana rehetra, mandra-pahitan’izy ireo ny sazy mamirifiry.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: یونس
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول