Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: ابراهیم   آیت:
مُهۡطِعِينَ مُقۡنِعِي رُءُوسِهِمۡ لَا يَرۡتَدُّ إِلَيۡهِمۡ طَرۡفُهُمۡۖ وَأَفۡـِٔدَتُهُمۡ هَوَآءٞ
Hihazakazaka manatona (amim-pitalahoana) izy ireo, hampitraka ny lohany amin’ny tahotra, hidiridiry ny mason’izy ireo, ary foana ny fon’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَأَنذِرِ ٱلنَّاسَ يَوۡمَ يَأۡتِيهِمُ ٱلۡعَذَابُ فَيَقُولُ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ رَبَّنَآ أَخِّرۡنَآ إِلَىٰٓ أَجَلٖ قَرِيبٖ نُّجِبۡ دَعۡوَتَكَ وَنَتَّبِعِ ٱلرُّسُلَۗ أَوَلَمۡ تَكُونُوٓاْ أَقۡسَمۡتُم مِّن قَبۡلُ مَا لَكُم مِّن زَوَالٖ
Ary ampitandremo ireo olona amin’ny andro izay hatongavan’ny sazy amin’izy ireo, ary hiteny ireo mpanao ny tsy rariny ka hanao hoe : “ Ry Tomponay o ! Omeo fe-potoana fohy Izahay ! Mba hamalianay ny antsonao sy hanarahanay ireo Iraka ”. Tsy efa nianiana ve Ianareo teo aloha fa tsy tokony hanjavona mihitsy ?
عربي تفسیرونه:
وَسَكَنتُمۡ فِي مَسَٰكِنِ ٱلَّذِينَ ظَلَمُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ وَتَبَيَّنَ لَكُمۡ كَيۡفَ فَعَلۡنَا بِهِمۡ وَضَرَبۡنَا لَكُمُ ٱلۡأَمۡثَالَ
Ary Ianareo dia monina tao amin’ny fonenan’ireo izay mpanao ny tsy rariny tamin’ny tenan'izy ireo ihany, efa nasehonay taminareo miharihary ahoana ny fomba nanaovanay azy ireo, ary nomenay ohatra tamin’izany Ianareo.
عربي تفسیرونه:
وَقَدۡ مَكَرُواْ مَكۡرَهُمۡ وَعِندَ ٱللَّهِ مَكۡرُهُمۡ وَإِن كَانَ مَكۡرُهُمۡ لِتَزُولَ مِنۡهُ ٱلۡجِبَالُ
Efa tena nampiasa teti-dratsy izy ireo, kanefa ny teti-dratsin’izy ireo dia efa eo amin’i Allah, na dia afaka manafoana ireo tendrombohitra aza ny teti-dratsin’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
فَلَا تَحۡسَبَنَّ ٱللَّهَ مُخۡلِفَ وَعۡدِهِۦ رُسُلَهُۥٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَزِيزٞ ذُو ٱنتِقَامٖ
Aza mihevitra fa i Allah dia hivadika amin’ny fampanantenana nataony tamin’ireo Irany. Marina fa i Allah ilay Mahery, Tompon’ny fahefana hanasazy.
عربي تفسیرونه:
يَوۡمَ تُبَدَّلُ ٱلۡأَرۡضُ غَيۡرَ ٱلۡأَرۡضِ وَٱلسَّمَٰوَٰتُۖ وَبَرَزُواْ لِلَّهِ ٱلۡوَٰحِدِ ٱلۡقَهَّارِ
Amin’ny Andro izay hanoloana ny tany ho hafa, ary toy izany koa ireo lanitra, ary izy ireo dia hiseho eo anatrehan’i Allah, ilay Tokana, Ilay Mpifehy Avo indrindra.
عربي تفسیرونه:
وَتَرَى ٱلۡمُجۡرِمِينَ يَوۡمَئِذٖ مُّقَرَّنِينَ فِي ٱلۡأَصۡفَادِ
Ary amin’izany andro izany dia ho hitanao ireo mpanao heloka be vava, voafatotra amin’ny rojo vy amin’ny sasany ny sasany.
عربي تفسیرونه:
سَرَابِيلُهُم مِّن قَطِرَانٖ وَتَغۡشَىٰ وُجُوهَهُمُ ٱلنَّارُ
Ny fitafin’izy ireo dia tena (godorao, tara), ary handrakotra ny tavan’izy ireo ny afo.
عربي تفسیرونه:
لِيَجۡزِيَ ٱللَّهُ كُلَّ نَفۡسٖ مَّا كَسَبَتۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ سَرِيعُ ٱلۡحِسَابِ
Mba hamalian’i Allah ny tsirairay amin’ny asa izay vitany. Tena marina fa i Allah dia haingam-pitsara.
عربي تفسیرونه:
هَٰذَا بَلَٰغٞ لِّلنَّاسِ وَلِيُنذَرُواْ بِهِۦ وَلِيَعۡلَمُوٓاْ أَنَّمَا هُوَ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞ وَلِيَذَّكَّرَ أُوْلُواْ ٱلۡأَلۡبَٰبِ
Ity dia fanambarana (Koroany) ho an’ny zanak’olombelona mba hitandreman’izy ireo amin’ny alalan’izany, ary mba ahafantaran’izy ireo ihany koa fa marina tokoa, fa Izy ilay Zanahary tokana (Allah), mba ahafantaran’ireo matsilo saina.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: ابراهیم
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول