Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: انبیاء   آیت:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ مِن رَّسُولٍ إِلَّا نُوحِيٓ إِلَيۡهِ أَنَّهُۥ لَآ إِلَٰهَ إِلَّآ أَنَا۠ فَٱعۡبُدُونِ
Tsy nandefa iraka Izahay na dia iray aza talohanao (ry Mohammady), ka tsy nambaranay azy hoe : “Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izaho ihany ; aoka hanompo Ahy irery ihany ianareo !”
عربي تفسیرونه:
وَقَالُواْ ٱتَّخَذَ ٱلرَّحۡمَٰنُ وَلَدٗاۗ سُبۡحَٰنَهُۥۚ بَلۡ عِبَادٞ مُّكۡرَمُونَ
Ary niteny izy ireo hoe : “Ilay Be indrafo dia nandray zazalahy ho zanaka”. Voninahitra anie ho Azy ! Fa mpanompo mendri-kaja ihany izy ireo !
عربي تفسیرونه:
لَا يَسۡبِقُونَهُۥ بِٱلۡقَوۡلِ وَهُم بِأَمۡرِهِۦ يَعۡمَلُونَ
Tsy mialoha ny Teniny izy ireo fa manatanteraka kosa ny asa araka ny Didiny.
عربي تفسیرونه:
يَعۡلَمُ مَا بَيۡنَ أَيۡدِيهِمۡ وَمَا خَلۡفَهُمۡ وَلَا يَشۡفَعُونَ إِلَّا لِمَنِ ٱرۡتَضَىٰ وَهُم مِّنۡ خَشۡيَتِهِۦ مُشۡفِقُونَ
Mahafantatra izay talohan’izy ireo sy izay aorian’izy ireo Izy. Ary tsy afaka manelanelana izy ireo raha tsy amin’izay ankasitrahany, izy ireo dia tena mangovitra nohon'ny fatahorana Azy.
عربي تفسیرونه:
۞ وَمَن يَقُلۡ مِنۡهُمۡ إِنِّيٓ إِلَٰهٞ مِّن دُونِهِۦ فَذَٰلِكَ نَجۡزِيهِ جَهَنَّمَۚ كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلظَّٰلِمِينَ
Ary na iza na iza amin’izy ireo miteny hoe :“Tena marina fa izaho no zanahary ankoatr'Azy”. Koa ny valiny omenay azy dia ny afobe ary tahaka izany no hamalinay ireo mpanao ny tsy rariny.
عربي تفسیرونه:
أَوَلَمۡ يَرَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَنَّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ كَانَتَا رَتۡقٗا فَفَتَقۡنَٰهُمَاۖ وَجَعَلۡنَا مِنَ ٱلۡمَآءِ كُلَّ شَيۡءٍ حَيٍّۚ أَفَلَا يُؤۡمِنُونَ
Moa ve tsy hitan’ireo izay tsy nino fa nitambatra, hivainga iray ihany ireo lanitra sy ny tany ? Ka nosarahinay roa izany, ary nataonay ho velona avy amin’ny rano ny zava-manan’aina rehetra. Tsy mino izany va ianareo ?
عربي تفسیرونه:
وَجَعَلۡنَا فِي ٱلۡأَرۡضِ رَوَٰسِيَ أَن تَمِيدَ بِهِمۡ وَجَعَلۡنَا فِيهَا فِجَاجٗا سُبُلٗا لَّعَلَّهُمۡ يَهۡتَدُونَ
Ary nasinay tendrombohitra eo amin’ny tany (ho andry) mba tsy hampihozongozona azy, ary nasinay zohin-dalana maro eo aminy (mba hampiasaina amin’ ny zotra aleha). Angamba ahazo tari-dalana izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَجَعَلۡنَا ٱلسَّمَآءَ سَقۡفٗا مَّحۡفُوظٗاۖ وَهُمۡ عَنۡ ءَايَٰتِهَا مُعۡرِضُونَ
Ary nataonay tafo voaaro ny lanitra nefa mbola manohitra ihany izy ireo amin’izany famantarana izany.
عربي تفسیرونه:
وَهُوَ ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلَّيۡلَ وَٱلنَّهَارَ وَٱلشَّمۡسَ وَٱلۡقَمَرَۖ كُلّٞ فِي فَلَكٖ يَسۡبَحُونَ
Ary Izy no nahary ny alina sy ny andro, ny masoandro sy ny volana, ny tsirairay dia samy misosa amin’ny sori-dalana ihodinany avy.
عربي تفسیرونه:
وَمَا جَعَلۡنَا لِبَشَرٖ مِّن قَبۡلِكَ ٱلۡخُلۡدَۖ أَفَإِيْن مِّتَّ فَهُمُ ٱلۡخَٰلِدُونَ
Ary tsy misy olombelona na dia iray aza nataonay teo alohanao (ry Mohammady) ho mandrakizay. Moa ve raha maty ianao dia ho mandrakizay ve izy ireo ?
عربي تفسیرونه:
كُلُّ نَفۡسٖ ذَآئِقَةُ ٱلۡمَوۡتِۗ وَنَبۡلُوكُم بِٱلشَّرِّ وَٱلۡخَيۡرِ فِتۡنَةٗۖ وَإِلَيۡنَا تُرۡجَعُونَ
Ny zava-manan'aina rehetra dia samy hanandrana fahafatesana. Hosedrainay amin’ny ratsy sy amin’ny tsara ianareo mba ho fitsapana. Ary aty Aminay no hamerenana anareo.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: انبیاء
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول