Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: حج   آیت:

Al-hajj

يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ ٱتَّقُواْ رَبَّكُمۡۚ إِنَّ زَلۡزَلَةَ ٱلسَّاعَةِ شَيۡءٌ عَظِيمٞ
Ry olombelona, matahora ny Tomponareo ianareo ! Ny fihozongozonan’ilay Ora (Andro Farany) dia tena zava-dehibe (mampihorohoro).
عربي تفسیرونه:
يَوۡمَ تَرَوۡنَهَا تَذۡهَلُ كُلُّ مُرۡضِعَةٍ عَمَّآ أَرۡضَعَتۡ وَتَضَعُ كُلُّ ذَاتِ حَمۡلٍ حَمۡلَهَا وَتَرَى ٱلنَّاسَ سُكَٰرَىٰ وَمَا هُم بِسُكَٰرَىٰ وَلَٰكِنَّ عَذَابَ ٱللَّهِ شَدِيدٞ
Amin’ny andro izay hahitanareo izany, ny vehivavy mampinono rehetra dia hanadino (ny zanany) izay hampinonoiny, ary ny vehivavy bevohoka dia ho afa-jaza (tsy fidiny). Ary hahita ny olona ho mamo ianao nefa izy ireo tsy mamo fa ny famaizan'I Allah dia mahery vaika tokoa.
عربي تفسیرونه:
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يُجَٰدِلُ فِي ٱللَّهِ بِغَيۡرِ عِلۡمٖ وَيَتَّبِعُ كُلَّ شَيۡطَٰنٖ مَّرِيدٖ
Misy amin’ny olombelona miady hevitra mahakasika an’i Allah tsy amim-pahalalana ary manaraka ny devoly rehetra, ilay mpikomy.
عربي تفسیرونه:
كُتِبَ عَلَيۡهِ أَنَّهُۥ مَن تَوَلَّاهُ فَأَنَّهُۥ يُضِلُّهُۥ وَيَهۡدِيهِ إِلَىٰ عَذَابِ ٱلسَّعِيرِ
Voasoratra ho azy (Satana), fa na iza na iza manaraka azy dia tena ho vereziny sy ho tarihiny mankany amin’ny famaizan’ny Afobe.
عربي تفسیرونه:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِن كُنتُمۡ فِي رَيۡبٖ مِّنَ ٱلۡبَعۡثِ فَإِنَّا خَلَقۡنَٰكُم مِّن تُرَابٖ ثُمَّ مِن نُّطۡفَةٖ ثُمَّ مِنۡ عَلَقَةٖ ثُمَّ مِن مُّضۡغَةٖ مُّخَلَّقَةٖ وَغَيۡرِ مُخَلَّقَةٖ لِّنُبَيِّنَ لَكُمۡۚ وَنُقِرُّ فِي ٱلۡأَرۡحَامِ مَا نَشَآءُ إِلَىٰٓ أَجَلٖ مُّسَمّٗى ثُمَّ نُخۡرِجُكُمۡ طِفۡلٗا ثُمَّ لِتَبۡلُغُوٓاْ أَشُدَّكُمۡۖ وَمِنكُم مَّن يُتَوَفَّىٰ وَمِنكُم مَّن يُرَدُّ إِلَىٰٓ أَرۡذَلِ ٱلۡعُمُرِ لِكَيۡلَا يَعۡلَمَ مِنۢ بَعۡدِ عِلۡمٖ شَيۡـٔٗاۚ وَتَرَى ٱلۡأَرۡضَ هَامِدَةٗ فَإِذَآ أَنزَلۡنَا عَلَيۡهَا ٱلۡمَآءَ ٱهۡتَزَّتۡ وَرَبَتۡ وَأَنۢبَتَتۡ مِن كُلِّ زَوۡجِۭ بَهِيجٖ
Ry olombelona, raha manana fisalasalana ianareo mahakasika ny Fitsanganana,tena marina, fa Izahay no nahary anareo avy amin’ny tany, avy eo amin’ny alalan’ny ranon'aina, avy eo amin’ny vaingan-drà, avy eo amin’ny vainga-nofo izay manana endrika na tsy manana endrika, mba hanazavanay aminareo . Ary apetrakay ao anatin’ny vohoka izay sitrakay, mandritran'ny fotoana voafetra. Ary avoakanay ho zazakely ianareo sy mba hahatratraranareo ny fahanterana. Ary misy aminareo ny maty (tanora), ary misy aminareo koa ny tratra antitra, ka lasa tsy mahatadidy izay fantany teo aloha. Ary hahita ny tany karakaina ianao, nefa raha vao handatsahanay rano izany, dia mihetsika sy mibontsina izy, ary mampitsiry avy (aminy) ireo karazan-java-maniry tsiroaroa (lahy sy vavy) mahafinaritra.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: حج
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول