Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: نور   آیت:
وَأَنكِحُواْ ٱلۡأَيَٰمَىٰ مِنكُمۡ وَٱلصَّٰلِحِينَ مِنۡ عِبَادِكُمۡ وَإِمَآئِكُمۡۚ إِن يَكُونُواْ فُقَرَآءَ يُغۡنِهِمُ ٱللَّهُ مِن فَضۡلِهِۦۗ وَٱللَّهُ وَٰسِعٌ عَلِيمٞ
Ary ampanambadio ireo tsy manambady aminareo, sy ireo mendrika amin’ireo andevonareo lahy sy vavy. Raha mahantra izy ireo, dia Allah no hampanan-karena azy ireo nohon'ny fahasoavany. Ary Allah dia manerana sy tena mahalala.
عربي تفسیرونه:
وَلۡيَسۡتَعۡفِفِ ٱلَّذِينَ لَا يَجِدُونَ نِكَاحًا حَتَّىٰ يُغۡنِيَهُمُ ٱللَّهُ مِن فَضۡلِهِۦۗ وَٱلَّذِينَ يَبۡتَغُونَ ٱلۡكِتَٰبَ مِمَّا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُكُمۡ فَكَاتِبُوهُمۡ إِنۡ عَلِمۡتُمۡ فِيهِمۡ خَيۡرٗاۖ وَءَاتُوهُم مِّن مَّالِ ٱللَّهِ ٱلَّذِيٓ ءَاتَىٰكُمۡۚ وَلَا تُكۡرِهُواْ فَتَيَٰتِكُمۡ عَلَى ٱلۡبِغَآءِ إِنۡ أَرَدۡنَ تَحَصُّنٗا لِّتَبۡتَغُواْ عَرَضَ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۚ وَمَن يُكۡرِههُّنَّ فَإِنَّ ٱللَّهَ مِنۢ بَعۡدِ إِكۡرَٰهِهِنَّ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ary aoka hijanona amin’ny fahadiovam-pitondran-tenany ireo izay tsy misy ny ho enti-manana hanambadiany, mandra-panomezan’I Allah azy ireo ny fahasoavany. Ary ireo izay mangataka fifanekem-panafahana, amin’ireo andevonareo, dia manaova fifanarahana amin’izy ireo ianareo, raha fantatrareo fa misy hatsarana amin’izy ireo. Ary hanomezanareo amin’ny haren’I Allah izay nomeny anareo izy ireo. Ary aoka ianareo tsy hanery ireo andevovavinareo amin’ny fijangajangana, raha toa ka mila fitondran-tena madio izy ireo, mba hitadiavanareo tombontsoa amin’ny fiainana eto an-tany. Ary na iza na iza manery azy ireo, tena marina fa Allah, taorian’ny fanerena azy ireo, dia be famelan-keloka sy be indrafo.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ أَنزَلۡنَآ إِلَيۡكُمۡ ءَايَٰتٖ مُّبَيِّنَٰتٖ وَمَثَلٗا مِّنَ ٱلَّذِينَ خَلَوۡاْ مِن قَبۡلِكُمۡ وَمَوۡعِظَةٗ لِّلۡمُتَّقِينَ
Ary tena efa nampidininay taminareo ireo famantarana mazava, sy ny fanoharana momba ireo teo alohanareo, ary fananarana ho an’ireo manam-patahorana.
عربي تفسیرونه:
۞ ٱللَّهُ نُورُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ مَثَلُ نُورِهِۦ كَمِشۡكَوٰةٖ فِيهَا مِصۡبَاحٌۖ ٱلۡمِصۡبَاحُ فِي زُجَاجَةٍۖ ٱلزُّجَاجَةُ كَأَنَّهَا كَوۡكَبٞ دُرِّيّٞ يُوقَدُ مِن شَجَرَةٖ مُّبَٰرَكَةٖ زَيۡتُونَةٖ لَّا شَرۡقِيَّةٖ وَلَا غَرۡبِيَّةٖ يَكَادُ زَيۡتُهَا يُضِيٓءُ وَلَوۡ لَمۡ تَمۡسَسۡهُ نَارٞۚ نُّورٌ عَلَىٰ نُورٖۚ يَهۡدِي ٱللَّهُ لِنُورِهِۦ مَن يَشَآءُۚ وَيَضۡرِبُ ٱللَّهُ ٱلۡأَمۡثَٰلَ لِلنَّاسِۗ وَٱللَّهُ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٞ
Allah no fahazavan’ireo lanitra sy ny tany. Ny fahazavany dia mitovy amin’ny lavaka amin’ny vatan-drindrina izay misy jiro, ny jiro dia ao anatin’ny fitaratra, ary ny fitaratra dia tahaka ny kintana tena mamirapiratra mirehitra avy amin’ny hazo feno fahasoavana : hazon’oliva, sady tsy avy any antsinanana no tsy avy any andrefana, ka ny menaka avy aminy dia toa manazava, na dia tsy nokasihan’ny afo aza. Hazavana ambonin’ny hazavana. Allah dia mitari-dalana izay sitrany mankany amin’ny hazavany. I Allah dia manome ireo fanoharana ho an’ny olombelona. Ary mahalala ny zava-drehetra I Allah.
عربي تفسیرونه:
فِي بُيُوتٍ أَذِنَ ٱللَّهُ أَن تُرۡفَعَ وَيُذۡكَرَ فِيهَا ٱسۡمُهُۥ يُسَبِّحُ لَهُۥ فِيهَا بِٱلۡغُدُوِّ وَٱلۡأٓصَالِ
Ao anatin’ireo trano (Masjid) izay nanomezan’i Tompo Allah alalana mba hajoro avo dia avo sy ho tsarovina ao anatin'ny Anarany.Mankalaza ny voninahiny vao maraina sy hariva,
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: نور
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول