Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: فرقان   آیت:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَٰكَ إِلَّا مُبَشِّرٗا وَنَذِيرٗا
Ary tsy nandefanao Izahay afa-tsy ho mpitondra vaovao mahafaly sy mpampitandrina (ho an’ny zanak’olombelona).
عربي تفسیرونه:
قُلۡ مَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ مِنۡ أَجۡرٍ إِلَّا مَن شَآءَ أَن يَتَّخِذَ إِلَىٰ رَبِّهِۦ سَبِيلٗا
Teneno hoe : “Tsy mangataka tambiny aminareo aho amin’izany, afa-tsy izay mila hanaraka ny lalana mankany amin’ny Tompony (dia malalaka izy hanao izany).
عربي تفسیرونه:
وَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱلۡحَيِّ ٱلَّذِي لَا يَمُوتُ وَسَبِّحۡ بِحَمۡدِهِۦۚ وَكَفَىٰ بِهِۦ بِذُنُوبِ عِبَادِهِۦ خَبِيرًا
Ary ankino ny fitokisanao amin’Ilay Velona Izay tsy mba maty mihitsy. Ary ankalazao ny fahadiovany sy ny voninahiny amin’ny alalan’ny fiderana Azy. Ary Ampy tanteraka Izy hahafantatra ny fahotan’ireo mpanompony.
عربي تفسیرونه:
ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَمَا بَيۡنَهُمَا فِي سِتَّةِ أَيَّامٖ ثُمَّ ٱسۡتَوَىٰ عَلَى ٱلۡعَرۡشِۖ ٱلرَّحۡمَٰنُ فَسۡـَٔلۡ بِهِۦ خَبِيرٗا
Izay nahary ireo lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo anelanelan’izy roa, nandritra ny enina andro. Avy eo nitoetra amin’ny Seza fiandrianana Izy, Ilay be Fiantrana, ka anontanio ny momba Azy amin’izay manam-pahalalana.
عربي تفسیرونه:
وَإِذَا قِيلَ لَهُمُ ٱسۡجُدُواْۤ لِلرَّحۡمَٰنِ قَالُواْ وَمَا ٱلرَّحۡمَٰنُ أَنَسۡجُدُ لِمَا تَأۡمُرُنَا وَزَادَهُمۡ نُفُورٗا۩
Ary rehefa tenenina izy Ireo hoe : “Miankohofa amin’ilay be Fiantrana ianareo”, dia miteny izy ireo hoe : “Ary iza moa izany be Fiantrana izany ? Moa hiankohoka eo anatrehan’izay andidianao anay ve izahay ?” Ary vao maika nampitombo ny fankahalan’izy ireo izany.
عربي تفسیرونه:
تَبَارَكَ ٱلَّذِي جَعَلَ فِي ٱلسَّمَآءِ بُرُوجٗا وَجَعَلَ فِيهَا سِرَٰجٗا وَقَمَرٗا مُّنِيرٗا
Ankalazaina anie Ilay nametraka ireo antokon-kintana eny amin’ny lanitra, ary nametraka jiro eo aminy sy volana mpanazava.
عربي تفسیرونه:
وَهُوَ ٱلَّذِي جَعَلَ ٱلَّيۡلَ وَٱلنَّهَارَ خِلۡفَةٗ لِّمَنۡ أَرَادَ أَن يَذَّكَّرَ أَوۡ أَرَادَ شُكُورٗا
Ary Izy no nanao ny alina sy ny antoandro hifandimby, ho an’izay te-hahatsiaro (Azy) na koa te-haneho fankasitrahana.
عربي تفسیرونه:
وَعِبَادُ ٱلرَّحۡمَٰنِ ٱلَّذِينَ يَمۡشُونَ عَلَى ٱلۡأَرۡضِ هَوۡنٗا وَإِذَا خَاطَبَهُمُ ٱلۡجَٰهِلُونَ قَالُواْ سَلَٰمٗا
Ary ireo mpanompon’Ilay be Fiantrana, dia ireo izay mandeha am-panetren-tena eny ambonin’ny tany, ary rehefa miresaka amin’izy ireo ireo tsy manam-pahalalana dia miteny izy ireo hoe : “Fandriam-pahalemana.”
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ يَبِيتُونَ لِرَبِّهِمۡ سُجَّدٗا وَقِيَٰمٗا
Ary ireo izay mandany ny alina am-piankohofana sy am-pitsanganana eo anatrehan’i Tompon’izy ireo ;
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ يَقُولُونَ رَبَّنَا ٱصۡرِفۡ عَنَّا عَذَابَ جَهَنَّمَۖ إِنَّ عَذَابَهَا كَانَ غَرَامًا
Ary ireo izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Alaviro anay ny famaizan’ny afobe ”,tena marina fa ny famaizany dia mitohy lalandava.
عربي تفسیرونه:
إِنَّهَا سَآءَتۡ مُسۡتَقَرّٗا وَمُقَامٗا
Tena marina fa izany dia ratsy tokoa ho trano fonenana, sy toerana hipetrahana !
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ إِذَآ أَنفَقُواْ لَمۡ يُسۡرِفُواْ وَلَمۡ يَقۡتُرُواْ وَكَانَ بَيۡنَ ذَٰلِكَ قَوَامٗا
Ary ireo izay efa manao fandaniana, dia tsy mandanindany foana ary tsy mahihitra ; fa manao ny antonony eo anelanelan’izany.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: فرقان
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول