Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: نمل   آیت:
إِنِّي وَجَدتُّ ٱمۡرَأَةٗ تَمۡلِكُهُمۡ وَأُوتِيَتۡ مِن كُلِّ شَيۡءٖ وَلَهَا عَرۡشٌ عَظِيمٞ
Hamafisiko (hoy Railovy), fa izaho dia nahita vehivavy izay tompon’ny fanjakana amin’izy ireo, ary nomena azy daholo ny zava-drehetra ary manana seza fiandrianana lehibe izy.
عربي تفسیرونه:
وَجَدتُّهَا وَقَوۡمَهَا يَسۡجُدُونَ لِلشَّمۡسِ مِن دُونِ ٱللَّهِ وَزَيَّنَ لَهُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ أَعۡمَٰلَهُمۡ فَصَدَّهُمۡ عَنِ ٱلسَّبِيلِ فَهُمۡ لَا يَهۡتَدُونَ
Hitako izy sy ny vahoakany izay samy niankohoka eo anoloan’ny masoandro fa tsy amin’I Allah. Ary nohatsarain’ny satana ny asan’izy ireo sady naviliny lalana tsy ho amin’ny lala-mahitsy ary tsy nahazo tari-dalana ihany koa izy ireo.
عربي تفسیرونه:
أَلَّاۤ يَسۡجُدُواْۤ لِلَّهِ ٱلَّذِي يُخۡرِجُ ٱلۡخَبۡءَ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَيَعۡلَمُ مَا تُخۡفُونَ وَمَا تُعۡلِنُونَ
Nahoana izy ireo no tsy niankohoka eo anoloan’I Allah izay mamoaka ny (zavatra) miafina eny amin’ireo lanitra sy ny tany sy ilay mahafantatra izay afeninareo ary koa izay asehonareo ?
عربي تفسیرونه:
ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ رَبُّ ٱلۡعَرۡشِ ٱلۡعَظِيمِ۩
Allah ! Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, ilay Tompon’ny seza fiandrianana lehibe !
عربي تفسیرونه:
۞ قَالَ سَنَنظُرُ أَصَدَقۡتَ أَمۡ كُنتَ مِنَ ٱلۡكَٰذِبِينَ
Niteny izy (Salomona) hoe : ho jerentsika raha (milaza) marina tokoa ianao, na koa anisan’ireo mpandainga.
عربي تفسیرونه:
ٱذۡهَب بِّكِتَٰبِي هَٰذَا فَأَلۡقِهۡ إِلَيۡهِمۡ ثُمَّ تَوَلَّ عَنۡهُمۡ فَٱنظُرۡ مَاذَا يَرۡجِعُونَ
Mandehana ary ento ity taratasiko ity. Avy eo dia atsipazo eo amin’izy ireo izany, ary manaraka izany dia misintaha kely amin’izy reo ianao ka jereo ny valin-tenin’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
قَالَتۡ يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡمَلَؤُاْ إِنِّيٓ أُلۡقِيَ إِلَيَّ كِتَٰبٞ كَرِيمٌ
Niteny ilay Andriambavy (Mpanjaka vavy) hoe : Oh ry loholona ! Misy taratasy iray mihaja izay natoraka teo amiko.
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُۥ مِن سُلَيۡمَٰنَ وَإِنَّهُۥ بِسۡمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحۡمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
Tena marina fa avy amin’i Salomona ilay izy. Ary tena misoratra hoe : Amin’ny anaran’I Allah, ilay be fiantrana,Ilay be indrafo.
عربي تفسیرونه:
أَلَّا تَعۡلُواْ عَلَيَّ وَأۡتُونِي مُسۡلِمِينَ
Aza manambony tena amiko ianareo, koa avia aty amiko amim-panetre-tena tanteraka ianareo.
عربي تفسیرونه:
قَالَتۡ يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡمَلَؤُاْ أَفۡتُونِي فِيٓ أَمۡرِي مَا كُنتُ قَاطِعَةً أَمۡرًا حَتَّىٰ تَشۡهَدُونِ
Niteny ilay Andriambavy (Mpanjaka vavy) hoe : Oh ry loholona ! Omeo toro-hevitra aho amin’ity raharaha ity, satria tsy hanapa-kevitra mihitsy aho raha tsy eo anatrehanareo.
عربي تفسیرونه:
قَالُواْ نَحۡنُ أُوْلُواْ قُوَّةٖ وَأُوْلُواْ بَأۡسٖ شَدِيدٖ وَٱلۡأَمۡرُ إِلَيۡكِ فَٱنظُرِي مَاذَا تَأۡمُرِينَ
Niteny izy ireo (loholona) hoe : manana hery sy tanjaka tsy refesi-mandidy izahay. Fa ny fanapahana kosa dia avy aminao (ry Mpanjaka), koa jereo ary izay baiko tianao hatao (ny fanapahan-kevitra tianao ho raisina).
عربي تفسیرونه:
قَالَتۡ إِنَّ ٱلۡمُلُوكَ إِذَا دَخَلُواْ قَرۡيَةً أَفۡسَدُوهَا وَجَعَلُوٓاْ أَعِزَّةَ أَهۡلِهَآ أَذِلَّةٗۚ وَكَذَٰلِكَ يَفۡعَلُونَ
Niteny izy hoe : tena marina fa raha miditra ny Tanàna iray ireo mpanjaka dia manao asa fanimbana foana, ary hataony afa-baraka ireo mponina manan-kaja ao aminy. Ary dia toy izany mihitsy no fanaon’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَإِنِّي مُرۡسِلَةٌ إِلَيۡهِم بِهَدِيَّةٖ فَنَاظِرَةُۢ بِمَ يَرۡجِعُ ٱلۡمُرۡسَلُونَ
Ary tena handefa fanomezana ho an’izy ireo aho, ka ho hitako eo izay ho entin’ireo iraka miverina.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: نمل
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول