Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: شوری   آیت:
وَٱلَّذِينَ يُحَآجُّونَ فِي ٱللَّهِ مِنۢ بَعۡدِ مَا ٱسۡتُجِيبَ لَهُۥ حُجَّتُهُمۡ دَاحِضَةٌ عِندَ رَبِّهِمۡ وَعَلَيۡهِمۡ غَضَبٞ وَلَهُمۡ عَذَابٞ شَدِيدٌ
Ary izay miady hevitra mikasika an’I Allah, rehefa avy novaliana ny antsony, dia tsy misy lanjany ny tenin’izy ireo eo anatrehan’I Allah. Hihatra amin’izy ireo ny fahatezerana, ka hahazo ny fanasaziana mafy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
ٱللَّهُ ٱلَّذِيٓ أَنزَلَ ٱلۡكِتَٰبَ بِٱلۡحَقِّ وَٱلۡمِيزَانَۗ وَمَا يُدۡرِيكَ لَعَلَّ ٱلسَّاعَةَ قَرِيبٞ
Allah no nampidina ny Boky tamim-pahamarinana, toy izany koa ny fandanjana.Koa inona no fantatrao ny amin’izany ?Angamba efa akaiky ilay Ora ?
عربي تفسیرونه:
يَسۡتَعۡجِلُ بِهَا ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِهَاۖ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مُشۡفِقُونَ مِنۡهَا وَيَعۡلَمُونَ أَنَّهَا ٱلۡحَقُّۗ أَلَآ إِنَّ ٱلَّذِينَ يُمَارُونَ فِي ٱلسَّاعَةِ لَفِي ضَلَٰلِۭ بَعِيدٍ
Mitady hanafaingana izany izay tsy mino, fa matahotra kosa izay mino, ary mahafantatra fa izany mihitsy no marina. Fa izay miady hevitra mikasika ilay Ora kosa, dia very lalana tanteraka.
عربي تفسیرونه:
ٱللَّهُ لَطِيفُۢ بِعِبَادِهِۦ يَرۡزُقُ مَن يَشَآءُۖ وَهُوَ ٱلۡقَوِيُّ ٱلۡعَزِيزُ
Feno hamoram-po amin’ireo mpanompon'I Allah. OmeNy izay tiany homena. fa Izy no ilay Matanjaka, Ilay tsitoha.
عربي تفسیرونه:
مَن كَانَ يُرِيدُ حَرۡثَ ٱلۡأٓخِرَةِ نَزِدۡ لَهُۥ فِي حَرۡثِهِۦۖ وَمَن كَانَ يُرِيدُ حَرۡثَ ٱلدُّنۡيَا نُؤۡتِهِۦ مِنۡهَا وَمَا لَهُۥ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ مِن نَّصِيبٍ
Izay te-hiasa ho amin’ny fiainana any ankoatra, dia ampitomboiNay ny asa vitany. Ary izay te-hiasa ho amin’ny fiainana ankehitriny, dia omeNay azy izany; fa saingy tsy hanana anjara amin’ny any ankoatra izy.
عربي تفسیرونه:
أَمۡ لَهُمۡ شُرَكَٰٓؤُاْ شَرَعُواْ لَهُم مِّنَ ٱلدِّينِ مَا لَمۡ يَأۡذَنۢ بِهِ ٱللَّهُۚ وَلَوۡلَا كَلِمَةُ ٱلۡفَصۡلِ لَقُضِيَ بَيۡنَهُمۡۗ وَإِنَّ ٱلظَّٰلِمِينَ لَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Sa manana mpitambatra amin’Allah va izy ireo, izay nametraka lalàna ara-pinoana tsy nahazoana alalana tamin’Allah ? Raha tsy efa noraisina ny fetra farany, dia ho notapahina tokoa ny amin’izy ireo. Hamafisina, fa hahazo fanasaziana mamirifiry ireo mpanao ny tsy rariny.
عربي تفسیرونه:
تَرَى ٱلظَّٰلِمِينَ مُشۡفِقِينَ مِمَّا كَسَبُواْ وَهُوَ وَاقِعُۢ بِهِمۡۗ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ فِي رَوۡضَاتِ ٱلۡجَنَّاتِۖ لَهُم مَّا يَشَآءُونَ عِندَ رَبِّهِمۡۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلۡفَضۡلُ ٱلۡكَبِيرُ
Ho hitanao fa hatahotra noho izay nataony ireo mpanao ny tsy rariny, ary dia hihatra amin’izy ireo ny fanasaziana. Fa ireo izay mino sy manao asa soa kosa, dia ho any amin’ireo zaridainan’ny Paradisa, ka hahazo izay tiany any amin’ny Tompony izy ireo. Izany no fahasoavana lehibe.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: شوری
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول