Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: ق   آیت:

Qaf

قٓۚ وَٱلۡقُرۡءَانِ ٱلۡمَجِيدِ
Qâf. Mianiana amin’ny Koroany ilay be voninahitra Aho.
عربي تفسیرونه:
بَلۡ عَجِبُوٓاْ أَن جَآءَهُم مُّنذِرٞ مِّنۡهُمۡ فَقَالَ ٱلۡكَٰفِرُونَ هَٰذَا شَيۡءٌ عَجِيبٌ
Saingy talanjona izy ireo nahita ny iray tamin’izy ireo, tonga mpampitandrina teo aminy ka hoy ireo tsy mpino : ‘’ Zava-mahatalanjona izany ‘’.
عربي تفسیرونه:
أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗاۖ ذَٰلِكَ رَجۡعُۢ بَعِيدٞ
Rehefa maty sy lasa vovoka va izahay(dia hatsangana indray) ? Fiverenana tena lavitra izany ’’.
عربي تفسیرونه:
قَدۡ عَلِمۡنَا مَا تَنقُصُ ٱلۡأَرۡضُ مِنۡهُمۡۖ وَعِندَنَا كِتَٰبٌ حَفِيظُۢ
Fantatray tokoa izay ho kikisan’ny tany amin’izy ireo ary manana boky mitahiry ny zava-drehetra izahay.
عربي تفسیرونه:
بَلۡ كَذَّبُواْ بِٱلۡحَقِّ لَمَّا جَآءَهُمۡ فَهُمۡ فِيٓ أَمۡرٖ مَّرِيجٍ
Fa noampangan’izy ireo ho lainga ny marina izay tonga teo aminy, ka indro izy ireo fa ao anatin’ny raharaha manalasala.
عربي تفسیرونه:
أَفَلَمۡ يَنظُرُوٓاْ إِلَى ٱلسَّمَآءِ فَوۡقَهُمۡ كَيۡفَ بَنَيۡنَٰهَا وَزَيَّنَّٰهَا وَمَا لَهَا مِن فُرُوجٖ
Tsy mba nojeren’izy ireo va ny lanitra eo amboniny, ahoana ny fomba nanorenanay sy nampihaingonay azy ary ahoana izy no tsy misy mitriatra ?
عربي تفسیرونه:
وَٱلۡأَرۡضَ مَدَدۡنَٰهَا وَأَلۡقَيۡنَا فِيهَا رَوَٰسِيَ وَأَنۢبَتۡنَا فِيهَا مِن كُلِّ زَوۡجِۭ بَهِيجٖ
Ary ny tany, novelarinay izy ka nalentikay mafy teo aminy ny tendrombohitra, ary nampanirianay zavatra mahafinaritra isan-karazany tsiroaroa,
عربي تفسیرونه:
تَبۡصِرَةٗ وَذِكۡرَىٰ لِكُلِّ عَبۡدٖ مُّنِيبٖ
Mba ho fahiratan-tsaina sy fampahatsiarovana ho an’ireo mpanompo mibebaka.
عربي تفسیرونه:
وَنَزَّلۡنَا مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ مُّبَٰرَكٗا فَأَنۢبَتۡنَا بِهِۦ جَنَّٰتٖ وَحَبَّ ٱلۡحَصِيدِ
Ary nampidina rano feno fahasoavana avy eny amin’ny lanitra Izahay, ka nampanirianay zaridaina sy voa ho jinjana,
عربي تفسیرونه:
وَٱلنَّخۡلَ بَاسِقَٰتٖ لَّهَا طَلۡعٞ نَّضِيدٞ
Ary ireo hazo palma avo misy voany mifanongoa.
عربي تفسیرونه:
رِّزۡقٗا لِّلۡعِبَادِۖ وَأَحۡيَيۡنَا بِهِۦ بَلۡدَةٗ مَّيۡتٗاۚ كَذَٰلِكَ ٱلۡخُرُوجُ
Ho sakafon’ireo mpanompo. Ary avy aminy (rano) no namelomanay indray ny tanàna efa maty.Toy izany ny fitsanganana amin’ny maty.
عربي تفسیرونه:
كَذَّبَتۡ قَبۡلَهُمۡ قَوۡمُ نُوحٖ وَأَصۡحَٰبُ ٱلرَّسِّ وَثَمُودُ
Talohan’izy ireo nilaza (ny fahamarinana) ho lainga avokoa, ireo vahoakan’i Noa, ireo olon’i Ar-rassy ary ireo Thamod,
عربي تفسیرونه:
وَعَادٞ وَفِرۡعَوۡنُ وَإِخۡوَٰنُ لُوطٖ
Toy izany koa ireo Aad sy i Faraona ary ireo ralahan'i Lota,
عربي تفسیرونه:
وَأَصۡحَٰبُ ٱلۡأَيۡكَةِ وَقَوۡمُ تُبَّعٖۚ كُلّٞ كَذَّبَ ٱلرُّسُلَ فَحَقَّ وَعِيدِ
Ary ireo olon’i Al-Aykah sy ny vahoakan’i Tobba. Niampanga ireo iraka ho mpandainga avokoa izy rehetra, ka dia tanteraka tokoa ny fampitandremako.
عربي تفسیرونه:
أَفَعَيِينَا بِٱلۡخَلۡقِ ٱلۡأَوَّلِۚ بَلۡ هُمۡ فِي لَبۡسٖ مِّنۡ خَلۡقٖ جَدِيدٖ
Moa reraky ny fahariana voalohany va izahay ? Kanefa feno fisalasalana izy ireo mikasika ny fahariana vaovao.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: ق
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول