Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: حشر   آیت:
وَٱلَّذِينَ جَآءُو مِنۢ بَعۡدِهِمۡ يَقُولُونَ رَبَّنَا ٱغۡفِرۡ لَنَا وَلِإِخۡوَٰنِنَا ٱلَّذِينَ سَبَقُونَا بِٱلۡإِيمَٰنِ وَلَا تَجۡعَلۡ فِي قُلُوبِنَا غِلّٗا لِّلَّذِينَ ءَامَنُواْ رَبَّنَآ إِنَّكَ رَءُوفٞ رَّحِيمٌ
Ary izay tonga taorian’izy ireo, ka miteny hoe : Tomponay ô ! Mamelà ny helokay, sy an’ireo rahalahinay, izay nialoha lalana anay tamin’ny finoana ; ary aza hatao misy lolom-po amin’ireo mpino ao am-ponay. Tomponay ô ! be fangorahana sy be indrafo tokoa Ianao.
عربي تفسیرونه:
۞ أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ نَافَقُواْ يَقُولُونَ لِإِخۡوَٰنِهِمُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ لَئِنۡ أُخۡرِجۡتُمۡ لَنَخۡرُجَنَّ مَعَكُمۡ وَلَا نُطِيعُ فِيكُمۡ أَحَدًا أَبَدٗا وَإِن قُوتِلۡتُمۡ لَنَنصُرَنَّكُمۡ وَٱللَّهُ يَشۡهَدُ إِنَّهُمۡ لَكَٰذِبُونَ
Tsy hitanao va, ireo mpihatsaravelatsihy izay miteny amin’ireo rahalahiny tsy mino amin’ireo olon’ny Boky hoe : Raha voaroaka ianareo, dia hiaraka aminareo tokoa izahay, ary tsy hankato olona manohitra anareo mihitsy ; fa raha misy manafika ianareo, dia hamonjy anareo tokoa izahay, Allah anefa dia manamafy, fa mpandainga tokoa izy ireo.
عربي تفسیرونه:
لَئِنۡ أُخۡرِجُواْ لَا يَخۡرُجُونَ مَعَهُمۡ وَلَئِن قُوتِلُواْ لَا يَنصُرُونَهُمۡ وَلَئِن نَّصَرُوهُمۡ لَيُوَلُّنَّ ٱلۡأَدۡبَٰرَ ثُمَّ لَا يُنصَرُونَ
Raha voaroaka izy ireo, dia tsy hiaraka aminy velively izy ireny ; ary raha misy manafika izy ireo, dia tsy hamonjy akory izy ireny, fa na hamonjy aza, dia azo antoka fa hanome lamosina, ka tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
لَأَنتُمۡ أَشَدُّ رَهۡبَةٗ فِي صُدُورِهِم مِّنَ ٱللَّهِۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ قَوۡمٞ لَّا يَفۡقَهُونَ
Mampiditra tahotra ao am-pon’izy ireo ianareo, nihoatra an’I Allah satria olona tsy mandinika izy ireo.
عربي تفسیرونه:
لَا يُقَٰتِلُونَكُمۡ جَمِيعًا إِلَّا فِي قُرٗى مُّحَصَّنَةٍ أَوۡ مِن وَرَآءِ جُدُرِۭۚ بَأۡسُهُم بَيۡنَهُمۡ شَدِيدٞۚ تَحۡسَبُهُمۡ جَمِيعٗا وَقُلُوبُهُمۡ شَتَّىٰۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ قَوۡمٞ لَّا يَعۡقِلُونَ
Tsy hifarimbona hiady aminareo izy ireo, afa-tsy ao anaty tanàna nohamafisina, na avy any ambadiky ny tamboho. mafy ny tsy fifanarahan’izy ireo, heverinao fa miray hina izy ireo, kanefa mizarazara ny fony ! Satria olona tsy misaina izy ireo.
عربي تفسیرونه:
كَمَثَلِ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ قَرِيبٗاۖ ذَاقُواْ وَبَالَ أَمۡرِهِمۡ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Mitovy amin’ireo talohan'izy ireo, izay nanandrana ny vokatry ny fitondran-tenany, ka hahazo famaizana mamirifiry.
عربي تفسیرونه:
كَمَثَلِ ٱلشَّيۡطَٰنِ إِذۡ قَالَ لِلۡإِنسَٰنِ ٱكۡفُرۡ فَلَمَّا كَفَرَ قَالَ إِنِّي بَرِيٓءٞ مِّنكَ إِنِّيٓ أَخَافُ ٱللَّهَ رَبَّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Mitovy amin’ny devoly miteny amin’ny olombelona hoe : aza mino ianao ! Ka rehefa tsy nino izy, dia hoy ny devoly : miala aminao madiodio aho, fa matahotra an’I Allah Tompon’izao tontolo izao.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: حشر
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول