Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: انعام   آیت:
وَمَا عَلَى ٱلَّذِينَ يَتَّقُونَ مِنۡ حِسَابِهِم مِّن شَيۡءٖ وَلَٰكِن ذِكۡرَىٰ لَعَلَّهُمۡ يَتَّقُونَ
Tsy anjaran’ireo izay manam-patahorana ny fitsarana azy ireo na dia kely aza. Fa ny fampahatsiahivana ihany. Angamba hanam-patahorana izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَذَرِ ٱلَّذِينَ ٱتَّخَذُواْ دِينَهُمۡ لَعِبٗا وَلَهۡوٗا وَغَرَّتۡهُمُ ٱلۡحَيَوٰةُ ٱلدُّنۡيَاۚ وَذَكِّرۡ بِهِۦٓ أَن تُبۡسَلَ نَفۡسُۢ بِمَا كَسَبَتۡ لَيۡسَ لَهَا مِن دُونِ ٱللَّهِ وَلِيّٞ وَلَا شَفِيعٞ وَإِن تَعۡدِلۡ كُلَّ عَدۡلٖ لَّا يُؤۡخَذۡ مِنۡهَآۗ أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ أُبۡسِلُواْ بِمَا كَسَبُواْۖ لَهُمۡ شَرَابٞ مِّنۡ حَمِيمٖ وَعَذَابٌ أَلِيمُۢ بِمَا كَانُواْ يَكۡفُرُونَ
Ary avelao ireo izay manao ny finoany ho kilalao sy rendrarendra, ary nofitahin’ny fiainana eto an-tany. Ary ampahatsiahivo amin’ny alalany (Koro’any) Ianao mba tsy hisy olona maty antoka nohon'ny asa vitany, tsy hanana mpiahy na mpanelanelana izy ankoatr’I Allah. Ary na inona na inona ny onitra atolony dia tsy ho raisina avy aminy izany. Izy ireny no olona maty antoka amin’ny asa vitany. Ho azy ireo ny zava-pisotro mangotraka sy ny sazy mamirifiry noho izy ireo tsy nino.
عربي تفسیرونه:
قُلۡ أَنَدۡعُواْ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَا يَنفَعُنَا وَلَا يَضُرُّنَا وَنُرَدُّ عَلَىٰٓ أَعۡقَابِنَا بَعۡدَ إِذۡ هَدَىٰنَا ٱللَّهُ كَٱلَّذِي ٱسۡتَهۡوَتۡهُ ٱلشَّيَٰطِينُ فِي ٱلۡأَرۡضِ حَيۡرَانَ لَهُۥٓ أَصۡحَٰبٞ يَدۡعُونَهُۥٓ إِلَى ٱلۡهُدَى ٱئۡتِنَاۗ قُلۡ إِنَّ هُدَى ٱللَّهِ هُوَ ٱلۡهُدَىٰۖ وَأُمِرۡنَا لِنُسۡلِمَ لِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Teneno hoe : “Moa ve hitalaho ankoatr’I Allah izahay, izay tsy afaka hanasoa anay na hanaratsy anay ? Ary haverina amin’ny vody tongotray (hiverin-dàlana) izahay taorian’ny notarihan’I Allah làlana anay, tahaka izay norebireben’ireo satana eto an-tany, sanganehana, na dia misy namana miantso azy izy ho amin’ny tari-dàlana : “Tongava aty aminay ianao”. Teneno hoe : “Ny tari-dalan’I Allah no tena tari-dàlana. Ary nodidiana izahay mba hanaiky tanteraka ny Tompon’izao Tontolo izao”.
عربي تفسیرونه:
وَأَنۡ أَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَٱتَّقُوهُۚ وَهُوَ ٱلَّذِيٓ إِلَيۡهِ تُحۡشَرُونَ
Ary aoka mba ho tanterahanareo ny vavaka fanompoana ary matahora Azy ianareo. Ary any Aminy no hamoriana anareo.
عربي تفسیرونه:
وَهُوَ ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ بِٱلۡحَقِّۖ وَيَوۡمَ يَقُولُ كُن فَيَكُونُۚ قَوۡلُهُ ٱلۡحَقُّۚ وَلَهُ ٱلۡمُلۡكُ يَوۡمَ يُنفَخُ فِي ٱلصُّورِۚ عَٰلِمُ ٱلۡغَيۡبِ وَٱلشَّهَٰدَةِۚ وَهُوَ ٱلۡحَكِيمُ ٱلۡخَبِيرُ
Ary Izy no nahary ireo lanitra sy ny tany amim-pahamarinana. Ary amin’ny andro hitenenany hoe : “Misia” dia misy izany, ny Teniny dia fahamarinana, ary Azy ny fanjakana amin’ny andro hitsofana ny Anjomara, ilay Mahalala ny miafina sy ny miharihary. Ary izy Ilay be Fahendrena, Ilay Mahafantatra ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: انعام
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول