Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: ملک   آیت:

Al-molk

تَبَٰرَكَ ٱلَّذِي بِيَدِهِ ٱلۡمُلۡكُ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٌ
Hamasinina anie Ilay manana ny fanjakana eo am-pelatanany fa Izy dia mahefa ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلۡمَوۡتَ وَٱلۡحَيَوٰةَ لِيَبۡلُوَكُمۡ أَيُّكُمۡ أَحۡسَنُ عَمَلٗاۚ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡغَفُورُ
Ilay Nahary ny fahafatesana sy ny fiainana mba hisedrany anareo,iza aminareo no manao asa tsara indrindra,ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay mpamela heloka.
عربي تفسیرونه:
ٱلَّذِي خَلَقَ سَبۡعَ سَمَٰوَٰتٖ طِبَاقٗاۖ مَّا تَرَىٰ فِي خَلۡقِ ٱلرَّحۡمَٰنِ مِن تَفَٰوُتٖۖ فَٱرۡجِعِ ٱلۡبَصَرَ هَلۡ تَرَىٰ مِن فُطُورٖ
Ilay Nahary ny lanitra fito mifanaingina, ka tsy ahitanao fikorontanana amin'izay noharian' Ilay be fiantrana azy. Koa atopazo amin'izany ary ny masonao. Moa mahita hirika kely amin'izany va ianao?
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ ٱرۡجِعِ ٱلۡبَصَرَ كَرَّتَيۡنِ يَنقَلِبۡ إِلَيۡكَ ٱلۡبَصَرُ خَاسِئٗا وَهُوَ حَسِيرٞ
Avy eo dia atodio in-droa ny masonao, ka hiverina aminao ny Fijeriny, feno fahamenarana sady trotraka.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ زَيَّنَّا ٱلسَّمَآءَ ٱلدُّنۡيَا بِمَصَٰبِيحَ وَجَعَلۡنَٰهَا رُجُومٗا لِّلشَّيَٰطِينِۖ وَأَعۡتَدۡنَا لَهُمۡ عَذَابَ ٱلسَّعِيرِ
Nohaingonay tokoa ny lanitra akaiky indrindra, tamin'ny alalan'ireo jiro (kintana), izay nataonay ho fitorahana ireo devoly, ary dia nanomana ny famaizan'ny afo mamaivay ho azy ireo Izahay.
عربي تفسیرونه:
وَلِلَّذِينَ كَفَرُواْ بِرَبِّهِمۡ عَذَابُ جَهَنَّمَۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ
Fa izay tsy nino ny Tompony dia hahazo ny famaizan'ny afobe. Fiafarana ratsy tokoa izany !
عربي تفسیرونه:
إِذَآ أُلۡقُواْ فِيهَا سَمِعُواْ لَهَا شَهِيقٗا وَهِيَ تَفُورُ
Rehefa hatsipy ao izy ireo dia handre taraina ary dia hangotrangotraka ny ao.
عربي تفسیرونه:
تَكَادُ تَمَيَّزُ مِنَ ٱلۡغَيۡظِۖ كُلَّمَآ أُلۡقِيَ فِيهَا فَوۡجٞ سَأَلَهُمۡ خَزَنَتُهَآ أَلَمۡ يَأۡتِكُمۡ نَذِيرٞ
Kely fotsiny no tsy ipoahany, vokatry ny Hatezerany. Isaka izay misy andiany atsipy ao dia manontany ireo mpiambina hoe: "Moa tsy nisy mpampitandrina tonga teo aminareo va ?"
عربي تفسیرونه:
قَالُواْ بَلَىٰ قَدۡ جَآءَنَا نَذِيرٞ فَكَذَّبۡنَا وَقُلۡنَا مَا نَزَّلَ ٱللَّهُ مِن شَيۡءٍ إِنۡ أَنتُمۡ إِلَّا فِي ضَلَٰلٖ كَبِيرٖ
Dia hoy izy ireo namaly : "Eny ! Nisy tokoa ny mpampitandrina tonga teo aminay, saingy nataonay ho mpandainga, ka hoy izahay : "Tsy nampidina na inona na inona I Allah, fa very lalana tanteraka ianareo".
عربي تفسیرونه:
وَقَالُواْ لَوۡ كُنَّا نَسۡمَعُ أَوۡ نَعۡقِلُ مَا كُنَّا فِيٓ أَصۡحَٰبِ ٱلسَّعِيرِ
Ka hoy izy ireo : "Raha mba nihaino na nisaina mantsy izahay dia tsy ho isan'ireo olon'ny afo mamaivay."
عربي تفسیرونه:
فَٱعۡتَرَفُواْ بِذَنۢبِهِمۡ فَسُحۡقٗا لِّأَصۡحَٰبِ ٱلسَّعِيرِ
Nihaiky ny fahotany izy ireo. Ho levona mandrakizay anie ireo olon'ny afo mamaivay.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يَخۡشَوۡنَ رَبَّهُم بِٱلۡغَيۡبِ لَهُم مَّغۡفِرَةٞ وَأَجۡرٞ كَبِيرٞ
Ireo izay matahotra ny Tompony na tsy mahita Azy aza dia hahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: ملک
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول