Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: جن   آیت:

Al-jinn

قُلۡ أُوحِيَ إِلَيَّ أَنَّهُ ٱسۡتَمَعَ نَفَرٞ مِّنَ ٱلۡجِنِّ فَقَالُوٓاْ إِنَّا سَمِعۡنَا قُرۡءَانًا عَجَبٗا
Lazao hoe : "Nambara tamiko, fa nisy andian'ny djiny nanongilan-tsofina, ka niteny hoe: nandre vakiteny (kor'any) mahafinaritra tokoa izahay."
عربي تفسیرونه:
يَهۡدِيٓ إِلَى ٱلرُّشۡدِ فَـَٔامَنَّا بِهِۦۖ وَلَن نُّشۡرِكَ بِرَبِّنَآ أَحَدٗا
Izay mitarika ho amin'ny lalana mahitsy. Nino izany izahay, ka tsy hampitambatra ny Tomponay amin'ny hafa mihitsy.
عربي تفسیرونه:
وَأَنَّهُۥ تَعَٰلَىٰ جَدُّ رَبِّنَا مَا ٱتَّخَذَ صَٰحِبَةٗ وَلَا وَلَدٗا
Hamafisina, fa ny Tomponay, hankalazaina anie ny fahamboniany, dia tsy nanana vady na zanaka !
عربي تفسیرونه:
وَأَنَّهُۥ كَانَ يَقُولُ سَفِيهُنَا عَلَى ٱللَّهِ شَطَطٗا
Ary nilaza zavatra tafahoatra mikasika an'I Allah ilay tsy misaina taminay.
عربي تفسیرونه:
وَأَنَّا ظَنَنَّآ أَن لَّن تَقُولَ ٱلۡإِنسُ وَٱلۡجِنُّ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبٗا
Ary heverinay, fa na ireo olombelona na ireo djiny, dia tsy hilaza lainga mikasika an'I Allah mihitsy.
عربي تفسیرونه:
وَأَنَّهُۥ كَانَ رِجَالٞ مِّنَ ٱلۡإِنسِ يَعُوذُونَ بِرِجَالٖ مِّنَ ٱلۡجِنِّ فَزَادُوهُمۡ رَهَقٗا
Ary saingy nisy ireo lehilahy tamin'ireo olombelona nitady fiarovana tamin'ireo djiny lahy, nefa dia vao maika nampitombo ny fahorian'izy ireo izany.
عربي تفسیرونه:
وَأَنَّهُمۡ ظَنُّواْ كَمَا ظَنَنتُمۡ أَن لَّن يَبۡعَثَ ٱللَّهُ أَحَدٗا
Ary nihevitra tahaky ny fiheveranareo izy ireo, fa tsy hanangana olona amin'ny maty na oviana na oviana I Allah.
عربي تفسیرونه:
وَأَنَّا لَمَسۡنَا ٱلسَّمَآءَ فَوَجَدۡنَٰهَا مُلِئَتۡ حَرَسٗا شَدِيدٗا وَشُهُبٗا
Ary nahakasika ny lanitra izahay, ka nahita mpiambina mafy maro sy tain-kintana.
عربي تفسیرونه:
وَأَنَّا كُنَّا نَقۡعُدُ مِنۡهَا مَقَٰعِدَ لِلسَّمۡعِۖ فَمَن يَسۡتَمِعِ ٱلۡأٓنَ يَجِدۡ لَهُۥ شِهَابٗا رَّصَدٗا
Ary nipetraka nihaino teo izahay. Fa na iza na iza manongilan-tsofina mihaino ankehitriny, dia hifanehitra amin'ny tain-kintana izay hamely tampoka azy izy.
عربي تفسیرونه:
وَأَنَّا لَا نَدۡرِيٓ أَشَرٌّ أُرِيدَ بِمَن فِي ٱلۡأَرۡضِ أَمۡ أَرَادَ بِهِمۡ رَبُّهُمۡ رَشَدٗا
Ary tsy fantatray, na tiana hasian-dratsy ny mponin'ny tany, na tian'ny Tompony ho amin'ny lalana mahitsy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَأَنَّا مِنَّا ٱلصَّٰلِحُونَ وَمِنَّا دُونَ ذَٰلِكَۖ كُنَّا طَرَآئِقَ قِدَدٗا
Ary misy aminay no tsara fitondran-tena, fa misy kosa ny tsy toy izany, nizara ho antoko samihafa izahay.
عربي تفسیرونه:
وَأَنَّا ظَنَنَّآ أَن لَّن نُّعۡجِزَ ٱللَّهَ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَن نُّعۡجِزَهُۥ هَرَبٗا
Ary fantatray tokoa fa tsy afaka ny tsy hampanan-kery an'I Allah eny ambonin'ny tany izahay, ary tsy afaka ny tsy hampanan-kery Azy ihany koa amin'ny fandosirana.
عربي تفسیرونه:
وَأَنَّا لَمَّا سَمِعۡنَا ٱلۡهُدَىٰٓ ءَامَنَّا بِهِۦۖ فَمَن يُؤۡمِنۢ بِرَبِّهِۦ فَلَا يَخَافُ بَخۡسٗا وَلَا رَهَقٗا
Fa rehefa nandre ny tari-dalana izahay dia nino izany, ka izay mino ny Tompony dia tsy matahotra ny fihenan'ny valisoa na ny fanaporetana.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: جن
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول