Check out the new design

Tradução dos significados do Nobre Qur’an. - Tradução Malgaxe - Centro Rawad de tradução * - Índice de tradução


Tradução dos significados Surah: Al-Anbiyaa   Versículo:
قُلۡ إِنَّمَآ أُنذِرُكُم بِٱلۡوَحۡيِۚ وَلَا يَسۡمَعُ ٱلصُّمُّ ٱلدُّعَآءَ إِذَا مَا يُنذَرُونَ
Teneno hoe : “Izaho dia tsy manao afa-tsy mampitandrina anareo amin’ny alalan’ny fanambarana”; ary ny marenina dia tsy maheno ny antso rehefa ampitandremana.
Os Tafssir em língua árabe:
وَلَئِن مَّسَّتۡهُمۡ نَفۡحَةٞ مِّنۡ عَذَابِ رَبِّكَ لَيَقُولُنَّ يَٰوَيۡلَنَآ إِنَّا كُنَّا ظَٰلِمِينَ
Raha mikasika azy ireo ny kely amin’ny famaizan’ny Tomponao, dia hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Marina fa izahay dia mpanao ny tsy rariny tokoa”.
Os Tafssir em língua árabe:
وَنَضَعُ ٱلۡمَوَٰزِينَ ٱلۡقِسۡطَ لِيَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ فَلَا تُظۡلَمُ نَفۡسٞ شَيۡـٔٗاۖ وَإِن كَانَ مِثۡقَالَ حَبَّةٖ مِّنۡ خَرۡدَلٍ أَتَيۡنَا بِهَاۗ وَكَفَىٰ بِنَا حَٰسِبِينَ
Ary hapetrakay ho amin’ny Andro fitsanganana ireo mizàna tena marina, ka tsy hisy olona ho tratran’ny fiangarana na dia kely aza, na dia tahaka ny lanjan’ny voatsinapy aza dia ho asehonay. Ampy ho mpitsara tokoa Izahay.
Os Tafssir em língua árabe:
وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا مُوسَىٰ وَهَٰرُونَ ٱلۡفُرۡقَانَ وَضِيَآءٗ وَذِكۡرٗا لِّلۡمُتَّقِينَ
Ary efa nomenay an’i Mosesy sy Harona tokoa ny boky fanavahana (ny tsara sy ny ratsy) sy ho fahazavana ary ho fampahatsiahivana ho an’ireo izay manam-patahorana.
Os Tafssir em língua árabe:
ٱلَّذِينَ يَخۡشَوۡنَ رَبَّهُم بِٱلۡغَيۡبِ وَهُم مِّنَ ٱلسَّاعَةِ مُشۡفِقُونَ
Ary ho an’izay matahotra ny Tompon’izy ireo na dia tsy hitan'ny maso aza, sy matahotra ny Ora (Andro farany).
Os Tafssir em língua árabe:
وَهَٰذَا ذِكۡرٞ مُّبَارَكٌ أَنزَلۡنَٰهُۚ أَفَأَنتُمۡ لَهُۥ مُنكِرُونَ
Ary ity (koro’any) ity dia fampahatsiahivana feno fahasoavana nampidininay, ka moa ve handà izany ianareo ?
Os Tafssir em língua árabe:
۞ وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَآ إِبۡرَٰهِيمَ رُشۡدَهُۥ مِن قَبۡلُ وَكُنَّا بِهِۦ عَٰلِمِينَ
Ary efa nomenay toro-lalana mahitsy i Abrahama teo aloha ary tena mahalala tsara izany Izahay.
Os Tafssir em língua árabe:
إِذۡ قَالَ لِأَبِيهِ وَقَوۡمِهِۦ مَا هَٰذِهِ ٱلتَّمَاثِيلُ ٱلَّتِيٓ أَنتُمۡ لَهَا عَٰكِفُونَ
Raha niteny izy tamin-drainy sy ny vahoakany hoe : “Inona ireto sary vongana izay tena ifikiranareo ireto ?”
Os Tafssir em língua árabe:
قَالُواْ وَجَدۡنَآ ءَابَآءَنَا لَهَا عَٰبِدِينَ
Namaly izy ireo hoe : efa hitanay nanompo azy ireo ny razambenay.
Os Tafssir em língua árabe:
قَالَ لَقَدۡ كُنتُمۡ أَنتُمۡ وَءَابَآؤُكُمۡ فِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٖ
Niteny izy hoe : “Marina tokoa, fa ianareo sy ireo razambenareo dia efa tena ao anatin’ny fahaverezana miharihary”.
Os Tafssir em língua árabe:
قَالُوٓاْ أَجِئۡتَنَا بِٱلۡحَقِّ أَمۡ أَنتَ مِنَ ٱللَّٰعِبِينَ
Niteny izy ireo hoe : “Moa tonga eto aminay miaraka amin’ny fahamarinana va ianao ? Sa anisan’ ireo mpananihany ianao ?
Os Tafssir em língua árabe:
قَالَ بَل رَّبُّكُمۡ رَبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ ٱلَّذِي فَطَرَهُنَّ وَأَنَا۠ عَلَىٰ ذَٰلِكُم مِّنَ ٱلشَّٰهِدِينَ
Niteny izy : “tsia ! Fa ny Tomponareo, ilay tompon’ireo lanitra sy ny tany izay nahary azy ireo, ary izaho amin’izany dia anisan’ireo vavolombelona”.
Os Tafssir em língua árabe:
وَتَٱللَّهِ لَأَكِيدَنَّ أَصۡنَٰمَكُم بَعۡدَ أَن تُوَلُّواْ مُدۡبِرِينَ
Mianiana amin’I Allah aho fa tsy maintsy hanaovako tetika ireo sampinareo ireo aorian’ny fotoana ivoahanareo eto.
Os Tafssir em língua árabe:
 
Tradução dos significados Surah: Al-Anbiyaa
Índice de capítulos Número de página
 
Tradução dos significados do Nobre Qur’an. - Tradução Malgaxe - Centro Rawad de tradução - Índice de tradução

Tradução realizada pela equipe do Centro de Tradução Rowwad em cooperação com a Associação de Chamada em Al-Rabwah e a Associação para o Serviço do Conteúdo Islâmico em Idiomas.

Fechar