Check out the new design

Tradução dos significados do Nobre Qur’an. - Tradução Malgaxe - Centro Rawad de tradução * - Índice de tradução


Tradução dos significados Surah: As-Sajda   Versículo:

As-sajdah

الٓمٓ
Alif, Làm, Mìm
Os Tafssir em língua árabe:
تَنزِيلُ ٱلۡكِتَٰبِ لَا رَيۡبَ فِيهِ مِن رَّبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ny fidinan’ny boky, dia tsy misy fisalasalana ny ao anatiny, avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao.
Os Tafssir em língua árabe:
أَمۡ يَقُولُونَ ٱفۡتَرَىٰهُۚ بَلۡ هُوَ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكَ لِتُنذِرَ قَوۡمٗا مَّآ أَتَىٰهُم مِّن نَّذِيرٖ مِّن قَبۡلِكَ لَعَلَّهُمۡ يَهۡتَدُونَ
Hilaza ve izy ireo fa noforonin'i (Mohammad) izany ? Nefa tsy izany akory, fa izy ity kosa dia Fahamarinana avy amin’ny Tomponao mba ho fampitandremana ny vahoaka izay tsy mbola nisy mpampitandrina teo alohanao tonga teo amin’izy ireo, angamba ho voatari-dàlana izy ireo.
Os Tafssir em língua árabe:
ٱللَّهُ ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَمَا بَيۡنَهُمَا فِي سِتَّةِ أَيَّامٖ ثُمَّ ٱسۡتَوَىٰ عَلَى ٱلۡعَرۡشِۖ مَا لَكُم مِّن دُونِهِۦ مِن وَلِيّٖ وَلَا شَفِيعٍۚ أَفَلَا تَتَذَكَّرُونَ
Allah izay nahary ireo lanitra sy ny tany ary izay manelanelana azy ireo, tao anatin’ny enin'andro. Avy eo dia nitoetra teo amin’ny seza fiandrianany Izy. Ary tsy manana mpiahy, na mpanelanelana ankoatra Azy ianareo.Tsy tsaronareo ve izany ?
Os Tafssir em língua árabe:
يُدَبِّرُ ٱلۡأَمۡرَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ إِلَى ٱلۡأَرۡضِ ثُمَّ يَعۡرُجُ إِلَيۡهِ فِي يَوۡمٖ كَانَ مِقۡدَارُهُۥٓ أَلۡفَ سَنَةٖ مِّمَّا تَعُدُّونَ
Tantanany avokoa ny raharaha rehetra any an-danitra sy ety an-tany, avy eo dia miakatra any Aminy (ny raharaha rehetra) ao anatin’ny andro iray, ka ny faharetan’izany dia mitovy amin’ny arivo taona amin’ny fanisanareo.
Os Tafssir em língua árabe:
ذَٰلِكَ عَٰلِمُ ٱلۡغَيۡبِ وَٱلشَّهَٰدَةِ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ
Izy Ilay Mahalala (izao tontolo izao) ny miafina sy ny hita maso, Ilay Tsitoha, Ilay be Indrafo,
Os Tafssir em língua árabe:
ٱلَّذِيٓ أَحۡسَنَ كُلَّ شَيۡءٍ خَلَقَهُۥۖ وَبَدَأَ خَلۡقَ ٱلۡإِنسَٰنِ مِن طِينٖ
Izay nandavorary ny rehetra nohariany. Ary nanomboka ny fahariana ny olombelona Izy avy amin’ny vovoky ny tany.
Os Tafssir em língua árabe:
ثُمَّ جَعَلَ نَسۡلَهُۥ مِن سُلَٰلَةٖ مِّن مَّآءٖ مَّهِينٖ
Avy eo dia nataony avy tamin’ny tete-drano malemy (tsirin'aina) ny taranany.
Os Tafssir em língua árabe:
ثُمَّ سَوَّىٰهُ وَنَفَخَ فِيهِ مِن رُّوحِهِۦۖ وَجَعَلَ لَكُمُ ٱلسَّمۡعَ وَٱلۡأَبۡصَٰرَ وَٱلۡأَفۡـِٔدَةَۚ قَلِيلٗا مَّا تَشۡكُرُونَ
Avy eo dia nomeny vatana tsara endrika izy, ka notsofiny tao aminy ny fofon’aina avy Aminy. Ary nataony eo aminareo ny fandrenesana, ireo maso sy ny fo. Zara raha mankasitraka ianareo !
Os Tafssir em língua árabe:
وَقَالُوٓاْ أَءِذَا ضَلَلۡنَا فِي ٱلۡأَرۡضِ أَءِنَّا لَفِي خَلۡقٖ جَدِيدِۭۚ بَلۡ هُم بِلِقَآءِ رَبِّهِمۡ كَٰفِرُونَ
Ary niteny izy ireo hoe : “Rehefa very ao anatin’ny tany (ho lasa vovoka ) izahay, dia hiverina amin’ny fahariana vaovao indray ve ? Raha ny marina, dia tsy mino ny fihaonana amin’ny Tompony izy ireo.
Os Tafssir em língua árabe:
۞ قُلۡ يَتَوَفَّىٰكُم مَّلَكُ ٱلۡمَوۡتِ ٱلَّذِي وُكِّلَ بِكُمۡ ثُمَّ إِلَىٰ رَبِّكُمۡ تُرۡجَعُونَ
Teneno hoe : “Haka ny fofon'ainareo ilay anjelin'ny fahafatesana, izay miahy anareo. Avy eo dia haverina any amin’ny Tomponareo ianareo”.
Os Tafssir em língua árabe:
 
Tradução dos significados Surah: As-Sajda
Índice de capítulos Número de página
 
Tradução dos significados do Nobre Qur’an. - Tradução Malgaxe - Centro Rawad de tradução - Índice de tradução

Tradução realizada pela equipe do Centro de Tradução Rowwad em cooperação com a Associação de Chamada em Al-Rabwah e a Associação para o Serviço do Conteúdo Islâmico em Idiomas.

Fechar