Check out the new design

Ibisobanuro bya qoran ntagatifu - Ibisobanuro bya Qur'an Ntagatifu mu rurimi rw'ikimalagashi - Ikigo Rowad Translation Center. * - Ishakiro ry'ibisobanuro


Ibisobanuro by'amagambo Isura: Yunus   Umurongo:
إِنَّ ٱلَّذِينَ لَا يَرۡجُونَ لِقَآءَنَا وَرَضُواْ بِٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا وَٱطۡمَأَنُّواْ بِهَا وَٱلَّذِينَ هُمۡ عَنۡ ءَايَٰتِنَا غَٰفِلُونَ
Ireo izay tsy manantena mihitsy ny fihaonana Aminay sy afa-po amin’ny fiainana eto an-tany ka mahatsapa fitoniana izy ireo amin’izany ary koa ireo izay tsy mitandrina ireo famantaranay,
Ibisobanuro by'icyarabu:
أُوْلَٰٓئِكَ مَأۡوَىٰهُمُ ٱلنَّارُ بِمَا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ
Izy ireny dia ny Afobe no fialofan'Izy ireo nohon'ny asa izay nataon'izy ireo.
Ibisobanuro by'icyarabu:
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ يَهۡدِيهِمۡ رَبُّهُم بِإِيمَٰنِهِمۡۖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهِمُ ٱلۡأَنۡهَٰرُ فِي جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ
Marina fa ireo izay nino sy nanao ny asa soa dia tarihin’ny Tompony làlana izy ireo nohon'ny finoan'izy ireo. Hikoriana eo ambanin’izy ireo, ireo renirano ao anatin’ireo zaridainan’ny fahafinaretana.
Ibisobanuro by'icyarabu:
دَعۡوَىٰهُمۡ فِيهَا سُبۡحَٰنَكَ ٱللَّهُمَّ وَتَحِيَّتُهُمۡ فِيهَا سَلَٰمٞۚ وَءَاخِرُ دَعۡوَىٰهُمۡ أَنِ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ny fitalahoan’izy ireo ao (am-paradisa) dia manao hoe : " Voninahitra anie ho Anao, ry Allah ”, ary ny fiarahaban’izy ireo ao dia ny hoe : " Fiadanana ” ary faran’ny fitalahoan’izy ireo dia ny hoe : " Dera ho an’i Allah izay Tompon’izao tontolo izao."
Ibisobanuro by'icyarabu:
۞ وَلَوۡ يُعَجِّلُ ٱللَّهُ لِلنَّاسِ ٱلشَّرَّ ٱسۡتِعۡجَالَهُم بِٱلۡخَيۡرِ لَقُضِيَ إِلَيۡهِمۡ أَجَلُهُمۡۖ فَنَذَرُ ٱلَّذِينَ لَا يَرۡجُونَ لِقَآءَنَا فِي طُغۡيَٰنِهِمۡ يَعۡمَهُونَ
Ary raha hafainganin’i Allah amin’ny Olona ny fahoriana tahaka ny fitadiavan’izy ireo hanafainganana ny hasoavana, dia efa tapitra izay ny fe-potoana hiainan’izy ireo ka nefa avelanay ireo izay tsy manantena ny fihaonana Aminay ao amin’ny fihoaram-pefin'izy ireo ka hiaina tanteraka ao anatin’ny fahajambana izy ireo.
Ibisobanuro by'icyarabu:
وَإِذَا مَسَّ ٱلۡإِنسَٰنَ ٱلضُّرُّ دَعَانَا لِجَنۢبِهِۦٓ أَوۡ قَاعِدًا أَوۡ قَآئِمٗا فَلَمَّا كَشَفۡنَا عَنۡهُ ضُرَّهُۥ مَرَّ كَأَن لَّمۡ يَدۡعُنَآ إِلَىٰ ضُرّٖ مَّسَّهُۥۚ كَذَٰلِكَ زُيِّنَ لِلۡمُسۡرِفِينَ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Ary rehefa misy loza manjo ny Olombelona dia miantso Anay ho eo ankilany izy, na am-pipetrahana na am-pitsanganana. Ary rehefa navotanay tamin’ny fahoriany izy, dia toy ny tsy niantso Anay mihitsy izy tamin’ny fahoriana izay nanjo Azy. Tahak’izany no nampihaingoana tamin’ireo mpanao fandanindaniam-poana ny asa izay ataony.
Ibisobanuro by'icyarabu:
وَلَقَدۡ أَهۡلَكۡنَا ٱلۡقُرُونَ مِن قَبۡلِكُمۡ لَمَّا ظَلَمُواْ وَجَآءَتۡهُمۡ رُسُلُهُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِ وَمَا كَانُواْ لِيُؤۡمِنُواْۚ كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلۡمُجۡرِمِينَ
Naringanay ireo taranaka talohanareo raha nanao ny tsy rariny izy ireo, nefa ny Irak’izy ireo dia tonga teo aminy miaraka amin’ireo porofo mazava, fa tsy te-hino izy ireo. Toy izany no hamalianay ireo olo-meloka.
Ibisobanuro by'icyarabu:
ثُمَّ جَعَلۡنَٰكُمۡ خَلَٰٓئِفَ فِي ٱلۡأَرۡضِ مِنۢ بَعۡدِهِمۡ لِنَنظُرَ كَيۡفَ تَعۡمَلُونَ
Avy eo dia nataonay ho mpandimby teto an-tany taorian’izy ireo Ianareo, mba hijerenay ahoana no Ataonareo.
Ibisobanuro by'icyarabu:
 
Ibisobanuro by'amagambo Isura: Yunus
Urutonde rw'amasura numero y'urupapuro
 
Ibisobanuro bya qoran ntagatifu - Ibisobanuro bya Qur'an Ntagatifu mu rurimi rw'ikimalagashi - Ikigo Rowad Translation Center. - Ishakiro ry'ibisobanuro

Yasobanuwe n'itsinda ry'ikigo Rowad cy'ubusobanuzi ku bufatanye n'ishyirahamwe ryo kwamamaza idini ry'ahitwa Rab'wat hamwe n'umuryango Islamic Content mu ndimi zitandukanye.

Gufunga