Check out the new design

Përkthimi i kuptimeve të Kuranit Fisnik - Përkthimi malagashisht - Qendra "Ruvad et Terxheme * - Përmbajtja e përkthimeve


Përkthimi i kuptimeve Surja: El Haxh   Ajeti:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ ضُرِبَ مَثَلٞ فَٱسۡتَمِعُواْ لَهُۥٓۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ تَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ لَن يَخۡلُقُواْ ذُبَابٗا وَلَوِ ٱجۡتَمَعُواْ لَهُۥۖ وَإِن يَسۡلُبۡهُمُ ٱلذُّبَابُ شَيۡـٔٗا لَّا يَسۡتَنقِذُوهُ مِنۡهُۚ ضَعُفَ ٱلطَّالِبُ وَٱلۡمَطۡلُوبُ
Ry olombelona, misy fanoharana, koa henoinareo izany :” Marina fa ireo izay italahoanareo ankoatr’I Allah, dia tsy afaka hihary na dia ny lalitra iray aza, na dia hitambatra aza izy ireo amin’izany. Ary raha misy zavatra nendahan’ny lalitra teny amin’izy ireo, dia tsy afaka hanavotra izany avy aminy izy ireo. Eny, malemy tokoa ny mpangataka sy izay angatahana !
Tefsiret në gjuhën arabe:
مَا قَدَرُواْ ٱللَّهَ حَقَّ قَدۡرِهِۦٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَقَوِيٌّ عَزِيزٌ
Tsy nomen’izy ireo haja amin’ny tena fanajana azy I Allah. Tena marina fa Allah dia Ilay Matanjaka, Ilay Mahery.
Tefsiret në gjuhën arabe:
ٱللَّهُ يَصۡطَفِي مِنَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ رُسُلٗا وَمِنَ ٱلنَّاسِۚ إِنَّ ٱللَّهَ سَمِيعُۢ بَصِيرٞ
Allah dia nisafidy iraka tamin’ireo Anjely sy tamin’ireo olombelona. Tena marina fa Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra.
Tefsiret në gjuhën arabe:
يَعۡلَمُ مَا بَيۡنَ أَيۡدِيهِمۡ وَمَا خَلۡفَهُمۡۚ وَإِلَى ٱللَّهِ تُرۡجَعُ ٱلۡأُمُورُ
Izy dia mahafantatra izay eo alohan’izy ireo sy izay any aorian’izy ireo. Ary any amin’I Allah no hiverina ny zava-drehetra.
Tefsiret në gjuhën arabe:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱرۡكَعُواْ وَٱسۡجُدُواْۤ وَٱعۡبُدُواْ رَبَّكُمۡ وَٱفۡعَلُواْ ٱلۡخَيۡرَ لَعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ۩
Ry ianareo izay nino, miondreha, miankohofa, ary manompoa ny Tomponareo ianareo ; ka manaova ny soa. Angamba ahazo fahombiazana ianareo !
Tefsiret në gjuhën arabe:
وَجَٰهِدُواْ فِي ٱللَّهِ حَقَّ جِهَادِهِۦۚ هُوَ ٱجۡتَبَىٰكُمۡ وَمَا جَعَلَ عَلَيۡكُمۡ فِي ٱلدِّينِ مِنۡ حَرَجٖۚ مِّلَّةَ أَبِيكُمۡ إِبۡرَٰهِيمَۚ هُوَ سَمَّىٰكُمُ ٱلۡمُسۡلِمِينَ مِن قَبۡلُ وَفِي هَٰذَا لِيَكُونَ ٱلرَّسُولُ شَهِيدًا عَلَيۡكُمۡ وَتَكُونُواْ شُهَدَآءَ عَلَى ٱلنَّاسِۚ فَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ وَٱعۡتَصِمُواْ بِٱللَّهِ هُوَ مَوۡلَىٰكُمۡۖ فَنِعۡمَ ٱلۡمَوۡلَىٰ وَنِعۡمَ ٱلنَّصِيرُ
Ary miadia ho an’I Allah amin’ny ezaka tena mendrika ho Azy ianareo. Izy no nifidy anareo, ary tsy nataony hisy fahasarotana ho anareo akory ao anatin’ny finoana, foto-pinoan’ny raibenareo Abrahama. Izy no nanome anareo anarana hoe : «mpanetry tena» tany aloha sy amin’izao, mba ho vavolombelona eo anatrehanareo ny iraka ary mba ho vavolombelona eo anatrehan’ny olombelona ihany koa ianareo. Ka tanterahanareo àry ny Soalat ary mamoàha Zakat, ary koa mifikira mafy amin’I Allah ianareo. Endre izany Mpiahy tsara sy Mpamonjy mendrika !
Tefsiret në gjuhën arabe:
 
Përkthimi i kuptimeve Surja: El Haxh
Përmbajtja e sureve Numri i faqes
 
Përkthimi i kuptimeve të Kuranit Fisnik - Përkthimi malagashisht - Qendra "Ruvad et Terxheme - Përmbajtja e përkthimeve

Përkthyer nga ekipi i Qendrës "Ruvad et-Terxheme" në bashkëpunim me Shoqatën për predikim në Rabva dhe Shoqatën për shërbimin e përmbajtjes islame në gjuhë të ndryshme.

Mbyll